Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Jona, 2022
Ben'ny tanàna fahiny tao Tiorkia milaza fa nahita tahirina vatomamy (jellybeans) nafenina ireo tomponandraikitra
Namaly fanontaniana momba ireo tahirin-tsolika hita vao haingana ilay ben'ny tanàna fahiny rehefa nanao fanehoankevitra momba ny nahitàna tahirina vatomamy marobe
Sary-sy-soratra, fisaonana sy fanoharana tamin'ny faharendrehan'ny sambo restaurant mitsikafona manan-daza an'i Hong Kong
Nizara meme (sary-sy-soratra) sy sarin-teny ny HongKongers, tahaka izany koa ireo hevitra mampisy eritreri-dratsy manoloana ny fahapotehan'ny Jumbo Floating Restaurant malaza ao Hong Kong.
Azerbaijan, hozongozonin'ny onja vaovaom-pisamborana atosiky ny pôlitika
Efa an-taona maro ireo fiarahamonina sivily sy mpanakiana fanjakana no kinendrin'ny filam-baniny, fandemena ary fisamborana. Manamarina ny fomba fanao hatrizay ilay onjana famoretana nitranga vao haingana
Mongolia: fanentanana ilaina momba ny fandotoana mba hialàna amin'ny fahasimbàna lehibe kokoa
Miatrika olan'ny fandotoana vokatry ny tsy fisiana fanentanana ny mponina momba ny resaka tontolo iainana i Mongolia, firenena midadasika sy tsy dia be mponina.
Ylli Morina: ilay 13 taona lalin-tsaina amin'ny matematika avy ao Skopje, mampianatra ireo mpianatry ny Anjerimanontolo
Satria tsy ampy ny kilasy sahaza sy ny boky fanabeazana tao amin'ny sekoly fanabeazana fototra nisy azy izay mifanaraka amin'ny filàny sy ny talentany, nanitatra ny fahalalany tamin'ny aterineto i Ylli, tamin'ny alalan'ny fihainoana an'ireo mpampianatra avy any ivelany.
Tsy hiadaladala no nahatongavako, fa fotsiny hividy voasary makirana
"Antenaiko fa ho avy ny andro izay tsy ho toy izany intsony rehefa hividy voasary makirana aho, ary ny toerana fivarotana tsy ho lasa toerana iray hafa ao anatin'ny fiarahamonina handraisana ny olona araka izay afeniny any anaty zipony any."
Valanjavaboary nasiônaly vaovao ao Makedônia Avaratra, iharan-doza noho ireo tetikasam-pampandrosoana mitohy
Taona iray taorian'ny nanambaràn'ireo manampahefana fa hametrahany valanjavaboary vaovao ao Makedonia Avaratra, manao fahirano an'ilay toerana ireo mpamokatra herinaratra manosika hankamin'ny fanorenana foibe famokarana herinaratra ao anatin'ilay vala.
Ireo mpitari-dalana ny mozika highlife Igbo ao Nizeria
Nahazo laza tany amin'ny faritra atsimoandrefan'ny Cosmopolitan Lagos ny Highlife ary niova tany atsinanan'i Nizeria. Amin'ny alàlan'ny fampidirana ny fomba folklore nentim-paharazana Igbo, namorona ny Igbo highlife izay ankafizin'izao tontolo izao izy ireo.
Shireen Abu Akleh, mpanao gazety Palestiniana malaza, maty voatifitry ny bala Israeliana teo amin'ny lohany
Notifirina tamin'ny bala teo amin'ny sofiny i Shireen, teo ambanin'ny arolohany na dia nanao akanjo famantarana ny mpanao gazety sy nijoro teo amin'ny toerana tazan'ny miaramila Israeliana izay nitifitra azy aza izy.
Mpitarika ara-panahy Mayana nampagaina ho ‘mamosavy’ tao Goatemalà, navotsotra avy eo
Nampangaina ho mamosavy i Adela Choc Cuz, manampahefana ara-drazana iray sady mpikambana ao amin'ny fanoherana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ao El Estor, ary navotsotra taty aoriana.