Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Novambra, 2021
Fanolorana ny “Undertones”, gazetin'ny Global Voices andalinana ireo media
Gazety mandravona ireo fandalinana sy fikarohan'ny Observatory an'ireo fitantaràna fototra sy hevitra mifamoivoy eny anatin'ny habaky ny daholobe izy ity
Marihan'i Okraina ny tsingerintaonan'ny hetsika Euromaidan tamin'ny andron'ny fahamendrehana sy ny fahafahana
Notantarain'ny Global Voices mavitrika ny Revolisionan'ny Fahamendrehana tamin'ny taona 2013 sy 2014, nahitana ny feon'ireo olompirenena tsy hita isa azon'ny mpanoratra antsitrapo ato aminay.
Rooppur: Rosia kely ao Bangladesh
Ao anatin'ny rafi-panohanana tetikasa, maro ireo fampandrosoana ara-fotodrafitrasa eo amin'ny faritra manodidina, ary efa tafiditra lalina ny kolontsaina ka hita ho hafa mihitsy ny fifangaroa-mponina ao amin'ny faritra.
Avy any Meksika hatrany Aostralia, miverina mandinika ny aterineto ho an'ny fitenin-dry zareo ireo tanora teratany
Mitàna anjara toerana goavana amin'ny fametrahana ireo fiteny manjakazaka ny aterineto, saingy ampiasain'ireo tanora kosa izy io hanomezana toerana ny fitenin-dry zareo
Velona ny lova navelan'ilay vazimba Kolombiana mpanangom-baovao novonoina
Vao maika nampirehitra ny vondrom-piarahamonina hikiry amin'ny tolona hiarovana ny vala tahirin'ny vondrom-piarahamonina Kokonuko sy ny fananany iombonany ny fahafatesan'ilay indizeny mpanangom-baovao Efigenia Vásquez.
Sakafo, marimba ary “voninkazo ho an'ny maty” hahatsiarovana ny razana ao Goatemalà
Na dia teo aza ny zava-misy fandrarana ny fitsidihana ny fasana, dia tsy nitsahatra nankalaza ny fiainana ny olona.
Manamafy ny sisintany miaraka amin'i Belarosia i Polonina satria mihamafy ny krizim-pifindra-monina
Efa niampanga an'i Lukashenka ho nitondra mpifindra monina avy any amin'ny faritra Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana sy nitondra azy ireo tany amin'ny sisintanin'ny Vondrona Eoropeana hamaliana faty ny sazy ny Vondrona Eoropeana
Fomba entin'ny tanora Champani ao Kambodza hampiroboroboana ny kolontsain-dry zareo tanaty valan'aretina
"Nandritra ny valan'aretina COVID sy ny firindrinana, afa-nitaiza ny tenako ho salama ihany aho tamin'ireo fianarana anjotra ary iray amin'ireny ny Cham."
Any Georgia, nandresy tamin'ny fifidianana fihodinana faharoa ny antoko Dream Party
Tao anatin'ny krizy ara-politika naharitra nanomboka hatramin'ny volana Oktobra 2020 no nanaovana ny fifidianana teo an-toerana, rehefa nanohitra ny fandresen'ny antokon'ny fitondrana Georgian Dream tamin'ny fifidianana parlemantera ireo vondrona mpanohitra.
Tsy holavina amin'ny Mozambikana noho ny fomba fitafiny intsony ny fitsaboana
Namoaka tenimidina ny Minisiteran'ny Fahasalamana (MISAU) nanakivy ireo matihanina ara-pahasalamana handrara ny olona amin'ny fidirana toeram-pahasalamana noho ny fomba fitafiny na zava-madinika hafa.