· Septambra, 2009

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Septambra, 2009

Inde: Onjan'ny famonoan-tena ao amin'ny tantsaha

  25 Septambra 2009

Miha mandray fepetra hentitra tsikelikely ny tantsaha Indiana, ao anatin'izany ny famonoan-tena, hitsoahana ny fahasarotan'ny olan'ny fahantrana, ny tsy fahombiazan'ny voly sy ny fitombon'ny trosa.Mandinika ny zava-misy ny mpampiasa blaogy Indiana.

Egypta: Gamal Mubarak … Fa nahoana no tsy izy?

  22 Septambra 2009

Nifanojo ny  fandraisana an-tànana nataon”i Sharek sy ny an'i Gamal Murbak, nanapaka hevitra ny hanao ny fampielezan-kevitra amin'ny fombany manokana [AR] ho an'i Gamal Murbak ity mpihira Egyptiana iray Mohsen El Sayad Gamal Mubarak . Leih Maye7komshi (Maninona izy no tsy natao hitondra?) no lohatenin'ny hira ary Wa7da Masreya manoritra...

Sina: Fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana Han

  22 Septambra 2009

"Tao anatin'ny Fandaharan'asan'ny antoko komionista sinoa, tsy ny foko vitsy an'isa ihany no tsy nanana zo ara-pivavahana fa ny avy amin'ny maro an'isa Han koa aza...Amin'ny maha teraka Han sy nanalehibiazana ahy teto Sina, tsy mahita izany antsoina hoe fitiavan-tanindrazana mihoam-pampana Han izany izahay!"

Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika

  17 Septambra 2009

Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana...