· Janoary, 2010

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Janoary, 2010

Voafantina hofidiana hahazo loka Game Changer ny Global Voices Online

27 Janoary 2010

Vao voafantina hisafidianana anatin'ny dingana famaranana ao anatin'ny Loka We Media Game Changer 2010 (loka We Media mpanova lalao 2010) ny Global Voices Online. Voafantina ao anatin'ny lisitry ny olotsotra, tetikasa ary fikambanana voafantin'ny valam-piarahamonina ankapobe We Media ny GVO. Hoy manko ny We Media: Mitarika ny olona ho amin'ny...

Haiti: Manavotra ny velona, Mitady ny tsy hita

  17 Janoary 2010

Ireto misy tambajotra sy tahirin-kevitra vitsivitsy eto amin'ny aterineto izay netsehina tato anatin'ny andro vitsivitsy hanampiana ireo fianakaviana avy any ivelan'ny faritra hitady ny havany sy handefasana mivantana ireo fanampiana vonjitaitra ho any amin'ireo niharam-boina, izay maro no mbola tototra any ambanin'ny tranon'izy ireo izay nirodana.

Madagasikara tamin'iny taona iny – Fizarana fahatelo -

  07 Janoary 2010

Teo alohaloha teo moa i Lova Rakotomalala no nanoratra ho antsika ny Madagasikara nandritra ireo volana niatombohan'ny taona 2009 izay tonga hatrany amin'ny fanonganam-panjakana nataon'i Andry Rajoelina, Ben'ny tanànan’ Antananarivo teo aloha, ka nahatafakatra azy ho eo amin'ny fitondrana. Narahin'i Mialy tamin'ny volana vitsivitsy manaraka ny fitantarana, izay mbola nahitana...

Sakanan'i Tunisia sy Bahrain ireo takelaka manokan'ny olona ao amin'ny Twitter i

GV Mpisolovava  06 Janoary 2010

Voalohany indrindra, nisy ny   governemanta nanakana ny Blogspot. Avy eo  dia nosakanan'izy ireo ny Facebook, vita izay dia ny Twitter. Ary vao nanomboka nampiaka-peo ireo mpanjifa ny vokatra teknolojika eran-tany, dia nisy governemanta roa naneho fahendrena kely ka nanova ny fomba fanivanany ireo media ara-tsosialy ka, naleony nisakana manokana...

Jeritodika RSF 2009: Maherin'ny 100 ireo mpitoraka blaogy sy “mazan-dohan'ny aterineto [cyber-dissidents]” nofonjàna

  06 Janoary 2010

Ny ‘Reporters Without Borders’, na ‘Reporters sans frontières’  dia namoaka angom-baovao ho an'ny faran'ny taona 2009 tamin'ny 30 Desambra 2009. Mpitoraka blaogy 151 sy “mazan-dohan'ny aterineto  [cyber-dissidents]” no nosamborina, 61 no nanaovana herisetra ara-batana ary iray no maty tany am-ponja tamin'ny 2009. Raha ampitahaina amin'ny 2008, tafakatra hatramin'ny 155% ny...

Alzeria, nirotsaka an-dahàrana amin'ny adin'ny fanivànana

  05 Janoary 2010

Alzeria no firenena farany indrindra nirotsaka nanatevin-daharana ireo mpanivana  ny aterineto, mba tsy hanaovana bango tokana  an'i Iraka, Egipta, Libia sy Libanona. Herinandro lasa izay no nisy tatitra momba ny vohikala voasakana, rehefa nitatitra ny momba ny www.rachad.org ireo mpampiasa Twitter, hoe voasakana ny vohikalan'ny hetsika ara-politika Mouvement Rachad. Nanomboka...

Tamberina 2009 teto Madagasikara – fizarana faharoa -

  04 Janoary 2010

Lova Rakotomalala, tao amin'ny topimaso nosoratany nandritra ny volana vitsivitsy fiandohan'ny taona 2009 teto Madagasikara, tapany voalohany amin'ny fizarana telo nosoratany, no nitantara ny nahatongavan'i Andry Rajoelina, Ben'ny tanànan'Antananarivo teo aloha, hahazo ny fahefana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana. Hotohizantsika teo amin'ny niatoan'i Lova ny raharaha. May 2009 no nahitana ny fanoherana...