· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Febroary, 2009

Ejipta : Ny fihetsiketsehan'ny mpianatra

  28 Febroary 2009

Nanamarika ny tantaran'i Ejipta amin'izao vanin'andro izao ny zava-nitranga nahamenatra niseho ny 21 febroary 1946. Tamin'izay andro izay dia mpianatra an-jatony nanao fihetsiketsehana teo amin'ny tetezana mitsingevana Abbas Bridge no notifirina sy maty an-drano tao amin'ny reniranon'i Nely, taorian'ny baiko nomen'ny manam-boninahitra Anglisy hitifitra ary talohan'ny nanokafana ny tetezana indray...

Madagasikara: hisy ve ny fanapahan-kevitra hialana amin'ny olana?

  22 Febroary 2009

Fifampiresahana (sary nalain'i Avylavitra) Nanatratra ny faratampony ny herisetra politika nanomboka hatramin'nyvolana janoary teo tamin'ny 7 Febroary teo raha 30 raha kely indrindra ny Malagasy maty notifirin'ny tafika, tafiditra tao anaty fifanenjanana politika manko i Madagasikara. Maro ny diplaomaty avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena no nanao asam-panelanelanana hisian'ny fifanarahana eo amin'ny...

Palestina : Ny tantaran'ilay “martiora” avy any Gaza

  20 Febroary 2009

Mangirifiry ny fahafatesan'ny olona akaiky anao, nefa atao ahoana no hahazaka ny fahoriana raha ilay olona no naniry ny ho faty ? Ilay mpitoraka bilaogy avy any Gaza, Samaher Al Khazandar no nanoratra mikasika ny zanak'anabaviny antsoina hoe Mu’min Musa Al Khazandar, izay nanaraka ny miaramilan'ny Hamas, ary nanapa-kevitra fa...

Kioba : Fampisehoana ny Nova Baire, fomba fitrandrahana ny Open-Source Operating system

  17 Febroary 2009

Tamin'ny vokatry ny fikarohana natao tao amin'ny Anjerimanontolon'ny fampahafantarana sy ny Haitao eto La Havanne[es] (raikipohy UCI amin'ny teny espaniola) any Havane dia namoaka ny fomba fitrandrahana infôrmatika “open-source Linux operating system”  azy manokana koa ny governemanta Kiobana. Antenain-dry zareo fa ovaina ho amin'io fomba fitrandrahana vaovao nomeny ny anarana hoe Nova Baire...

Madagasikara: Miady hevitra ny momba ny Asabotsin-drà ny mpamaham-bolongana

  13 Febroary 2009

Nihamatroka ny toe-draharaha teto Madagasikara hatramin'ny 26 janoary 2009 nisiana fihetsiketsehana sy fandrobana nahafatesana hatramin'ny 50. Mbola nandriaka ny ra ny andron'ny Asabotsy 07 Febroary. Tononin'ny sasany ho “Asabotsy Mena” koa noho ny nitifiran'ny mpiambina ny filoha ny mpanao fihetsiketsehana nifamorivory teo ivelan'ny lapan'Ambohitsorohitra. Nizotra ho eny an-dapa ny mpanao...

Korea: Fiainana tsy an'asa.

  12 Febroary 2009

Raha nanomboka ny fitotongan'ny toekarena, ny tsy fananana asa dia nanjary iray amin'ireo ambetin-dresaky ny mpikirakira aterineto. Ahoana no iainan'ny olona izany toe-javatra izany? Aspan dia mahita làlana hafa hiatrehana izay tsy fananana asa izay. 오늘로 백수가 된 지 두 달을 넘겼다. 지난해 11월 17일부러 지난 10년간 근무한 회사를 그만두게...

Madagasikara: Maherin'ny 25 no maty nandritra ny diabe ho any Ambohitsorohitra

  07 Febroary 2009

Jereo ny takelaka manokana momba ny Tolona politika eto Madagasikara. Raha kely indrindra dia 25 no voatifitra maty teto an-drenivohitr'i Madagasikara Antananarivo nandritra ny diabe politika niantsoan'i Andry Rajoelina Ben'ny tanàna, izay efa nanandra-tena ho filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita, ny mpanaraka azy ho eny Ambohitsorohitra. Nandritra ny herinandro vitsivitsy moa...