Nisento ny mpiserasera rehefa nofoanana ny fandraràna tsy hahazo hanao fihetsiketsehana eo amin'ny Lalambe Habib Bourguiba [mg].
Io no lalambe malaza indrindra ao Tunis sady toerana nanaovana fihetsiketseham-bahoaka tamin'ny fiandohan'ny revolisiona toniziana. Nahitana fihetsiketsehana indray teo vao tsy ela izay, nataon'ny tsy an'asa [mg] tamin'ny 7 Avrily sy ny mpikatroky ny fiaraha-monim-pirenena tamin'ny 9 Avrily (Andron'ny Maritioran'i Tonizia), sy ny mpikambana sasany tao amin'ny antenimieram-panorenana tamin'ny 10 Avrily. Natao ny hetsika roa farany “hanafahana” ny lalambe. Nisy ny fifandonana mahery vaika nandritra ny Andron'ny Maritiora ka nandratran'ny polisy olona maro [mg], niteraka fifanenjanana izany sy ny hetaheta hanesorana ny fandrarana. Nanao diabe ny mpikambana ao amin'ny Antenimieram-panorenana ny ampitso ka nihaona tamin'ny minisitry ny atitany hifampiresaka ny raharaha 9 Avrily. Nanapakevitra ny hanafoana ny fandrarana teo amin'ny lalambe ny governemanta ny 11 Avrily.
Nilaza ny fahafaliany amin'ny fahafahana manao fihetsiketsehana malalaka eo amin'ny Lalambe Habib Bourguiba ny mpiserasera, saingy nivoady fa tsy hijanona amin'izao fotsiny.
Nanondro ny revolisionera ho anton'ny fanesorana ny fandrarana ny bilaogera sady mpanao gazety Sofien Chourabi:
Nisioka ny mpanao gazety Tounsiahourra:
Mampiseho ny fanombohan'ny hetsika indray teo amin'ny Lalambe Habib Bourguiba ity lahatsarin'i WebdoTN manaraka ity. Nifamory teo anoloan'ny Teatra Monisipaly ny UGET ary nihiaka antso samihafa:
Nisioka ny bilaogera mazoto sady mpanao gazety Haythem El Mekki:
Mitaky ny hialan'ny minisitry ny atitany Toniziana Ali Larayedh ny mpianatra Haykal Fakhfakh:
@HaykalFakhfakh: L avenue bourguiba est libre maintenant passons a la demission du ministre de terreur #tunisie #9Avril
Miantso fahamailoana ny mpanao gazety Emna Ben Jemaa:
@Emnabenjemaa: Ne vous faites pas arnaquer par l annulation de l interdiction.faut que les responsables soient punis #MI
Niarahana nandika tamin'i Jentilisa
1 hevitra