Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Novambra, 2022
33 taona lasa izay no nanomboka teny an-dalamben'i Prague ny Revolisiona Volory
33 taona taorian'ny revolisiona volorin'i Novambra 1989 izay namarana ny Komonisma tao Czechoslovakia, miara-mahatsiaro ny nanombohan'ny mpianatra hetsi-panoherana izay namadika ny pejin'ny tantara ny [eny] an-dalamben'i Prague.
Mitady Tonia hitarika ny fanangonam-baovao Okraina ny Global Voices
Mpanoratra sady tonian-dahatsoratra manana fahatakarana lalina sy fahalianana momba ny lafiny rehetra ao Okraina ve ianao? Mientanentana ve ianao amin'ny famolavolana hevitra ho tantara, ranty media sosialy, ary famoahana ranty hafa amin'ny vondron'olona samihafa? Raha mamaly “eny” amin'ireo fanontaniana etsy ambony ianao, dia mety hihevitra ny hisoratra ho eo...
Olona pelaka mandositra an'i Azerbaijan: Manirery, saingy afaka
Na dia teo aza ny tsy fisian'ny antoka ho fiarovana azy, dia naka risika i Banu ary nifindra tany Georgia izay nitadiavany asa sy nankafizany ny fahafahany.
Mitaky ny rariny ny vondrona fiarahamonim-pirenena taorian'ny nahafatesan'ny mpampita radio iray tao Filipina
“... nahatonga ny mpanao gazety ho lasibatra mora ho an'ireo vondrona manana tombontsoa izay te hanafina ny marina ny kolontsain'ny tsimatimanota ao amin'ny firenena .”
Fifandirana vaovao eo amin'i Kôsôvô sy Serbia, resaka takelaka vaovao fahazoandàlana hitondra fiara, tsy nahomby ny fanelanelanan'ny Vondrona Eorôpeàna
Takian'i Kôsôvô ny hialàn'ireo Serba vitsy an'isa amin'ireo takelaka fahazoandàlana mitondra fiara nomen'i Serbia, anatin'ny fotoana izay tsy ankatoavan'i Serbia ny fahaleovantenan'i Kôsôvô
Nampiato ny kaonty mifandray amin'ny governemanta Kiobàna ny Twitter sy Facebook
Sambany tao Kiobà, nanamarika ny kaonty sasany ho "mifandray amin'ny governemanta" ihany koa ny Twitter.
Global Voices, mitady toniandahatsoratra hitarika ny fandrakofam-baovaonay ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara
Mpanoratra no sady toniandahatsoratra ve ianao, manana fahatakarana lalina sy fahalianana momba ireo endrika rehetran'ny faritra Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara ? Mientanentana amin'ny famolavolana hevitra havadika ho tantara, lahatsoratra ho an'ny media sôsialy, sy famoahana lahatsoratra hafa iarahana amina vondrom-piarahamonina marolafy? Raha “eny” no havalinao...
Mitaky fomba fandray tsaratsara kokoa atao an'ireo mpifindra monina sy olona LGBTQ+ ao Qatar ny ekipa Aostraliàna milalao amin'ny Fiadiana ny Amboara Erantany
Lahatsary iray mahery vaika manasongadina ny fanitsakitsahana zon'olombelona manjo ireo mpiasa sy ny vondrom-piarahamonin'ny LGBTQ+ ao amin'ilay firenena no navoakan'ireo Aostraliàna mpilalao baolina kitra mandray anjara amin'ny FIFA World Cup 2022 atao ao Qatar
Ho fahatsiarovana an'i Moshe Ha Elion, Jiosy Sefarady, mpanoratra, tafavoaka velona tamin'ilay Famonoana Tambabe (Haulocaust) tao Thessaloniki
Moshe Ha Elion dia teraka tamin'ny 1925 tao Thessaloniki; tafavoaka velona tamin'ilay Famonoana Tambabe izy, ary malaza be amin'ireo bokiny sy hirany amin'ny fiteny Ladino natao hahatsiarovana ny fahorian'ireo niharam-boina tany amin'ireo toby Nazi natao ho famonoana.
Tsy ampy azy Okraina : avoitran'ny fanadihadiana iray ny tetika ataon'i Rosia hakàna ny fifehezana an'i Môldavia
Hazavain'ny RISE Moldova, vondrona mpanao gazety mpanao fanadihadiana, ny fomba ataon'i Maosko hividianana fitaomana ara-pôlitika ao amin'ity firenena miray sisintany amin'i Okraina ity, lasa dingana mavesa-danja amin'ny fanitaran'ny Rosiàna