· Novambra, 2008

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Novambra, 2008

Andro iadiana amin'ny SIDA manerantany: Ireo mitondra ny tsimok'aretina

  30 Novambra 2008

Ity taona ity no manamarika ny faha-20 taona ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA izay tanterahina isaky ny voalohany volana Desambra. Na dia tsapan'ny olona anarivoarivony amin'ny ankapobeny isan'andro aza ny fiantraikan'ny VIH sy ny SIDA dia ity kosa ny andro manokana hamphafantarana bebe kokoa ny amin'ity aretina ity. Ny...

India: Ny fanafihan'ny mpampihorohoro ao Mumbai

  28 Novambra 2008

Hita taratra mazava any amin'ny tontolon'ny bolongana ny hatezerana mihatra amin'ny fantsom-baovao amin'ny fomba fitantarany ny fanafihan'ny mpampihorohoro an'i Mumbai. Ho an'ny sasany, dia naka ny paikan'ny “shock and shake” na “mandona sy manontsana” ny mpitati-baovao be mpanaraka izay mifanohitra amin'ny manamarina ny fisian'ny vaovao vao manambara ny fisiany. Saingy...

Madagasikara: Nanakorotantsaina ny fifanarahan-tany tamin'ny Koerana tatsimo.

  24 Novambra 2008

Raha inoana ny nolazain'ny Financial Times dia hanofa ny atsasaky ny tany azo volena eto Madagasikara ny Koreana Tatsimo. Niteraka adihevitra teo amin'ny tontolom-bolongana malagasy mikasika ny fiandrianam-pirenena sy ny fampandrosoana ara-toe-karena izany. Mbola tsy mazava moa hatramin'izao hoe efa nosoniavin'ny roa tonta ve ny fifanarahana? Na izany aza dia efa ifandresen-dahatra eo amin'ny mpamaham-bolongana raha azo heverina ho karazana "fanjanahantany vaovao" izao fifanarahana izao.

Bolivia: resaka fitsaram-bahoaka

  21 Novambra 2008

Niteraka savorovoro nanerana an'i Bolivia manontolo ny firoboroboan'ny famonoana olona na fikasana hamono olona voampanga ho nandika lalàna tsy mandalo fitsarana. Nitranga tany amin'ny faritry Altiplano tao Achacachi tamin'ny 17 novambra 2008 lasa teo ny tranga farany izay nalaza tamin'ny haino aman-jery [es]. Olona 11 lahy sy vavy no nampangain'ny...

Madagasikara : Rindrankajy mpitsara tsipelina Malagasy

  06 Novambra 2008

Ny namana Dotmg no nanolotra ny vaovao fa efa mihodina tanteraka ankehitriny ary amin'ny fomba maimaim-poana ilay rindrankajy mpitsara tsipelina Malagasy izay novoizina ary nampahalalainy nandritra ny Barcamp farany tany Antananarivo : Ny rindrankajy mpitsara tsipelina malagasy dia tsy inona fa pejy iray amin’ny internet ahafahana mametraka lahatsoratra amin’ny teny...

Madagasikara : Obama mamelonaina indray ny nofinofy Amerikana

  06 Novambra 2008

Na dia ngeza sy midadasika aza ny elanelan-tany manasaraka amin'i Amerika, dia mandakana hatrany Madagasikara ny tazon'ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana. Mizara izay fahitany izay antony mahatonga azy ireo hanaraka fatratra ity fifidianana ity ny mpiblaogy sasantsasany, ary milaza koa izay ho toeran'ny fitondran'ny filoham-pirenena Obama eo imason'ny tsirairay. Ny namana...