· Febroary, 2010

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Febroary, 2010

Chili: Horohorontany tany Chili hitan'ny mason'ny olona

  28 Febroary 2010

Santiago taorian'ny horohorontany nopihan'i pviojo CC-By Koa satria moa efa hadiva hilentika ny masoandro dia nitombo isa ireo lahatsary mitantara ny horohoroontany nahatratra 8,8 izay nihatra tamin'i Chili tamin'ny 3:30 maraina. Koa satria moa tsy ny tanibe ihany no nisian'izany hetsiky ny tany izany dia niteraka onjan-dranomasina vaventy (tsunami) izay...

Cartagena: Lahatsary iray isan'andro avy any Kolombia

  25 Febroary 2010

Androany avy any Cartagena any Kolombia: Voalahatra ho ao anatin'ny Lovan-kolontsaina manerantanin'i UNESCO sy toerana be mpitsidika indrindra no itondranay anareo anareo hianoka amin'ny alalan'ny lahatsarin' ( video) izany tanàna izany izay amoahana iray isan'andro mandritra ity taona 2010 ity.

Shina : horonantsary fohy maneso ny sivana amin'ny aterineto

  23 Febroary 2010

Nahatontosa horonantsary fohy vaovao iray enti-mitsikera ny sivana amin'ny aterineto any Shina ilay mpamokatra horonantsarimihetsika tsy matihanina, Hu Ge . Tahaka ireny horonan-tsary fanadihadiana izay maharitra 7 minitra mahery eo, mitondra ny lohateny hoe ‘Tontolon’ny biby: Ny biby miaina an-trano‘ ka nahasarika olona an-hetsiny sahady izany tao anatin’ny andro vitsy...

Malezia: Sarotra fafàna ny fanalàna baraka ny fiandriànana

GV Mpisolovava  16 Febroary 2010

Ilay Maleziana mpitoraka blaogy, Khairul Nizam Abd Ghani, na “Aduka Taruna”, dia nosamborina tsy ela akory izao noho izy notondroina ho nanala baraka an'i Sultan Iskandar ibni Almarhum Sultan Ismail, Sultan ao Johor. Araka ireo tati-baovao, ny Minisitry ny Atitany, Hishammuddin Tun Hussein, dia nilaza fa tsy ho afa-maina fotsiny...

Iran: Feon-kira Maitso hanohanana ny Hetsika Fanoherana

  03 Febroary 2010

Feon-kira iray ho an'ny finday izay mampirisika ireo tanora Iraniana handeha any amin'ny vava ady sy hitolona nandritra ny ady teo amin'ny Iran sy Iraka tamin'ny 1980 dia miverina indray ankehitriny ho firaisan-kina amin'ny fanoherana. Mitantara ny fihetsik'ireo mpitoraka blaogy momba io hira 'Ey Iran' io i Hamid Tehrani.

Haiti: Fomba fahitan'ireo tanora momba ilay horohorontany

  02 Febroary 2010

Na dia betsaka aza ny tatitra natao taorian'ilay horohorontany mirefy 7,3 nanimba ampahany betsaka tamin'ny renivohitr'i Haiti, nisy vondrona mpitoraka blaogy haitiana iray adinodino - ireo tanora. Ity misy topimaso kely amin'izay lazain'ireo tanora momba ity loza ity, izay nanokatra vanim-potoana iray vaovao teo amin'ny fiainan'izy ireo.