Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Janoary, 2024
Fodiamandrin'ilay Tôgôley pretra katôlika mpanohitra nafàna fo ny fitondràna am-perinasa
Omen'ireo Tôgôley voninahitra ny fahatsiarovana an'i Monseigneur Philippe Kpodzro, pretra katôlika nanolo-tena ho amin'ny fametrahana tany tàn-dalàna demaokratika ao Togo, nodimandry teo amin'ny faha-93 taonany tany an-tsesitany tamin'ny fiandohan'ny 2024
Burundi-Rwanda: miverina indray ny fihenjanana eo amin'ny roa tonta
Miharatsy indray ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’i Burundi sy Rwanda, herintaona taorian’ny fanokafana indray ny sisintany eo amin’ireo firenena roa ao Afrika Atsinanana.
Fiombonamben'i Kaomoro: mankany amin'ny krizy manaraka ny fifidianana ve taorian'ny nahalàny indray ny filoha teo aloha?
Voafidy indray fanintelony nisesy izao ny filoha kaomôriàna, araka ireo vokatra vonimaika nambara tamin'ny 14 Janoary 2024. Mikiaka tsy fanarahan-dalàna ireo mpanohitra, ary manao hetsi-panoherana ny tanora
Mametraka fanontaniana ny kaonty Flickr an'ny filohan'i Rwanda, Paul Kagame hoe : Afaka mamerina ny maripamantarana azy hita maso ve i Afrika ?
Ilay Nizeriana mpanoratra malaza, Chimamanda Ngozi Adichie, dia nanazava ny fomba fiantraikan'ireo tantara amin'ny maripamantarana, amin'ny fanefena ireo hevi-draikitra sy fanokafana làlana mankamin'ny fiitserana. Ary ahoana ny amin'ireo sary ? Inona no loza ateraky ny sary tokana monja?
Niteraka hatezerana nanerana an'i Amerika Atsimo ny famonoana an'i Julieta Hernández, vehivavy Venezoeliana mpifindra monina any Brezila.
Mpanakanto an-dalambe be mpankafy, mpanao hatsikana sady mpiaro ny mpitondra bisikileta i Hernández Martínez. Araka ny voalazan'ny polisy sivily Amazonas, mpivady iray teo an-toerana no niaiky ny heloka bevava namono ilay mpanakanto.
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #09
Ato anatin'ny “An'ny voambolana ny fitenenana - Les mots ont la parole”, asongadinay ireto telo ireto: voambolana pôrtiogey iray, "gallicisme" iray ao anatin'ny fiteny tseky ary voambolana iray milaza zavatra betsaka amin'ny fiteny "nouchi". l
Manazava ny firotsahan'i Zeorzia ho anatin'ny Vondrona Eorôpeana ny Vaomiera Eorôpeana
Tamin'ny 8 Novambra, nanoro hevitra ny Vaomiera Eorôpeana ny mba hanomezan'ny Vondrona Eoropeana an'i Zeorzia ny sata maha-kandidà ho afaka fidiana, izay manokatra làlana ihany koa ho an'ny vondrona mba hanombohana ny fizotran'ny fidiran'ilay firenena.
Mahazo fiampangana heloka bevava ny Belarosiana mody
Lazain'ny mpiaro ny zon'olombelona fa na dia eo aza ny "fifanarahana", dia nanokatra raharahan-keloka bevava tamin'ireo olona nino manampahefana ka niverina tany Belarosia ny manampahefana.
‘Taiwanais aho izao’: Mankamamy ny zony mahazo mifidy ireo nifindra avy any Hong Kong nankao amin'ilay Nosy demaokratika
Teratany iray avy any Hong-Kong nifindra monina nankao Taiwan taorian'ilay fihetsiketsehana tamin'ny 2019 tao Shina nanoherana ny fampodiana olona nohelohina, no nanambara hoe "Taiwanais aho izao ary antenaiko fa hihatsara i Taiwan - na dia tsy namafa ny maha-teratany avy anty Hong Kong aza aho"
Fantaro ireo sakafo Malagasy manana ny lazany
Miavaka amin'ny hanitra mibaha-toerana sy ananany betsaka ny nahandro malagasy