Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Janoary, 2011
Ejipta: Miara-dàlana Amin'ny Vahoaka ve ny Tafika?
Following massive protests across Egypt today, the army was deployed to enforce a night time curfew. On Twitter, the news was received with surprise, with reports that the army was on the people's side. Following is a selection of tweets from across the region.
Ejipta an-tsary: Avy eny an-dalamben'i Cairo
Rehefa tsy eny an-dalamben'i Cairo, dia mampakatra sarin'ireo fihetsiketsehana mba hozaraina amin'izao tontolo izao ilay mafàna fo mpiaro zon'olombelona sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices Advocacy, Ramy Raoof. Ao anatin'ity lahatsoratra ity no izarnay ny sary nalefan'i Raoof avy ao Cairo.
Shina: Mampita ireo vaovao avy any Ejipta
Ny 28 Janoary, rehefa nitondra fanamarihana mikasika ny toe-draharaha ara-politika any Ejipta ny mpitondra tenin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny Sinoa dia niteny fa hitohy hanohana ny governemanta Ejiptiana amin'ny fihazonana ny lamina ara-tsosialy ny governemanta Sinoa ary manohitra ny fijabahan'ny vahiny any Ejipta. Nanomboka teo, ny teny hoe “Ejipta” dia voasakana any...
Voasakana ny vohikala Blogspot any Kambodza
Nosakanana ireo vohikala Blogspot tany Cambodge rehefa nibaiko mpamatsy aterineto maro ny fitondràna hanakana ny blaogy malaza mpanohitra ny fanjakàna, KI Media. Efa "tsy voasakana" intsony ireo vohikala nefa matahotra ireo mpampiasa aterineto momba ity sivana aterineto tsy nanam-paharoa tany amin'ny firenena ity.
Ejipta: Tatitra momba ny herisetran'ny mpitandro filaminana, Fisamborana ary bàla tena izy
Betsaka ny tatitra milaza fisamborana sy antsojay ary herisetra ataon'ny polisy no mipoitra, raha miditra amin'ny andro fahatelon'ny hetsika ry zareo Ejiptiana. Misy ihany koa tatitra mikasika famoizana aina saingy tsy mbola ananana ny antsipirihany sy ny tena antontan'isa marina.
Ejipta: Fanoherana an-dahatsary ny 25 Janoary
Nidina an-dalamben'i Kairo sy ny tanàna Ejipsiana maro hafa ny mpanao fihetsiketsehana ny talata 25 janoary teo izay andro tsy niasana, “Andron'ny Polisy”, hanoherana ny 30 taona nitondran'olo-tokana nanjakan'ny Filoha Muhammad Hosni Mubarak. Maro amin'ny mpitazana no nahatsikaritra ny fahabangan'ny tatitra ataon'ny gazety be mpanaraka, saingy nanangona andian-dahatsary ao amin'ny Youtube kosa ny olo-tsotra.
Ejipta: Taorian'ny Twitter, Voasakana koa Ankehitriny ny Facebook
Nosakanan'i Ejipta koa androany ny fidirana amin'ny Facebook, tafiditra ao anatin'ireo fangiàzana ny fivezivezen'ny vaovao ataony, taorian'ny hetsi-panoherana omaly. Omaly ihany koa, nosakanany ny fidirana amin'ny Twitter, nokorontanina ny fifandraisana tamin'ny finday tamin'ireo faritra nifamorian'ny mpanao fihetsiketsehana, ary nobahanana ny fahafahana mandefa video mivantana tao amin'ny tranonkala Bambuser.
Afrika: Mety ho Afrikana ve ny fotsy hoditra? – Tapany 1
Mety ho Afrikana ve ny fotsy hoditra? ,tsy dia mino an'izany loatra i Sentletse Diakanyo, Afrikana tatsimo mpitoraka bilaogy . Hoy izy, "raha ara tantara, tsy sarotra mihitsy ny dikan'ny teny hoe "Afrikana". Ho an'ny Afrikana amin'izao fotoana, mbola tsy sarotra ihany koa ny dikan'izany. Ny Afrikana manerana ny kaontinanta sy ny ampielezana kosa no nahalala efa ela ny dikan'izany manohatra azy ho mainty hoditra."
Ejipta: Ny Hetsiky ny 25 Janoary an-tsary
Mahalaza betsaka noho ny tweets an'arivony ny sary iray, indrindra rehefa hoe voasakana ny Twitter ao Ejipta mba hanakanana ny fampitana vaovao mikasika ny fihetsiketsehana mitranga eto Ejipta androany
Israely/Palestina: Fanehoan-kevitra momba ny Antontan-taratasin'i Palestina
Androany ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy dia namoaka ny voalohany indrindra amin'ireo antontan-taratasy anatiny efa maherin'ny 1,600 avy amin'ny dingana ho fikatsahana fandriampahalemana teo amin'i Israely sy Palestina, nomena anarana hoe “Antontan-taratasin'i Palestina.” Ireo taratasy navoaka androany dia namoaka ho fanta-bahoaka ny fifanarahana miafina maromaro nifanaovan'ny Lehiben'ny mpanelanelana OLP,...