· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Mey, 2017

Syria: Manangona Fanohanana Eran-tany ny Fitorevahana Virtoaly

Raha miditra amin'ny fahavalon'ny volana nisiany ny fikomiana ao Syria, mihatia mamorona ireo mpikatroka mafana fo mba hahazoany antoka fa tsy hitsahatra ny fifantohana eran-tany mankany amin'ilay zava-mitranga. Mangataka ny tsirairay mba hampiakatra lahatsary ho fanehoana ny firaisankina amin'ireo Syriana mpanohitra ny hetsika fisantarana iray avy amin'ilay Tambajotram-baovao malaza, Sham.

Sodàna: Ho Avy Ny Revolisionam-bahoaka?

  30 Mey 2017

Taorian'ny fihetsiketseham-bahoaka tao Tonizia sy Ejypta, nisafidy ny datin'ny 30 Janoary 2011 ny vondrona mpikatroka Sodaney mba hanomboka ny fihetsiketsehana milamina ho fanonganana an'i Omar al-Bashir sy ny governemantany.

Pôrtô Rikô: Kolikoly Mameno Ny Departemantan'ny Polisy

  29 Mey 2017

Nisambotra olona 133 tao Pôrtô Rikô ny Birao Federaly mpanao Fanadihadiana (FBI), ka polisy ny 89 tamin'ireo, tao anatin'ilay antsoin'ny Departemantan'ny Fitsaràna Amerikana hoe "ny fanadihadiana goavana indrindra tamin'ny resaka kolikolin'ny polisy teo amin'ny tantaran'ny FBI".. Maneho hevitra ny tontolon'ny bilaogy.

Meksika: Ny “Kristalin'ny Lasapely Sixtine”

  27 Mey 2017

Ahitana kristaly goavam-be fantatra amin'ny anarana hoe "Volana Vato" ny "Lavabato Kristaly" ao an-tanàndehiben'i Naica ao Meksika. Toerana mahafaty ho an'ny fitsidihan'ny olombelona ny lavabato, fa amin'ny alalan'ireo bilaogera amin'ny aterineto kosa no hizarana ny tantara ao ambadiky ity lavabato misitery ity.