Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Mey, 2011
Sina: Mpisolovava Momba Ny Zon’Olombelona Voatazona Am-ponja Nohadiadiana Momba Ny Fiainana Ara-Pananahana
Telo volana taorian’ny famonjàna, Li Tiantian, mpahay lalàna Sinoa dia nanoritsoritra tao amin’ny Twitter ny momba ireo mpanadihady azy nampiasa ny antsipirihan’ny tsiambaratelom-piainany mba hanaovana herisetra taminy. Volana vitsivitsy lasa izay, anjatony mahery ny mpahay lalàna momba ny zon’olombelona an-jatony, mafàna fo, mpanoratra ary mpanakanto no voasambotra na nenjehin’ny lalàna tao Sina vokatry ny fifandonana tamin’ny hetsi-panoherana Jasmine.
Brezila: Saripika avy amin'ny kiendiendim-panoheran'ny “Olona Samihafa”
Tsy fantatra tsara aloha raha ho tontosa ihany na tsia ny fananganana ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis na tsia taorian'ny fihetsiketsehana kiendiendy na tsia, fa niteraka famoronan-javatra isan-karazany tamin'ny mpisera aterineto izany. Jereo ao amin'ity lahatsoratra ity ny sary sy lahatsary tsara indrindra notsongaina avy amin'ilay kiendiendy goavana.
Nepal: Manoratra mikasika ny Fikomiana sy ny Fanivànana ao amin'ny Facebook
Nitondra rivo-panovana tany Nepal ny lohataona Arabo. Ny Asabotsy 7 Mey, niangona teo akaikin'i Maitighar manodidina an'i Kathmandu renivohitra mba hangataka ny famahana araka izay haingana ny fiziriziriana nisy tato ho ato vokatry ny hatak'andro amin'ny fananganana lalàmpanorenana vaovao ny vondron'ny tanora.
Ejipta: Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Androm-Panoherana tao Nakba, Cairo
Tamin-kerisetra mahery vaika no nandravan'ireo mpitandro filaminana ny androm-panoherana tao Nakba teo anoloan'ny Masoivohon'i Israely ao Cairo ny 15 May 2011, tifitra baomba mandatsa-dranomaso, bala vy mifono fingotra ary ny tatitra hafa aza dia nilaza fa bala tena izy no nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana.Niova mahatsiravina tampoka ny zava-niseho, nanjary nampahatsiahy ny zava-nisy tamin'ilay tolona ho amin'ny fiovàna nandritra ny 18 andro, ary tsy nitsahatra nibitsika nampita sy nandefa sarin'ireo fifandonana ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanao gazety.
Arabia Saodita: vehivavy iray nosamborina satria nitondra fiara
Herinandro lasa izay, renim-pianakaviana saodiana iray nitondra ny fiarany nandeha nanatitra ny zanany tany an-tsekoly any Jeddah. Tamin'ny 22 may 2011, vehivavy Saodiana iray hafa, Manal Al-Sharif, nitondra fiara koa niaraka tamin'ny vehivavy mpitolona ho an'ny zon'ny vehivavy saodiana, Wajeeha Al-Huwaider, teo akaikiny, ny anadahiny sy ny zanany lahy tokana. Ny...
Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany
Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability Initiative (@TAInitiative) miaraka amin'ny tatitra am-polony hafa momba ny hetsika fampangaraharana asa manerana izao tontolo izao izy io. Mifototra amin'ny...
Ekoatora: Fandalinan'ny Vahoaka Ny Vokatry ny Fitsapan-kevibahoaka
Ny vokatry ny fitsapan-kevibahoaka tao Ekoatora farany teo, izay ankoatry ny zavatra hafa rehetra ka nanome fahefana bebe kokoa ny Filoha Rafael Correa manolona ny fitsarana sy ny media, dia niteraka fifanakalozan-dresaka mikasika ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana ary nitondra fampisaintsainana teo amin'ny sehatra rehetra misy ao anatin'ny fiarahamonina Ekoatoriana mikasika izay haterak'ireo vokatra ireo.
Pakistana : Fipoahana nisesisesy tao amin'ny tobin'ny tafika tao Karachi
Re izao fa nisy ny fipoahana nisesisesy tao amin'ny Tobin'ny seranan'ny tafika an-dranomasina tao Pakistana ao Karachi, teo amin'ny manodidina ny amin'ny 11 ora alinateo ny 22 mey 2011. Ny P.N.S. Mehran (Tobin-tafika an-dranomasina sy an-habakabaka Mehran), foto-drafitrasa ambenan'ny Tafika an-dranomasina pakistaney fatratra ao Shahrah-e-Faisal, no etamazaoron'ny tafika an-habakabaka. Mpampihorohoro valo...
Brezila: Tandindonin-doza ny hoavin'ny ala
Tao anaty herinandro vitsivitsy farany teo, nahoraka ny kongresim-pirenena breziliana niaraka tamin'ny fanerena hifidianana ny lalàna vaovao mifehy ny rano sy ny ala. Ilay tetik'asa natolotra, izay nifantoka tamin'ny fanovana ny lalàna efa nisy teo aloha, dia neken'ny fivondronan'ny solombavam-bahoaka atao hoe "Ruralist front" na ny mandan-tehezan'ny tantsaha. Ireo mpandala tontolo iainana dia nanentana mba hanohitra ilay lalàna vaovao, ary ireo Siantifika kosa dia nangataka fotoana lavalava handinihany ilay volavolan-dalàna.
Bolgaria: Fifandonan'ny Vondrona Avy Amin'ny Elatra Havanana sy Silamo Tao Sofia
Ruslan Trad mitatitra fa fifandonana mahery vaika no nisy teo amin'ireo mpomba ny antoko nasionalista Ataka (Fanafihana) sy ny Silamo tao an-toerana tao amin'ny maosken'i Bania Basha tao Sofia renivohitr'i Bolgaria, nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ireo nasionalista manohitra ny fanamafisam-peo avy amin'ilay maoske.