Fiombonamben'i Kaomoro: mankany amin'ny krizy manaraka ny fifidianana ve taorian'ny nahalàny indray ny filoha teo aloha?

Azali Assoumani, filoha voafidy indray tao Kaomoro; Pikantsary avy ao amin'ny fantsona  YouTube  Tv5monde

Miverina indray i Azali Assoumani hamita fe-potoam-piasàna vaovao hitondra ny Fiombonamben'i Kaomoro, araka ireo vokatra vonjimaika tamin'ny fifidianana natao ny 14 Janoary 2024. Mikiaka tsy fetezan-javatra ireo mpanohitra, nahatonga ny tanora hanao hetsipanoherana.

Ny 14 Janoary 2024, namonjy biraom-pifidianana ry zareo Kaomôriàna hifidy izay ho mpitarika vaovao hitondra ny firenena mandritra ny dimy taona ho avy. Azali Assoumani, filoha vao avy nametra-pialàna no sady kandidà hisolo ny tenany, no nifaninana tamina kandidà dimy avy amin'ny fanoherana: Salim Issa Abdillah avy amin'ny antoko Juwa; Bourhane Hamidou avy amin'ny Hetsika ho an'ny Kaomoro Rahampitso; Aboudou Soefo, minisitry ny Raharaha Ivelany fahiny; Mouigni Baraka Saïd Soilihi, governora taloha tao Kaomoro Lehibe; ary i Abdallah Mohamed Daoudou, minisitry ny Atitany taloha no sady efa ben'ny tanàna tao Moroni, renivohitry ny firenena.

Ny 16 Janoary 2024, nambaran'ny Vaomiera Nasiônaly Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) fa i Azali Assoumani no nivoaka ho mpandresy tamin'ny 62,97% n'ireo vato. Mitady fe-potoam-piasàna faninefany izy araka izany (2002, 2016, 2019 ary 2024), ary fanampin'izay, fanintelony mifanarakaraka amin'ny maha-filohan'ny Fiombonamben'i Kaomoro. Salim Issa Abdillah,  kandidà mahaleotena no eo amin'ny laharana faharoa, manana vato 20,6%, raha i Abdallah Mohamed Daoudou kosa mionona amin'ny 5,88%.

Asehon'ity lahatsarin'ny Tv5monde ilay fanambaràna nataon'ny CENI:

Tombanana ho 860 550 ireo mponina ao Kaomoro, izay mpifidy 338 000 eo ho eo no nantsoina handatsa-bato. Ireo Kaomoriàna any am-pielezana, tombanana ho 600 000 izay mipetraka indrindra indrindra any Frantsa, dia voahilika tsy tao anatin'ilay zotram-pifidianana.

Tao anaty lahatsoratra iray an'ny Radio France Internationale (Rfi), Said Larifou, mpisolovava ary efa kandidà ho filoham-pirenena tany aloha, monina an-tsesitany ao Frantsa nanomboka tamin'ny 2019,  dia manombana fa ny fanilihana ireo any am-pielezana dia mampametra-panontaniana momba ny endrika maha-demaokratika ilay fifidianana:

Raha misy ampahany betsaka amin'ny vahoaka ahilika tsy ho anatin'io dingana io, tsy demaokratika izany ilay izy.  Fandàvana ny demaokrasia izany. Teboka voalohany izay. Teboka faharoa, tsy demaokratika mihitsy io zotram-pifidianana io na ho an'ireo ao an-toerana ao Kaomoro aza  satria eo am-pela-tànan'i Azali daholo ireo fanoitram-pahefàna, ary i Azali irery no mifehy ny zotram-pifidianana. Tsy hisy ny fiovàna ao Kaomoro raha mbola i Azali no mitantana.

Nandritra ny andro fifidianana, betsaka ireo tsy fetezan-javatra tsikaritra tany amin'ny biraom-pifidianana sasantsasany. Ity lahatsary navoakan'ny kaonty X (Twitter taloha) an'ny Tv5monde  ity, natokany ho an'ny vaovao afrikàna, dia mampiseho ireo fifanjevoana teo amin'ny mpitandro filaminana sy ny olontsotra :

Tao Kaomoro, 338.000 ireo mpifidy nantsoina handatsa-bato hifidy amin'ireo kandidà dimy hafa sy ny filoha Assoumani. Marobe ireo tsy fanarahan-dalàna tsikaritry ny mpanohitra ary efa ampangainy sahady ireo hosoka ara-pifidianana pic.twitter.com/hEC7rqk4BI

— Le journal Afrique TV5MONDE (@JTAtv5monde) 14 Janoary 2024

Tsy afa-po tamin'ireo vokatra vonjimaika nambaran'ny CENI, nidina an-dalambe ireo tanora ary naneho ny hasosorany sy ny hatezerany nanomboka ny 17 Janoary.

Fanombohana krizy aorian'ny fifidianana ve?

Tamin'io andro io, ny ampitson'ilay fanambaràna ny vokatra vonjimaika, nirohotan'ireo tanora kaomôriana ireo lalambe tao an-drenivohitra. Vao mangiran-dratsy dia nisy nandoro ny tranoben'ny ministeran'ny fanajariana ny tany. Lahatsary iray nakarin'i Abdou Moustoifa, mpanao gazety sy iraky ny Reuters, tao amin'ny kaontiny X no mampiseho ireo fahavoazana naterak'izany:

Olana aorian'ny fifidianana aty #Comores🇰🇲. Nodoran'ireo mpanao fanakorontanana ireo fiaran'ny ministeran'ny fanajariana ny tany.  Mitohy ny fifanandrinana ao avaratr'i  Moroni . pic.twitter.com/gErii3nfPa

— Abdou Moustoifa (@abdou_moustoifa) 17 Janoary 2024

Ny andron'ny 17 Janoary dia nisy ny fifandonana teo amin'ny mpitandro filaminana sy ireo tanora, nahafatesana olona iray sy naharatràna dimy.

Avy amin'ny ankolafy fanoherana, nisy ny antso hanaovana hetsipanoherana nalefany tamin'ny Zoma 19 Janoary, araka ny lazain'ny Tv5monde ao anatin'ity ranty ity ao amin'ny kaontiny X:

Ao Kaomoro, miantso hetsipanoherana ireo mpanohitra ho an'ny rahampitso Zoma ho fanoherana ny voka-pifidianana izay ho filoham-pirenena namoaka an'i Azali Assoumani ho mpandresy. Eny an-dalambe ao Moroni, mitohy ny fifandonana. Vokany : 1 maty ary raha kely indrindra 5 naratra. pic.twitter.com/xWQwIId1Q7

— Le journal Afrique TV5MONDE (@JTAtv5monde) 18 Janoary 2024

Tapaka ny Internet

Nandritra io andron'ny 17 Janoary io, nisy fikorontanana be tsikaritra tamin'ny aterineto. Teritery ny fifandraisana ary indraindray aza dia tapaka. Tsy afaka nifandray tamin'izao tontolo izao ry zareo Kaomoriàna, ary tsy afaka nidirana ireo tambajotra sôsialy. Vavolombelon'izany ity ranty ity, an'ny kaonty antsoina hoe Comorien ancien ao amin'ny tambajotra X (Twitter taloha):

Efa ho ora iray mahery izao no tsy misy fifandraisana ho an'ireo mpamandrika ao amin'ny Comores Télécom, na ny mampiasa hosona (fibre) na ny 4G.

Ny SIM Telma fampiasako sisa no mbola ahafahako miditra amin'ny aterineto (ary tena mihisatra be) https://t.co/cP3yVh3vSw

— COMORIEN ANCIEN (@The_TSAN) 17 Janoary 2024

Fanamarihana toy izany koa no nataon'i Laklass, olon-tsotra iray avy ao amin'ny Fiombonamben'i Kaomoro, tao amin'ny kaontiny X. Hoy ny nosoratany:

Tapahana ny aterineto eto Kaomoro, misy ifandraisany amin'ny fikomiana ataon'ny vahoakako manoloana ireo fifidianana ho filohampirenena. Allah anie hanampy ny fireneko.

— Laklass 🇰🇲 (@laklassN) 17 Janoary 2024

Ahiahy ho an'izao tontolo izao

Manahy ny amin'izay ho fivoaran'ny toe-draharaha, ireo andry iraisampirenena dia miantso ny vahoaka kaomôriàna ho tony sy hahafehy tena. Toy izany ohatra ny Firenena Mikambana (ONU) tena miasa loha amin'ny fihazakazaky ny krizy. Tamin'ny alàlan'ny fanambaràna iray nivoaka tao amin'ny tranonkalan'ny Kaomisarià Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona ( OHCHR), Volker Turk, kaomisera ambony misahana ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana, dia miantso ireo manampahefàna ao Kaomoro mba hiantoka ny fahalalahana hanao hetsika am-pilaminana. Tao amin'ny kaonty X an'ny Firenena Mikambana, izao no soratra tao:

#Comoros: Taorian'ireo hetsi-panoherana nanaraka ny fifidianana ho filoha, @volker_turk dia miantso ny rehetra mba hahafehy tena & manentana ny governemanta mba hiantoka ny fisitrahana ny zo haneho hevitra malalaka.

‘Zavatra goavana ny fiantohana ny hisian'ny tontolo iray azo antoka, ahafahan'ny kaomôriàna rehetra maneho malalaka ny fomba fijeriny’

— UN Human Rights (@UNHumanRights) 17 Janoary 2024

 

Fanamby maro vaovao

Ankoatra ireo fanamby goavana toy ny fifandramonina faobe, ny tsy fanànana asa, ny fahantràna, ny kolikoly, ity krizy nateraky ny fifidianana ity dia mitondra fanamby iray vaovao ho an'i Azali Assoumani, izay filoha amperinasa ihany koa eo anivon'ny Fiombonambe Afrikàna (UA). Eny tokoa, araka ny nolazain'ny  ONG Transparency International tamin'ny 2022, ny Fiombonamben'i Kaomoro dia voalahatra ho faha-167 amin'ireo firenena 180 raha ny haavon'ny kolikoly ao aminy no jerena. Ny karama farany ambany raisina isambolana isaky ny mponina tsirairay dia 138 dôlara amerikàna, mametraka azy ho isan'ireo firenena mahantra indrindra erantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.