Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Desambra, 2014
Tanora 17 Taona Lasibatry ny Fanolanana Mitaky Rariny Nahazo Vahana ao Nepal
Niteraka resa-be tao amin'ny firenena be tendrombohitra ny taratasy misokatra iray nosoratan'i Puja Bohara, niharam-boinan'ny kapo-dahy tao Nepal, izay firenena anjakan'ny karazan-kerisetra mihatra amin'ny vehivav
Ho An'ny Kiobàna Mpanohitra, Midika Fanantenana, Tahotra Ary Hatezerana Ny Famitranam-pihavànana USA-Kiobà.
"Tsy solosaina iray akory i Kiobà ka hoe azonao ametrahana rindram-baiko iray vaovao dia antenaina hiova ny fiasàny," hoy ny olona iray malaza amin'ny fiaraovana ny zon'oloòbelona.
Hetsi-Panoherana Faobe Tsy Fahita Firy Tao Pakistan Hanoherana ny Radikalisma
Taorian'ilay fanafihana mampihoronkoditra nahafatesan'ny mpianatra mihoatra ny 130 tao amin'ny sekoly iray tantanin'ny tafika tao Peshawar, dia nisy mpitondra fivavahana iray manahirana ny mieritreritra azy tsy nety nanameloka ny famonoana ka niteraka hetsi-panoherana izany.
Nahoana No Lasa Teny Japoney Malaza Indrindra Ho An'ny Taona 2014, Ny Hoe ‘Filàm-baniny Amin'ny Fiterahana’
Na dia mihatsara tsikelikely aza ny toeran'ireo vehivavy ao amin'ny fiarahamonina Japôney, mbola olana henjana ny filàm-baniny amin'ny fiterahana. Vao haingana ny Fitsaràna Avon'i Japana no namoaka didy ahazoan'ny olona iharan'ny filàm-baniny amin'ny fiterahana tombony,
Tiorkia : Miha Sarotra Afenina Ny Olan'ny Fitombon'ny Kolikoly
Namoaka ny Tondron'ny Fahitàna ny Kolikoly fanaony isan-taona ny Transparency International. Ny isa dimy nidinan'ny laharan'i Tiorkia no lehibe indrindra ampitahaina amin'ireo firenena hafa rehetra.
Ireo Tantara 14 Nalaza Indrindra tato Tamin'ity Taona 2014 ity?
Tamin'ity taona ity izahay nifantoka tamin'ny maizimaizina tao amin'ireo fandisoam-baovao tamin'ireo tantara nankalazaina hatraiza hatraiza, ary nanohy hampivoaka amin'ny mazava amin'ireo tantara tsy mba misy mpitatitra manerana izao tontolo izao.
“Espaina Fanjakàn'ny Kolikoly” : Mpisera Mamelaka Tehamaina Ny Hetran'ny Google News
Nanambara ny Google News fa hampitsahatra ny asa fanampiny ataony amin'ny teny Espaniôla manomboka ny andron'ny 16 Desambra 2014 ilay lalàna vaovao mifehy ny Fizakamànana ara-tsaina ao Espaina
Sary Mampihomehy an'Aterineto Manohitra ny Famonoana Tantsaha Iray Manohitra ny Fitrandrahana Varahina any Myanmar
Nampiasa ny kisarisary mahatsikaiky malaza amin'ny aterineto ireo tezitra tamin'ny fitifirana nahafaty ilay vehivavy iray nanohitra ny tetikasam-pitrandrahana mba hanondroana ny fahaketrenan'ny raharaha.
Tamin'ny Fampisehoana Voalohany Ilay Sarimihetsika Tany Lôndôna, Milaza Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Fa any Thailandy No Tena Misy Ny “Lalaon'ny Hanohanana”
Nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny fampisehoana voalohany an'ilay sarimihetsika malaza "Hunger Games" ireo Thai mpianatra any Lôndôna, hisarihana ny saina amin'ireo rahona mianjady amin'ny demôkrasia amin'ny fiainana tena izy any amin'ny tanindrazan'izy ireo.
Dr. Mukwege avy ao RDC : ‘Ahoana no Fangina’ Rehefa Miatrika Herisetra Ara-Nofo?
Nampihetsi-po ny sasantsasany amin'ireo mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana ny Dr. Denis Mukwege nandritra ny kabarim-panekena ny loka Sakharov 2014 nandritra ny Andro Iraisampirenena Hamongorana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy.