Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Jona, 2020
Ampiarahana amin'ny fanakatonana gazety ny ady amin'ny COVID-19 ao Afovoany-Atsinanana
Ho ampahany amin'ireo fepetra hiadiana amin'ny COVID-19, i Jordania, i Oman, i Maraoka, ary i Emirà Arabo mitambatra sy i Yémen dia samy nandràra avokoa ny gazety an-tsoratra mandra-pisian'ny toromarika vaovao indray.
India : Sakafo Indiàna tsara voatra atolotr'ireo sefo ao amin'ny Youtube
Noho ny fizaràna ny fomba fahandrony amin'ny fomba hita maso sy atao antsipirihany, mitombo be ao amin'ny Youtube ny lazan'ireo sefo indiàna mpahandro ao India sy any an-toerana hafa.
Fanontaniana & Valiny: Fantaro i Walis Taywang, mpikatroka ho an'ny fiteny Seediq
Fantaro misimisy kokoa i Walis Taywang. Izy no hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 01-07 Jolay 2020 ary hiresaka momba ny asa ataony ho an'ny fiteny Seediq ampiasina ao Taiwan
Ny “Asado” orogoaiàna , mihoatra lavitra noho ny resaka kitonotono
Tsy misy, na zara fa misy, olona mikarakara kitonotono ho an'ny tenany samirery. Io mariky ny finamànana io dia mitondra ny olona hifanatri-tava, mampifanatona ireo rehetra nifanalavitra noho ny antony maro isankarazany.
Jona 2020, iray volan'ny #BLM ao Japàna
Ny volana Jona, nitranga tany aminà tanàna isankarazany manerana an'i Japàna ireo famoriambahoaka "Black Lives Matter", tafiditra ho isan'ny fanehoana firaisankina erantany miaraka amin'ireo mpanao hetsipanoherana ao Etazonia sy any amin'ireo firenena hafa.
Feminista sy mpiaro mpiasa ao Meksika, miatrika andiam-pisamborana sy fampidirana am-ponja
Fandrahonana, fisamborana ary fampidirana am-ponja no nitranga tao anatin'ny 15 andro latsaka.
Mamorona fitaovana anti-viriosy vita an-toerana i Mozambika
Notoroan'ny governemanta ny vahoaka hanamboatra maska vita ao an-toerana amin'ny fampiasana capulanas – fitafy nentim-paharazana Mozambikana anaovan'ny vehivavy amin'ny ankapobeny – sy ireo fitaovana hafa efa mety ho vonona avy hatrany.
Fanontaniana&Valiny: Fantaro i Ilham Nurwansah, mpikatroka ho an'ny fiteny Sundanese
Fantaro i Ilham Nurwansah, mpampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 24-30 Jona 2020. Hozarainy amintsika ny asa ataony ho an'ny fiteny Sundanese ifampiresahana ao Indonezia.
Mialoha ny fifidianana, milaza ho manavotra ny vahoaka hiala amin'ny vahohon'ireo dinôzôro ilay antoko mitàna ny lohany ao Serbia
"Rehefa tsy voaloanao ny hofantrano, ny hany sisa azonao atao dia mamorona milina iray hiverenana ao anatin'ny fotoana, handehanana mihemotra ary handehanana hifidy"
Hagagàna tamin'ny tsy nanavaozan'ny Praiminisitr'i Papua New Guinea ny lisansa fitrandrahana volamena ho an'ny orinasa goavana iray
Niteraka adihevitra mafana amin'ny fiantraikany ara-toekarena sy ny hoavin'ny sehatra fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ao Papua New Guinea ny fahapahan-kevitra tsy hanavao ny fifanarahana amin'ny sehatra fitrandrahana harena ankibon'ny tany goavana iray.