· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Aogositra, 2009

Sina: Tanora iray voadaroka mandra-pahafatiny noho ny fiankinan-doha amin'ny aterineto

  21 Aogositra 2009

Tamin'ny volana ambony, ny Ministera Sinoa momba ny Fahasalamana dia nilaza fa ny fampiasana herinaratra [electroshock treatment] hitsaboana ny “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia tokony hatsahatra. Na izany aza anefa, tsy nidika izany fa ny toeram-pitsaboana mitsabo ny “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia nampitsahatra ny fampiasana fampijaliana.

USA: “Ho roahina hody aho amin'ny Alarobia”

  18 Aogositra 2009

Herta Llusho dia mpianatra vao 19 taona mety ho voaroaka hiala an'i Etazonia hody any Albania amin'ny Alarobia 19 Aogositra. Mpitoraka blaogy maro ao amin'ny DreamActivist.org sy blaogy maro hafa ho an'ny zon'ny mpifindra monina no miantso ny Amerikana mba hanampy azy.

Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”

  16 Aogositra 2009

Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane, tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka tamin'ilay gazety mpivoaka isan'andro Le Monde ireo gazetiboky ireo, izay niantsoany ireo olontsotra Maraokana hanome ny hevitr'izy ireo amin'ny fitondram-panjaka...

iran:twitter sy facebook notsaraina

  14 Aogositra 2009

Omaly, niditra tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny fitsarana ireo mpanohitra sy mpanao politika refôrmista [mpitaky fiovana]  ny manampahefana iraniana. Tamin'ireo voapanga tamin'ity andiany ity dia nahitàna  vehivavy frantsay iray  24 taona, Clotilde Reiss, nampangaina ho nanao asa fitsikilovana. Saiky ny ankamaroan'ireo voapanga no voatondro ho nitarika ny olona hikomy sy manohitohina...

Taiwan: Potiky ny rivodoza Morakot ny faritra atsimon'i Taiwan

  13 Aogositra 2009

Nandalo tany Taiwan ny rivo-doza Morakot ny 07 aogositra 2009 lasa teo. Nampirisika ny mponina tany amin'ny faritra avaratra hiomana amin'ny fiavian'ny orambe sy ny rivotra mahery ny biraon'ny famantarana ny toetr'andro tany an-toerana. Kanjo ny faritra atsimo no nitondra faisana tamin'ny tondra-drano sy ny fahasimban'ny fambolena raha nampitahaina tamin'ny...

Angola : Nisy namono ny solombavambahoaka avy ao amin'ny antoko matanjaka iray

  13 Aogositra 2009

Notairin'ny herisetra indray i Angola ny alin'ny faha-29 volana Jolay lasa teo. Notifirin'ny olona telo lahy tany amin'ny sisin'ny renivohitra Luanda i Beatriz Salucombo, solombavam-bahoaka avy ao amin'ny antoko politika mitondra MPLA sy ny anadahiny Antonio Neves, tompon'andraikitra ao amin'ny sampana mikarakara ireo vahiny sy mpifindra monina (SME). Bala maro...

Put it On: Fifaninanana ho an’ireo mpamokatra sarimihetsika

  13 Aogositra 2009

Ny fifaninanana Put It On Picture Show dia mety hahazoana vatsim-pianaranana hianatra any amin’ny New York Film Academy ary ihany koa loka mitentina 5000 dollars amerikanina, ho an’ny court métrage tsara indrindra, na ho an’ny long métrage tsara indrindra, ary koa ho an’ny mpaneho an-tsehatra [interpretation ] mendrika indrindra [Andoavambola ity andiany ity]