· Septambra, 2008

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Septambra, 2008

Venezoela:Noroahin'ny Filoha Chavez ny Fikambanana Tsy Miankina Human Rights Watch

  30 Septambra 2008

Miaramila maro mirongo fiadiana no nalefa hisambotra an'i José Miguel Vivancos, mpitondra tenin'ny Fikambanana Tsy Miankina Iraisam-pirenena Human Rights Watch, ary nandroaka azy hiala an'i Venezoela ora vitsivitsy taorian'ny nanaovany tatitra nandritra ny fihaonana iray tamin'ny mpanao gazety, “Folo taona nitondran'i Chavez : Tsy fifandeferana ara-politika sy fotoam-bery maina ho...

Shina: Handratra ny fontsika ve ny loka Nobel ho amin'ny fandriampahalemana?

  28 Septambra 2008

Efa tsy dia tena faraidiny loatra ny tantana raha nahazo ny loka Nobel momba ny haisoratra i Gao Xingjian tamin'ny  2000; Niarahaba ilay nizaka ny zom-pirenena Shinoa teo aloha i Zhu Rongji, ary notazonin'i Wikipedia fa fotoana mahafinaritra ho an'ny haisoratra Shinoa ny nandrombahany azy tamin'ny faha-100 taonan'ny Loka Nobel,...

Herinandron'ny moana marenina: Mangetaheta fanabeazana mamirapiratra

  24 Septambra 2008

Amin'ny fizarana faharoa amin'ity lahatsoratra mikasika ny herinandron'ny moana marenina ity (eto ny fizarana voalohany), dia entinay any amin'ny tontolon'ny fanabeazana ny moana marenina ianareo, sy ny fanamby isan-karazany tsy maintsy atrehiny. Voalohany ny any amin'ny Repobilika afovoan'ny Afrika misy sekoly iray misokatra noho ny fitiavana madiodio rehefa nitsahatra ny...

Shina sy Taïwan : Hatezerana vokatry ny vovo-dronono voapoizina vita avy any Shina

  17 Septambra 2008

Ireo vokatra vovo-dronono, novokarin'ny vondron'orinasa Sanlu (三鹿) avy any Shina, dia tsikaritra fa voapoizina tamin'ny alalan'ny melamine taorian'ny nahitàna fa zaza an-jatony no narary tratry ny vato any amin'ny voa [amin'ny teny anglisy] (calculs rénaux). Zaza iray tany amin'ny faritany sinoa ao Gansu no maty noho izany. 25 taonina tamin'ny...

Madagasikara: Manova olona ny mipetraka Andafy

  13 Septambra 2008

Tamin'ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Marsa no nanoratan'ny mpahay toekarena William Easterly sy Yaw Nyarko izay nanamarika fa mahatratra 81 isanjaton'ny vola raisin'ny olona mipetraka amin'ny firenena iray Afrikana atsimon'i Sahara ny vola fandefan'ireo nifindra monina.Efa niadian-kevitra tanatin'ny tontolom-bolongana Malagasy ihany koa tany aloha tany ny anjara toeran'ireo Malagasy any...

Oman:Ramadany hafa kely

  07 Septambra 2008

Hisaina angamba ianao hoe ny tontolon’ny fitorahana bolongana avy aty Oman tao ho ato dia nifantoka betsaka tamin’ny resa-pivavahana sy ny iray volana masin’ny Ramadany, nefa somary mahazendana ihany fa betsaka amin’ireo hafatra no tsy misy ifandraisany velively amin’ny Ramadany. I Muscat Confidential mpitoraka blaogy mpandranitra [amin’ny teny anglisy] dia...

Angola: Fifidianana an-tsary maro

  06 Septambra 2008

Sambany tao anatin'ny 16 taona no nifidy indray ny Angoley - mbola mitohy moa izany fifidianana izany androany Sabotsy amin'ny biraom-pifidianana 320 eto an-drenivohitra Luanda. Hatramin'izao dia tsy heno loatra hoe nisy korontana ny fifidianana, manjaka any anivon'ny vahoaka ny filaminana araka ny hitan'ilay mpaka sary José Manuel Lima da Silva. Tena misy sary kosa aloha ato e!

Fa aiza mihitsy ary no mipetraka ny mpandika tenin’ ny Global Voices?

  03 Septambra 2008

Ny mpandika tenin'ny Global Voices Lingua izao dia mamoaka ity tranonkala ity amin'ny teny dimy ambiny folo isankarazany (18 raha isaina koa ny tranonkala vaovao Swahili, Rosiana ary Serbiana) mamela ny olona eran-tany tsy miteny anglisy mba handray anjara koa ao amin'ny fifanakalozana hevitra. Nandray mpandika teny manome miasa maimaim-poana...