Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Janoary, 2023
Nahatonga olona an'arivony maro tao amin'ny tanàna indiàna iray ambony havoana ho lasa tsy manan-kialofana ny “filentehan'i Joshimath”
Miatrika fifindran-toerana ny mpinona any Joshimath, tanàna iray ao Himalaya any India, noho ny vesatry ny asan'ny olombelona any amin'ny faritra iray mora itrangan'ny horohoron-tany.
Manamafy ny feon'ny fiarahamonimpirenena ny tambajotra sosialy ao Togo
Manampy ireo mpitarikevitra any Togo hamadika ny tambajotra sosialy ho tena sehatra fampiroboroboana ny fampiasana aterineto. Manararaotra izany ireo mpanao gazety sy mpikatroka amin'ny fiarahamonimpirenena mba hampiakarana ny feony.
Hiteraka disadisa ara-diplaomatika eo amin'i Kazakhstan sy i Rosia ve ny fijoroan'ny yurt iray ao Okraina?
Nipongatra tao Okraina ny yurt kazakh manome fanampiana mahaolona. Raha mahita izany ho fanohanana amin'ny fomba ofisialy an'i Kyiv dia namaly tamin'ny alalan'ny fanerena ny manampahefana kazakh i Moskoa.
Novalian'ilay Rosiana mpihira ilay hoe ‘Voninahitra ho an’i Okraina’. Tian-dry zareo hofoanana ny zom-pireneny ankehitriny
Nanohitra an-karihary ny ady nanomboka tamin'ny volana Febroary 2022 ilay mpihira Valerii Meladze. Ankehitriny dia mety hiharan'ny voka-dratsin'izany izy noho ireo teny sendra nambarany tao Dubai ho fanohanana an'i Okraina.
Vazimba ary mirehareha : fanehoankevitry ny mpiteny Maya iray mikasika ny “Black Panther : Wakanda Mandrakizay”
Ny soatoavina napetraky ny fianakaviako tato anatiko no mbola mamporisika ahy foana "Hahatsiaro hoe iza ianao, na aiza na aiza no tianao haleha", ary ankehitriny dia fantatry ny vondrom-piarahamonina vazimba fa afaka mandeha lavitra izahay .
“Ho fahavalon'ny fitondrana Rosiana mandrakizay aho” hoy ilay TikToker ao Moldavia
Ity no tranga voalohany nijoroan'ny TikToker iray monina tany Rosia teo aloha manohitra ny fitondrana Rosiana ampahibemaso ary manohana an'i Okraina.
Manodina ny adihevitry ny daholobe ho any Nepal ny ampamoaka nataon'ny #MeToo tsy ela akory izay
Niteraka fidinan'olona an'aliny eteny an'arabe tao an-drenivohitr'i Nepal ny fijoroana vavolombelona nataon'ny olona iray sisampatin'ny fanolànana. Nipoitra tety an-tambajotra ihany koa ny hetsika #justiceforsushmita (NyRarinyHoAniSushmita)
Arabia Saodita: Antso hamotsorana ireo Saodiana Wikipediana roa
Fangatahana famotsorana an’ireo dokotera Osama Khalid sy Ziad Al-Sufyani, izay nandray anjara tamin'ny Wikipedia Arabo ary samy nogadraina 32 sy 8 taona tsirairay avy any Arabia Saodita.
Undertones ao Pakistan: Miaramila, Vehivavy, Fanevatevana
Mizara ny sasany amin'ireo fitantarana lehibe indrindra nivezivezy tany Pakistan tamin'iny taona iny ny mpikaroka
Fomba fito nataon'i Môldavia hampirehareha ireo olom-pireneny tamin'ny 2022
Ny Newsmaker, Media Moldavy mahaleotena, no nandrafitra lisitra iray misy ireo fomba fito nataon'ny firenena hampirehareha ireo olom-pireneny tamin'ny taona 2022.