Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Septambra, 2018
Angano Mampisaina sy ny GV Malagasy
Ampitiavana no izaranay GV Malagasy aminareo mpamaky, fa manomboka izao dia misy ny fiarahamiasan'ny GV Malagasy sy ny pejy Facebook "Angano Mampisaina". Isaorana manokana i Hasina Samoelinanja
Manome tolotra finday sy aterineto amin'ny alalan'ny zanabolana ny tambajotram-pifandraisandavitry ny Indizeny ao Meksika
Hanitatra ny tolony amin'ny alalan'ny teknolojian'ny zanabolana mba ahafahany mahatratra ny faritra lavitra indrindra ny tambajotram-pifandraisandavitra voalohany manome ny tolotra finday sy Aterineto any amin'ny faritra ambanivohitra misy ny vondrom-piarahamonina ao Meksika.
Fantaro i Ujwol Dangol, mpanorina ny kianja natokana ho an'ny skateboard voalohany ao Kathmandu
Na dia eo aza ny lazany miha-mitombo manerantany - ary eny fa na dia ny vao hanombohany voalohany any amin'ny Lalao Olaimpika taona 2020 any Tokyo aza--, ao Nepal kosa izany dia mbola mifandraika amin'ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava.
Ny Rivodoza Mahery Indrindra Namely An'i Japana Tato Anatin'ny 25 Taona, Adino Tanteraka Noho Fisian'ilay Horohorontany Goavana Ny Ampitso
Miady mafy ireo media mba handrakotra ny fifandimbiasan'ireo loza mahatsiravina, namela ny mponina hieritreritra hoe misy loza sasantsasany manakona ireo loza hafa tsy ho ao an-tsain'ny vahoaka.
Rehefa voarara tao amin'ny Facebook, namindra ny kaontiny nankany amin'ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte ny miaramilan'i Myanmar
"... ankehitriny izy ireo dia manaparitaka malalaka tsy misy fandanjalanjana ny fankahalàna ao amin'ny tranonkala.
Raha efa 100 andro izao ny governemanta ao Malezia no teo amin'ny fitondràna, mbola tandindonin-doza foana ve ny fahalalahana maneho hevitra?
"Antenainay ny fanapahana tanteraka ny fifamatorana amin'ireo famoretana tany aloha sy hisian'ny tetezamita iray hankany aminà Malezia iray izay ahafahana miresaka am-pilaminana ny hevitra rehetra, sy isitrahana feno ny zo nomen'ny lalam-panorenana ho antsika.."
Miatrika tondra-drano tsy mbola nisy toy izany i Shina, nisambotra vehivavy roa ho nampiely tsaho ara-pahasalamana ny manampahefana
Mpampiasa WeChat roa tao Shouguang, faritanin'i Shandong no nosamborina tamin'ny 25 aogositra 2018 noho ny fanaparitahana "tsaho" momba ny fihanaky ny aretina eny amin'ny biby fiompy noho ny tondra-drano goavana tao Shandong.
Nosamborina ny mpanao gazety Kashmiri rehefa nitatitra momba an'i Burhan Wani, ilay mpikomy novonoina,
"Nanao asa fanompoana ny vahoaka lehibe i Sultan fa tsy nanao heloka bevava tamin'ny fanaovana tatitra momba ny hetsiky ny mpikatroka."
Nahita antony iverenana amin'ny hetsi-panoherana ‘Maimbo Ianao’ ny tao Libanona telo taona taty aoriana
Tamin'ny taona 2015, nanetsika olona an'arivony ny "Maimbo Ianao" ary lasa fihetsiketsehana an-dalambe lehibe indrindra tsy manohana antoko tao Libanona hatramin'ny nifaranan'ny ady an-trano Libaney tamin'ny taona 1991.
Tatitry Ny Mpisera (amin'ny Aterineto) : Niteraka Fanapahana Tranonkala Ny Fihetsiketsehana Ao Bangladesh, Fisamborana Mpanao Gazety
Manenjika ny fakantsarin'ireo mpanao gazety i Venezoela taorian'ilay fanafihana tamin'ny drôna, mamily làlana vaovao ny Telegram (hankany amin'ny lohamilina ao amin'ny governemanta) i Iràna ary miezaka ny hiverina ao Shina ny Google