· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Aogositra, 2012

Espaina: “Tsy Fankatoavana Ara-Pahasalamana” Noho Ny Fepetran'ny Fitsitsiana

  31 Aogositra 2012

 Nanangana sehatra entina hanoherana ny fanavaozana ara-pahasalamana natao vao haingana ny vondrona tsy miankin'ny mpiasan'ny fahasalamana sy ny mpandray anjara amin'ny hopitalim-panjakana. Nomena anarana hoe”Eny hoy aho ho an'ny fahasalaman'ny daholobe” (@Yosisanidaduniv) [es] ny hetsika ary ny foto-kevi-dehibe ijoroany dia ny “tsy fanekena” sy ny fanoherana ny Lalàna 16/2012 novolavolain'ny...

Québec : Fifidianana Solombavambahoaka Mafampàna Taorian'ny Lohataona “québécois”

  31 Aogositra 2012

Hatao amin'ny 4 Septambra 2012 izao ny fifidianana solombavam-bahoaka 2012 any Quebec. Hifidianana ireo solombavambahoaka andiany faha-40 ho ao amin'ny Antenimieram-pirenen'i Québec izy io. Ireo fitsapan-kevitra farany dia maneho fa ireo mpitaky fizakan-tena avy amin'ny antoko Parti Québécois (PQ) no mitarika. Ny adin'ny mpirahalahy eo amin'ny federalista sy ny mpitaky fizakan-tena no nandrafitra hatry ny fiainana ara-politikan'i Québec. Maneho hevitra momba ilay fitsapan-kevitra, herinandro vitsy mialoha ny fifidianana Ireo mpikirakira aterineto ao Québec.

Angola: Mandany Vola Be Any Portiogaly Ireo Angole Mpizaha Tany

  30 Aogositra 2012

'Tsikelikely no ahitantsika fa ny vola Angole dia manomboka mahazo vahana amin'ny fandraharahana sy ny sehatra ara-toekarena any Portiogalyl.' Araka ny fijerin'ny mpiampiasa aterineto iray dia tena fifanoherana tanteraka izany ho an'ny 70%n'ny mponina any Angola izay tsy mikiraro, voky rivotra,(ary) miaina anaty trano tsizarizary.

Frantsa, Libanona, Syria : Ny Dia Tsy Mampinon'ny Sidina Parisy-Beyrouth

Niala tamin'ny mahazatra ny sidina Air France Paris-Beyrouth tamin'ny 15 aogositra 2012 : izay nahitàna ny masoivohon'i Frantsa ao Libanona, sy olona ambony mpanohitra an'i Bachar al Assad tao anatin'ireo mpandeha taminy, navily nankany Damas mba hameno solika ! Hiverenantsika kely ity dia feno zava-tsy nampoizina nifamahofaho ity, izay niteraka onja ara-politika vitsivitsy.

Zambia: Ravan'ny Polisy Mialoha Ny Fanafihana Fankahalana Vahiny Saika Natao Tamin'ireo Kongole Mpivarotra

  25 Aogositra 2012

Nanakana izay azo lazaina ho valifaty mety nitarika fahafatesana maro sy fanafihana noho ny fankahalana teratany vahiny saiky natao an'ireo teratany avy amin'ny mpiray vodirindrina aminy, Repoblika Demokratikan'i Kongo, monina any Zambia, taorian'ny fandoran-ko faty ny mpamily Zambiana iray tany amin'ny tanàna Kongole any amin'ny sisintany any Kasumbalesa, izay nahatafiditra azy taminà loza iray nahafatesana olona roa, ny sampana mpampihatra ny lalàna Zambiana teo anelanelan'ny 7 - 10 Jolay.