Fantaro ireo sakafo Malagasy manana ny lazany

Les Menakely, une des spécialités de la cuisine malgache. Photo de Mamisoa Raveloaritiana Menakely, anisan’ny mampiavaka ny sakafo malagasy. Sary avy amin'i Mamisoa Raveloaritiana

Mampiavaka ny sakafo malagasy ireo nahandro maro isan-karazany indrindra noho ireo zava-manitra betsaka ananan’ny firenena.

Mahasarika ireo mpizaha tany i Madagasikara, antsoina koa hoe “Nosy Mena”, manondro ny tanimena mandoko ny lembalembany, noho ireo tora-pasika tsara tarehy sy ny masoandro, ary koa noho ny fahaiza-mahandro malaza izay manambatra ireo fahaizana manokana nasionaly, sy isam-paritra.

Raha te hahalala bebe kokoa momba an'i Madagasikara dia vakio ny tatitra manokana: Madagasikara, fiarahamonina tsy marin-toerana

Firenena nosy tropikaly sady nosy fahefatra lehibe indrindra eran-tany, feno voankazo sy legioma ary hazan-dranomasina i Madagasikara. Ny sakafo malagasy dia taratry ny tantara nampifangaro ny fitaoman’ireo mpifindra monina Indiana, Azia Atsimo Atsinanana, Arabo, Afrikana ary Sinoa izay nanorim-ponenana teto Madagasikara taloha kokoa, tany amin’ny andian-taona 1800. Nandritra ny fanjanahan-tany frantsay (1897-1946), nisy akony tamin’ny nahandro malagasy ihany koa ny sakafo frantsay. Izany rehetra izany no manampy amin'ny fahasamihafan'ny sakafon'ny Nosy.

Sakafo tsy azo ihodivirana eto Madagasikara

Ny vary no foto-tsakafo eto Madagasikara. Mihinam-bary in-telo isan’andro ny Malagasy mandavan-taona, ka anisan’ny mpihinam-bary betsaka indrindra maneran-tany. Aroso miaraka amin'ny laoka matetika io sakafo fototra io, ka mety ho zava-maniry na misy henambiby. Matetika ampiana taharo toy ny sakamalaho, tongolo be, tongolo gasyvoatabia, lavanilasirakaria, na zava-manitra na anana hafa ireo nahandro ireo mba hanomezana tsiron-tsakafo kokoa ho an'ny vary.

Misy karazany roa ny vary masaka: vary antsoina hoe vary sosoa (karazana vary lasopy, vary malefaka), sy vary maina. Ny vary sosoa amin’ny ankapobeny no hohanina amin’ny maraina mba hanombohana tsara ny andro sy hohanina ny sakafo hariva, raha hohanina amin’ny sakafo atoandro kosa ny vary maina.

Misy ihany koa ny vary amin’anana, fitambaran’ny vary sy anana maitso. Mampiseho ny fomba fahandro azy ity lahatsary ity:

Anisan’ny sakafo mampiavaka ny malagasy ny koba ravina. Mofo mamy sy malefaka vita amin'ny lafarinina varimbazaha, akondro sy siramamy, nofonosina ravina akondro. Atao tsindrin-tsakafo na sakafo maivana (goûter) izy io. Tsindrin-tsakafo nentim-paharazana hita amin'ny sakafon'ireo mpahay nahandro kalaza ihany koa izy.

Malaza any amin’ny tanàna sasany ireo manam-pahaizana manokana amin’io sakafo sarotra karakaraina io. Talata Volonondry, fokontany ambanivohitra any amin’ny roapolo kilometatra avaratr’Antananarivo renivohitr’i Madagasikara no malaza amin’ny fomba fanamboarana azy.

Lahatsary mampiseho ny fomba fikarakarana koba ravina:

Mampalaza ny sakafo malagasy ihany koa ireto nahandro roa hafa mitovy fomba fikarakarana nefa samy hafa tsiro ireto. Vita amin’ny kobam-bary avela hilòna mandritra ny alina ary ahandroana amin’ny afo kitay ao anaty lasitra.

Mofom-bary mamy ny Mokary na mofo gasy, atao sakafo maraina indrindra. Aroso mafana na mangatsiaka, ary ampiarahina amin’ny kafe na dite. Ny Ramanonaka kosa dia mokary na mofo gasy masira saingy azo ampiana tsiro hafa toy ny lavanila, sôkôla na voaniho.

Ramanonaka. Sary avy amin'i Mamisoa Raveloaritiana 

Iray amin'ireo sakafo lehibe malaza ny Romazava. Laoka nentim-paharazana saingy manana toerana tsy iadian-kevitra amin'ny nahandrom-paritra. Fitambaran'ny henan'omby, indraindray makamba, trondro ary anana mafana na anamalaho.

Aroso miaraka amin’ny vary fotsy ny Romazava. Manana tsiro manokana avoakan'ny anamalaho, ka tsapa ny tsiro somary masiaka. Arakaraka ny maha betsaka ny anamalaho no vao mainka mahery izany fahatsapana izany. Azo soloina epinara ity taharo ity.

Lahatsary mampiseho ny fomba fikarakarana azy:

Tsy inona akory fa ravin-mangahazo malefaka totoina amin’ny laona na fitotoana hena ny Ravitoto. Matetika afangaro amin’ny henan-kisoa matavy na ranom-boaniho voakiky izy. Ary asiana tongolo gasy. Miaraka amin'ny lasary voatabia kely voaravaka persily, natao hohanina miaraka amin'ny vary ny ravitoto. Sakafo saro-devonina indraindray ny ravitoto ka tsara raha asiana siramamy iray sotrokely.

Ravitoto, miaraka amin'ny vary fotsy sy lasary voatabia. Sary tao amin'ny bilaogin'ny Travel Inspires

Ny Ranon’ampango na Ranovola (midika hoe “rano miloko volamena”) dia zava-pisotro nentim-paharazana malaza eto Madagasikara, izay matetika antsoina hoe zava-pisotro nasionaly. Karazana rano vita amin'ny vary maina izy. Sotroina amin'ny fotoana fisakafoana ary ankafizina noho izy mitondra soa ny ranovola.

Ny Ranovola dia azo avy amin’ny fahandroana vary miraikitra amin’ny fanambanin’ny vilany izay niniana nodorana. Fantatra fa manitra ny vary amin'izany fotoana izany. Rehefa masaka ny vary ka esorina ao anaty vilany, dia misy sosona vary may miraikitra ambanin'ny vilany, io no antsoina hoe “apango” ka nahatonga no anarana hoe “ranon'ampango”. Asiana rano fotsiny izy avy eo dia vonona ny ranovola rehefa miloko volamena ny rano.

 

Ranon'ampango ou ranovola. Sary nahazoana alalana avy amin'ny Pays Madagascar.

Anisan’ny vakoka ara-tsakafo malagasy ny voanjobory. Tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ihany no ambolena ity zava-maniry karazana voamaina ity, ary manankarena proteinina sy otrikaina. Matetika aroso miaraka amin'ny vary ho an'ny sakafo atoandro ary amin'ny ankapobeny miaraka amin'ny henan-kisoa na henan'omby na saosisy. Sakafo nentim-paharazana ny voanjobory miaraka amin'ny anana toy ny romazava. Misy karazany roa ny voanjobory: ny voanjobory lena sy ny voanjobory maina.

Lahatsary mampiseho ny fikarakarana voanjobory:

Ahitana sakafo matsiro eto Madagasikara izay miovaova arakaraka ny faritra. Noho izany dia toerana mety tsara ho an'ireo mpankafy nahandro tsara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.