Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Febroary, 2021
Fifandraisana nomerika mifanaraka amin'ny filàna sy ny zavatra eo an-toerana iainan'ireo vondrom-piarahamonina lavitr'andriana ao Amazonia
Azon'ireo vondrom-piarahamonina lavitr'andriana ao Amazona atao ankehitriny ny mampiasa ny rafitra HERMES hahafahana manana fifandraisana tsara antoka hifanakalozana lahatsoratra sy sary ao anaty faritra iray mirefy an-jatony kilaometatra.
Lalàna vaovao momba ny fitsaboana any Hongria: mety hahatezitra ireo ho renim-pianakaviana nametraka drafitra momba ny fiterahana
Raha lany ilay didim-pitsarana mifehy manokana ny fikarakarana mialoha ny fiterahana sy ny fiterahana, dia mety ho voaràra tsy hahazo misafidy ireo vehivavy mitondra vohoka.
Namoaka taranja vaovao mikasika ny fitondrana jadon'i Marcos ny Oniversiten'ny Filipina ho fanoherana ny fanitsiana ara-tantara
Antenain'ilay taranja PS 21 vaovao ny ho sehatra iray fanairana ny “fahatongavan-tsain” 'ny taranaka Filipina aty aoriana ny amin'ny maha-zava-dehibe ny zon'olombelona, ny rariny ara-tsosialy ary ny fitohizan'ny tolona ho an'ny tena fahalalahana sy ny demokrasia.
Noroahan’i Serbie ny “neo-Nazi” Amerikanina iray rehefa navoakan’ny vohikala mpanadihady Bellingcat ny misy azy
Queens, New York native Robert Rondo bragged about helping local neo-Nazis restore Serbian nationalist graffiti that had been defaced by anti-fascist activists. Mirehareha i Robert Rondo, teraka tao Queens (New York) fa nanampy ireo “neo-Nazis” ao an-toerana namerina ny soratsoratra izay novain’ireo mpiady amin’ny fanavakavahana ao an-toerana.
Nikasa ny handroaka ilay mpanao gazety vahiny i Mozambika
Tom Bower no mpanorina ny tranonkalam-baovao Zitamar News, izay noderaina noho ny fitantarany momba ny ady mitam-piadiana tao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado tato anatin'ny taona vitsy lasa.
Mihenjana ny fifandraisan'ny Haindò sy ny Miozolomana taorian'ny fandrobana ny tempoly Haindò tao an-tanàndehibe Pakistaney
"Tokony hosamborin'ny governemanta ireo nandrava ny Tempoly sy ny sekoly, tsy misy olona manan-jo hamotika toeram-pivavahana hafa."
Nahoana no esorina daholo ireo sarivongana dindon'ny fanjanahantany ao Amerika?
"Ho anay, toy ny fanerena Jiosy iray handalo isanandro manoloana ny sarivongan'i Hitler" ny fandeferana ny fisian'ny karazana tsangambato tahaka ireny.
Hotarihan'i Beijing ny ankizy mpianatra ao Hong Kong hahay ny fiarovam-pirenena
Takian'ny torolalana, navoaka tamin'ny 5 febroary ny mpampianatra amin'ny ambaratonga rehetra hampianatra ireo fandikan-dalàna mivoitra amin'ny lalànan'ny fiarovam-pirenena ao Hong Kong.
Ireo mpanakanto teratany meksikàna izay mihantsy ny marika sy ny fitsaratsaram-poana.
"Ho anay, tsy fankalazana ny endrika ivelany, fomban-drazana na tantara mahasondriana ny andro Erantany ho an'ireo Vazimba Teratany . Fa kosa, tsy maintsy ekena ny fisian'ny fanandramana voarindra hanafoanana anay."
Nosakanan'i Shina ny Clubhouse rehefa niady hevitra momba an'i Xinjiang sy Tiananmen ny mpisera aterineto
Tao anatin'ny fotoana fohy no nandavahan'ny Clubhouse ny Rindrin'Afo Lehibe