Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Febroary, 2020
Efa tena tsy vaovao amin'ny Jamaikana intsony izao ny Tsimokaretina Chikungunya hany ka antsoin-dry zareo hoe “Chik-V”
Voakiana ny minisitry ny fahasalamana noho ny fandraisany an-tànana ny valanaretina Chikungunya, tsimokaretina aparitaky ny moka izay miteraka fanaviana sy fanaintainana mafy eny amin'ny vanintaolana.
Bangladesh, Pakistàna ary Amazonia, ventesin'ireo vehivavy indizeny ilay hira “Misy mpanolana eo amin'ny làlanao”
Mbola mitohy misy fiantraikany manerana izao tontolo izao ilay hetsika tselatra nataon'ny fikambanana shiliàna "Las Tesis", miampanga ireo herisetra manavakavaka vehivavy sy ny fanararaotana ara-nofo.
Mustangs ny any Amerika Avaratra, ny soavaly dia ao Livno , Bosnia Herzegovina
Taompolo vitsivitsy izao, nisy andiana soavaly dia, navotsotra ho eny anivon'ny voary. Ankehitriny, miroborobo be any an-tendrombohitra manakaiky an'i Livno ao Bosnia Herzegovina izy io.
Resadresaka nifanaovana tamin'i Bektour Iskender, mpiara-nanorina ilay toeram-pivarotana anà Kyrgyz notafihina noho ny fanadihadiana mikasika ny kolikoly
Novambra, maty voatifitra ilay nanaporitsaka ny tantara, ary ankehitriny miatrika fanenjehana amin'ny resaka fanalambaràka eny amin'ny fitsarana ny Kloop.kg
Tokony hanosika amin'ny fanesorana ny sazy amin'i Sodàna ny orinasan-teknolojian'i Etazonia
Ahitana vondrom-piarahamonin'ny tanora mpisera aterineto sy tia manao zava-baovao manakaiky ny 12 tapitrisa i Sodàna ka efa tsena vonona ho an'ireo orinasan-teknolojia avy ao Etazonia, saingy tsy maintsy miala aloha ny sazy ara-toekarena
Ao Kerala, an-tapitrisany no nanao rojo olombelona ho fanoherana ny lalànan'ny mahaolompirenena ‘anti-miozolomana’ ao India
Amin'ireo vahoaka ireo no ahitana politisiana, mpikatroka ara-kolontsaina, mpitari-pivavahana, artista ary olompirenena feno ahiahy.
Manomboka ao Cox's Bazar ka hatrany Yangon, mampiseho firaisankina amin'ny Rohingya vitsy an'isa any Myanmar ireo poety
"Nampiely ny foko vitsy an'isa ny famoretana tao Myanmar, ankehitriny mampiray anay ny tononkalonay."
India, niteraka adihevitra momba ny rafitry ny fitsaràna ny namonoana tsy nandalo fitsaràna ireo efatra voampanga ho nanolana
Marobe no nitehaka ny polisy ao Hyderabad noho ny nakàny ny toeran'ny mpitsara sy mpanapa-doha.
Afrika: Nanome voninahitra an'i Michael Jackson ireo bilaogera
Taty Afrika, nanome voninahitra an'i Michael Jackson tamin'ny alàlan'ny fandefasana sary, rindran-tsary, tononkalo ary fisaintsainana ireo bilaogera taorian'ny fahafatesany. "RIP MJ", hoy ny nosoratan'ilay bilaogera Kenyana, WildeYearnings. "Manana ny lanitra iray manontolo ianao izao handihizana ny moonwalk ..."
Taorian'ny fipoahana fiarabe iray nahafaty olona, resahana ao Pero ny fiarovana an-dalambe sy ny fepetra momba ny asa
Andro vitsy talohan'ny fifidianana solombavambahoaka tao Pero, nisy loza mahatsiravina azo nosorohana tsara nefa niteraka hatezerana sy nanamafy ny firaisankinan'ny vahoaka.