Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Novambra, 2017
Bahrain: Nahoana Ny Biraon'i Al Jazeera No Nakatona?
Nambaran'i Bahrain fa vonjimaika no nanakatonana ny biraon'ny Fantsona Al Jazeera Mandeha amin'ny Zanabolana noho ny "fanitsakitsahana ireo fifanarahana arak'asa". Mihetsika amin'ny fampiroboroboana ity lahatsoratra ity ireo mpitoraka bilaogy sy mpibitsika - indrindra fa taorian'ny tsaho niely fa nakatona ny foibe any Katàra noho ny tatitra navoakany momba ny fahantrana ao Bahrain. Mandritra izany fotoana izany, milaza ny Al Jazeera fa tsy mbola nampiasa akory ny birao tao Bahrain fa inona no tena zava-nisy marina?
Nasandratra Ho Andriamanitra, Avy Eo Tsy Izy Intsony: Miverina Amin'ny Andavanandrom-Piainana Ilay ‘Kumari’ Nandritry ny Sivy Taona Tao Nepal
Misy sandany ny fiovàna tampoka miala amin'ny maha-ankizivavy kely ho lasa andriamanibavy iankohofana. Tsy maintsy mitoka-monina izy, lavitra ny fianakaviany sy ny namana, mitoetra ho tony amin'ny fotoana rehetra.
Sodaney Mpitsoa-ponenana, Voafonja Tao Isiraely Noho Ny Fananany Bisikleta
Tsy nanana faktioran'ny bisikiletany i (Babi) Ibrahim, mpanao hatsikana darforiana mpangataka fialokalofana, ary araka ny araka ny fahefàna omen'ny lalàna azy, azon'ny mpitandro ny filaminana nosamborina toy ny mpangalatra izy.
Safidy Sarotra Atrehan'ireo Borondey Mpitsoa-ponenana : Hijanoana Any Amin'ireo Toby Feno Olona Loatra Na Hiverina Amin'ny Tsy Azo Antoka
Manomboka mody any amin'ny taniny ireo mpitsoa--ponenana sasany, na eo aza ireo olan'ny tsy filaminana politika sy ara-toekarena izay mitohy. Sarotra kosa ny fiainana any amin'ireo toby.