Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Febroary, 2016
Makedoniàna Manao Hetsi-panoherana Hiarovana Ny Lalàm-panorenana Amin'ny Fitsaràna Avon'ny Lalàm-panorenana
"Raha ny fahitàna azy, dia toa ara-dalàna tanteraka ny fanaovana hosoka amin'ny fifidianana, ary na inona na inona heloka vitanao, rehefa mbola ny fitsaràna no manaiky azy"
Herisetra Ara-nofo, Heloka Bevava Atao Amin'ny Zanak'Olombelona : Didy Manantantara Navoakan'i Goatemalà
Taminà didimpitsaràna iray manantantara, nelohin'ny fitsaràna iray tao Goatemalà ho namono olona, nanolana ary nanandevo ireo vehivavy vazimba teratany ireo miaramila fahiny, tamin'ny fanasokajiana ireo heloka ireo ho heloka bevava atao amin'ny zanak'olombelona
Barber Show : Andian-tantàra Anaty Tranonkala, Ahitàna Olompirenena Maro, Ary Feno Hatsikana Momba Ireo Afrikàna Am-pielezana Ao Parisy
Barber Show, varavarankely iray ho an'ireo Afrikàna am-pielezana ao Parisy.
Nampanantena Ny Hetsika Fa Hiverina Indray Hitaky Ny Fitaterana Maimaimpoana Ao São Paulo Amin'ny Faran'ny Volana Febroary
Horaisin'ny fikambanana an-tanana hatrany amin'ny fakany indray ny raharaha miaraka amin'izay mety ho mpiara-miombon'antoka, sy ny handefa araka izay tratra ny fampahafantarana hanomanana fihetsiketsehana lehibe ahafahana manome aina vao indray ny hetsika ataon'izy ireo.
Veracruz, Tanànan'ny Loza Rehetra Ho An'ireo Meksikàna Mpanao Gazety : 18 No Maty Hatramin'ny 2000
Tonga manatevina ny lisitra mampalahelo ananan'ilay firenena tena mampidi-doza indrindra ho an'ny mpanao gazety ao Amerika Latina, Meksika, ny famonoana an'i Anabel Flores
Polisy Ao Albania Mampiasa Hery Amin'ireo Mpanao Fihetsehana Miaro Ny Hany Sisa Mba Kianja Maitso Tavela Ho An'ny Daholobe Ao An-drenivohitra
Re nandrahona azy ireo ny manampahefana iray tao amin'ny polisy niteny hoe "Hisy rà mandriaka eto !"
Fotoam-pitsaràna Iray Manantantara Ho An'ireo Vehivavy Ao Goatemalà
Ao Goatemalà, ezaka ataon'ireo vehivavy maya-q'eqchie's ny hanamelohana ireo miaramila tomponandraikitra tamin'ny herisetra ara-nofo sy ny fitondra tsy mendrika ny maha-olona, feno habibiana ary manetry nanjo azy ireo teo anelanelan'ny 1982 sy 1983, nandritry ny ady anatiny mitam-piadiana tao amin'ny fireneny.
Faha-50 Taonan'ny Nidabohan'ireo Baomba Nokleary Amerikàna Tao Espaina
Ny 17 Janoary lasa teo, nankalazaina ny faha-50 taonan'ny tranga iray tsy dia misy mahafantatra loatra ivelan'i Espaina.
Very Fijery Miabo Ny Filohan'i Kazakhstan Mandre Ny Lakolosim-Patin'ny Vola Tenge
"Heverina fa fotoana izao ny hanondranana zezika ôrganika. Tondro manana ny hoaviny tokoa izy io rehefa hita fa lalina tokoa isika ankehitriny eo amin'ny sehatry ny diky."
Ary Hitan'ny Filohan'i Venezoelà Ny Facebook 10 Taona Taty Aoriana
“Te-hanamafy ny asako manokana amin'ny tambajotra sosialy aho ary manomboka androany dia hanoratra ao amin'ny kaontiko Facebook”, hoy ny fanambaran'ny filohan'i Venezoelà nandritra ny "dingana voalohany" nidirany tamin'ny tambajotra. Ary dia toy izao ny zava-nitranga.