Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Avrily, 2017
Tamin'ny 1996 no Fotoana Farany Nisian'ny Olona Marobe Tahaka Izao Nanao Fitokonana Tao Brezila
Mpanao hetsipanoherana mijoro manohitra ireo andianà fanavaozana mifamatotra amin'ny fitsitsiana izay natosiky ny filoha Breziliana Temer ary nahazoany tohana avy amin'ny sehatry ny fandraharahàna, na efa miharendrika aza ny lazany.
Netizen Report: Mpanao Gazety Meksikana Nahazo Fandrahonana Antserasera, Ary Maty Nisy Namono Avy Eo
Nahitana fanapahana tolo-pifandraisana fototra tao Kashmir, nampandoavina onitra ny mpanakanto Japoney iray noho ny sarin'ny fivaviany 3D ary milaza amin'ireo mpisera Facebook mba "tsy hanjohy" ireo mpitsikera telo ny fanjakana i Thailandy.
Fantaro Ilay Mpikatroka Miezaka ny Hitondra An-tserasera ny Tanànakelin'i Okraina Iray
"Tsy tena tiako loatra i Eoropa. Ao Eoropa, efa vita avokoa ny 99 isanjaton'ny zava-drehetra ; eto, mbola misy ny asa tokony vitaina."
Iza no Nanaisotra Ilay Takelaky ny Revolisiona 1932 tao Thailand?
"Fampahatsiahivana feno eso ho an-dry zareo Thais ny nanendahana ilay takelaky ny 1932 hoe mety natsahatr'izy ireo ny fitondràm-panjaka tsy refesi-mandidy, saingy mbola misy hatrizao ny jadona tsy refesi-mandidy," hoy ny nosoratan'ny olona iray mpampiasa Twitter.
Sivana Nihanjahanja: Fahitalavi-panjakana Iraniana Manapaka Fandaharana Eny Antenantenan'ny Fehezanteny
Tanatinà fisomparana fandaharana tsy mahazatra tamin'ny herinandron'ny 14/04, notapahan'ny tambajotra ofisialin'ny haino aman-jerim-panjakana ao Iràna teny antenatenan'ny fehezanteny ny fahan'ny lahatsary iray mivantana, nanivana ny fandrakofana ny fifidianana.
RuPaul Ao Amin'ny RuNet : Tonga Any Rosia Noho Ny Fandikànteny An-tsitrapon'ireo Mpisera Amin'ny Aterineto Ny ‘Drag Race’
Mahavalalanina, manan-talenta, pelaka sady voadika amin'ny fiteny rosiana : fihaonana amin'ireo mpandika teny izay mitondra ny fandaharana 'RuPaul's Drag Race' ho an'ny aterineto miteny rosiana.
“Ny Vatana no Maty, Fa Tsy Ny Firenena”: Izay Nesorin'ny Olan'i Venezoelà Tamintsika
"Taona roa lasa izay... tsy nisy resaka ihany momba ireo olona mitady izay harapany any anaty fioeram-pako. Ankehitriny, tsy hoe io ihany no karohin-dry zareo, fa miady mihitsy izy ireo hahazoana izany"
Namoaka Boky Mirakitra ny Tantaran'ny Wikipedia Amin'ny Teny Arabo Ny Wikimedia Am-piposahan'ny Masoandro
Nivoaka ny boky voalohany mitantara ny tantaran'ny Wikipédia, iray amin'ireo boky vitsy an'isa eto amin'izao tontolo izao mirakitra ny rakipahalalana.
Oniversite Mozambikàna Roa Mandràra Ny Zipo Fohy sy ny Volo Rasta
" Raha manaraka ireo fitsipika ireo ny mpianatra, dia satria tsy manam-pahasahiana hampanaja ny zon'izy ireo, ary mendrika ho azy ireo ny oniversite ianarany. ".
Ny Fivoaran'ny #Instameet ao Sri Lanka
Tao an-tanànan'i Negombo ao Sri Lanka no natao ny fihaonana fahadimin'ireo mpampiasa Instagram. Fiovàna goavana avy amin'ireo teo aloha ny fikisahana nampiasa fakantsary fa tsy finday avo lenta.