
Fihetsiketsehana tao São Paolo ho fanomezam-boninahitra an'i Julieta Hernández tamin'ny 12 Janoary 2024. Sary avy amin'i Rovena Rosa/Agência Brasil. Nahazoana alalana.
Fanamarihana: Ahitana filazana famonoana olona, herisetra ara-nofo ary herisetra atao amin'ny vehivavy, izay mety hanohintohina ny mpamaky sasany ity lahatsoratra ity.
Nasongadin‘ireo mpikatroka, hetsika feminista sy ny vondrona mpiaro ny mpitondra bisikileta manerana an'i Amerika Atsimo tamin'ny alalan'ny fanomezam-boninahitra, hetsi-panoherana an-dalambe ary fandehanana bisikileta an-tanàndehibe tao amin'ny tanàna 150 mahery, indrindra tany Brezila sy Venezoelà ny habibian'ny heloka bevava famonoana olona natao tamin'ilay vehivavy Venezoeliana mpanakanto sady mpitondra bisikileta Julieta Inés Hernández Martínez, 38 taona.
Hita nilevina tao anaty faritra feno hazo tao Presidente Figueiredo, kaominina ao amin'ny fanjakana Amazonas, Brezila avaratra ny vatana mangatsiakan'i Hernández Martinez tamin'ny 5 Janoary. Efa nilaza ny fanjavonany tamin'ny 23 Desambra ny fianakaviany sy ny namany ka nifandray tamin'ny manampahefana polisy tany Brezila ary nanao fanentanana tao amin'ny media sosialy hikarohana azy.
Nitondra bisikileta izy niampita an'i Brezila, izay nipetrahany nandritra ny valo taona, an-dalana ho any Puerto Ordaz, Venezoela, mba hankalaza fety miaraka amin'ny fianakaviany.
Mandray ny tenany ho mpifindramonina, mpifindrafindra fonenana, mpanao hatsikana, mpanao marionety, ary mpizaha tany am-bisikileta i Hernández Martínez, sady mpanakanto an-dalambe sady mpiaro ny mpitondra bisikileta. Izy no mpanorina ny Tambajotran'ny Vehivavy Venezoelàna mpanao hatsikana, ao anatin'ny vondrona Circo di SóLadies, vondrona mpanao tatara tsangana (teatra) izay nanaovany fampisehoana maha mpanao hatsikana (clown) Jujuba azy, ary mpikamban'ny Pé Vermêi, vondrona iray mampivondrona ireo mpanakanto sy mpitondra bisikileta mivezivezy manerana an'i Brezila amin'ny bisikileta. Nanakaiky hatrany ny kolontsaina nampiroborobo ny fifandraisana amin'ny hetsika sosialy izy na any Brezila na any Venezoelà.
Araka ny filazan'ny polisy sivily Amazonas, mpivady iray ao an-toerana no niaiky ny heloka bevava namono ilay mpanakanto. Lehilahy 32 taona sy vehivavy 29 taona no voarohirohy ho nandroba, nanolana, namono an'i Hernández Martínez ary nanafina ny fatiny taorian'izay. Notsatohana antsy sy nokendaina ary nodorana tamin’ny afo ihany koa izy vao nalevina tao an-tokontany niaraka tamin’ny bisikiletany. Hita ny fatiny rehefa hitan’ny mpifanolobodirindrina aminy ny ampahany tamin’ny bisikileta simba ka niantsoany polisy.
Araka an'i Sophia La Roja, rahavavin'i Hernández Martínez, tamin'ny hafatra nalefa tany amin'ny vondrona chat-n'ny mpitondra bisikileta WhatsApp, nandany ny alina tao an-tranon'ireo namono azy i Hernández Martínez satria hitany fa tsy ampy sakafo ny zanany dimy:

Pikantsarin'ny hafatra nalefan'ny fianakavian'i Julieta Hernández sy ny namany (Sophia La Roja rahavaviny, sy ireo namany Veronica Seijas, Veronica Gabriela ary Cinthia Caracciolo) tao amin'ny vondrona Whatsapp mpiaro ny mpitondra bisikileta tamin'ny volana Janoary 2024. Pikantsary nalain'i Gabriela Mesones Rojo.
She used the little money she had to buy them food and spent the night with the poor and miserable family. It wasn’t the first time she was deeply moved by the pain of children, and she always looked forward to sharing her joy and love. (…) The children are now in a refuge, and let us hope that Julieta’s last moments gave them a better future.
Ny vola kely nananany no nampiasainy hividianana sakafo ho azy ireo ary nandany ny alina niaraka tamin’ilay fianakaviana mahantra sy fadiranovana izy. Tsy vao voalohany izy no tohina mafy amin’ny fahorian'ny ankizy, ary niandrandra foana ny hizara hafaliana sy fitiavana tao aminy. (…) Any amin’ny trano fialokalofana ankehitriny ireo ankizy, ary andeha isika hanantena fa nanome hoavy tsara kokoa ho azy ireo ny fotoana farany niainan’i Julieta.
Mivoy bisikileta ho an'ny rariny
Tamin'ny 13 Janoary, nisy andiana mpitondra bisikileta namakivaky ny tanànan'i Caracas sady nihiaka rariny ho an'i Julieta ary nanasongadina ny herisetra iainan'ny vehivavy mpitondra bisikileta ao Caracas sy amin'ny maha mpandehandeha any Amerika Latina azy ireo: “Tsy eto daholo izahay: tsy eto i Julieta. !,” “Manan-jo hifindra izahay, zo handeha irery,” “Tianay ho velona ireo anabavinay (rahavavinay).”
Nokarakarain'ny vondrona Ser Urbano (“Olona an-tanàn-dehibe”), izay mampiroborobo ny fiainam-bahoaka ho tsara ao Caracas, sy ny Fikambanamben'ny Mpitondra Bisikileta ao An-drenivohitra (Assembly of Urban Cycling), izay mampiroborobo ny “fikatrohana am-bisikileta” ny fandehanana tamin'ny bisikileta

Fandehanana am-bisikileta ho fanomezam-boninahitra an'i Julieta Hernández Martínez ao Caracas, Venezoela, iray amin'ireo fanomezam-boninahitra maro nokarakarain'ny Ser Urbano sy ny Asamblea de Ciclismo Urbano. 13 Janoary 2023. Sary avy amin'i Gabriela Mesones Rojo. Nahazoana alalana.
Fihetsiketsehana milamina, fanomezam-boninahitra ary hetsika ara-kolontsaina maherin'ny 150 no notontosaina tany Venezoela, Brezila, Paragoay, Orogoay ary Shily hatramin'ny nivoahan'ny vaovao namonoana an'i Hernández Martínez.
Tany Brezila, firenena iray be mpitondra bisikileta, hetsika fanomezam-boninahitra an-jatony sy fitondrana bisikileta no nanomezana voninahitra ilay artista, ho fankalazana ny fiainany, ny soatoaviny ary ny lovany amin'ny maha-vehivavy mpitsangatsangana azy sy mpiaro ny mpitondra bisikileta. Nahazo vahana tao amin'ny media sosialy ny hetsika, ka nalaza ny tenirohy #JustiçaParaJulieta (Rariny ho an'i Julieta).
View this post on Instagram
Tamin'ny resadresaka navoaka tao amin'ny fantsona Youtube SóLadies, niresaka momba ny soatoaviny amin'ny maha-mpitsangatsangana, mpitondra bisikileta sy mpanao hatsikana azy i Hernández Martínez:
Being a woman, a clown, and a Venezuelan migrant are three intertwined things. At the moment I am an itinerant migrant traveling by bicycle through the interior of the northeastern states of Brazil. Being a woman, a clown, and a migrant is a great responsibility because, whether we want to or not, we become references for women who travel alone, references for women who choose a profession that is generally for men. Because it is difficult for clowns to arrive in many places, and even less so for female clowns.
Zavatra telo mifamatotra ny maha-vehivavy, mpanao hatsikana, ary mpifindra monina Venezoelàna. Amin'izao fotoana izao aho mpifindra monina mandehandeha am-bisikileta mamakivaky ny atitanin'ireo fanjakana avaratra-atsinanan'i Brezila. Andraikitra lehibe izany hoe vehivavy, mpanao hatsikana, ary mpifindra monina satria, na tiantsika na tsy tiantsika, dia lasa fitaratry ny vehivavy mandeha irery, fitaratry ny vehivavy misafidy ny asan'ny lehilahy amin'ny ankapobeny. Satria sarotra ho an'ny mpanao hatsikana ny ho tonga any amin'ny toerana maro, maika moa ho an'ny vehivavy mpanao hatsikana.
Famonoana vehivavy any Amazonas: olana mila jerena maika
Asehon'ny antontanisa avy amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana any Brezila fa vehivavy efatra isan'andro no maty novonoina tao amin'ny firenena — heloka bevava izay heverina ho maharikoriko araka ny lalàna Breziliana nanomboka tamin'ny taona 2015, ary midika hoe vehivavy na tovovavy novonoina noho ny maha-vavy azy.
Laharana fahadimy amin'ny taham-pamonoana vehivavy any Amerika Latina i Brezila tamin'ny fitsapan-kevitra taona 2021. Lasa marika amin'ity herisetra ity ny famonoana an'i Hernández Martinez, sy ireo loza mihatra amin'ireo vehivavy mpivoy bisikileta sy ireo mandeha irery manerana izao tontolo izao.
Araka ny tatitra “Ny herisetra mihatra amin'ny tovovavy sy vehivavy tamin'ny tapany voalohany tamin'ny taona 2023 ”, avy amin'ny Seha-pilaminam-bahoaka Breziliana, dia nitombo 87,5 isanjato ny isan'ny famonoana vehivavy tao amin'ny fanjakan'i Amazonas raha oharina tamin'ny vanim-potoana mitovy tamin'ny taona 2022. Nisy 15 ireo maty voarakitra tamin'ny taona 2023 raha valo herintaona talohan'izay.
Notsikerain'ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpiaro ny mpitondra bisikileta nandritra ny fanomezam-boninahitra an'i Hernández Martínez ihany koa ny fahanginan'ny manampahefana. Na ny governemantan'i Amazonas na ny governorany, Wilson Lima avy ao amin'ny antoko União Brasil dia samy tsy niresaka ampahibemaso momba ilay heloka bevava, na niresaka ny olana maika mikasika ny herisetra amin'ny lahy na vavy ao amin'ny firenena. Nasongadin'ny fampahalalam-baovao Breziliana tsy miankina Vocativo, ihany koa fa nangina koa ireo mpikambana ao amin'ny caucus Amazonas ao amin'ny antenimieram-panjakana manoloana ilay famonoana vehivavy.
Nitoloko tamin'ny fahafatesan'i Hernández Martinez ny filohan'ny Orina Mpanasoa Zavakantom-Pirenena (Funarte) ao Brezila, Maria Marighella ary nilaza fa manaraka ny fanadihadiana miaraka amin'ny governemantam-panjakana Amazonas ny fikambanana:
Com toda alegria e irreverência, Julieta viajava com sua arte conduzindo crianças e adultos ao mundo circense e por isso, sempre será lembrada. Inquieta em relação à desigualdade de gênero, sua busca por equidade é uma inspiração pra todas nós.
Anaty hafaliana sy ny tsy fanajana rehetra, nandeha niaraka tamin'ny zava-kantony i Julieta nitondra ankizy sy olon-dehibe ho any amin'ny tontolon'ny sehatry ny hatsikana ary, avy amin'izany, ho tsaroana hatrany izy. Tsy sasatra manoloana ny hantsana eo amin'ny lahy sy ny vavy, aingam-panahy ho antsika rehetra ny fikatsahany ny hitsiny.
Ver essa foto no Instagram