· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Aogositra, 2011

Venezoela: Fikorontanan'ny Fidirana Amin'ny Blogger.com

GV Mpisolovava  29 Aogositra 2011

Nandritra ny volana Aogositra, nitaraina ireo bilaogera Venezoeliana mikasika ny olana amin'ny fidirana ao amin'ny tolotry ny Blogger.com. Manamafy ny olona fa, na dia efa notaterina im-betsaka tany amin'ny CANTV aza ilay olana ( CANTV ilay ISP Venezoeliana mpanome tolotra aterineto izay an'ny fanjakàna), tsy misy mihitsy valinteny mba nomen'ilay orinasa, sady tsy mba novahany ny olana

Ginea-Bisao: Nanimba ny Sekoly ilay Oram-be nifanesy

Rising Voices  27 Aogositra 2011

Eo anelanelan'ny volana Jona sy Oktobra no fotoam-pahavaratra any Guinea-Bissau, izay mety hampisy fiantraikany eo amin'ny fiainana andavan'andro amin'io tanàna io. Misy sekoly mampiasa ilay efitrano ho toeram-pivoriana ho an'ny RV grantee Youth Voices of Bandim sy Enterramento izay niharan'ny fahapotehina mavesatra azo tamin'ilay tatitra mahakasika ilay andro ratsy nifanesy.

Libya: Tapitra ny lalao ry Gaddafi

Miditra any Tripoli renivohitry ny firenena ny revolisionera Libyana. Miavaka mihitsy ny fientanetanana an-tserasera, miaraka amin'ny fitabataban'ny Twitter feno hiaka sy horakora-pifaliana manisa ny segondra farany hiandrasana ny fialan'i Gaddafi eo amin'ny fitondrana. Miely ny feo fa efa nametraka ny fitaovam-piadiany sy nitolo-batana ny andia-miaramila misahana ny fiarovana azy.

Tonizia: ” Mitaky Fitsarana Mahaleotena ny Vahoaka”

“Mitaky fitsarana mahaleotena ny vahoaka" io no hevi-dehibe nohindrahindraina tato ho ato teny amin'ny araben'i Tonizi. Afef Abrougui nijery ny fanehoan-kevitr'ireo bilaogera taorian'ilay famotsorana ireo minisitra roalahy sady namana akaiky an'ilay lehilahy matanjaka Toniziana teo aloha, Zine El Abidine Ben Ali, ary nahatonga antso hanaovana hetsi-panoherana maro hatrany ny famotsorana azy.

Japana: Ahoana ny Fomba Ampihenana ny Fandaniana sy Hitsitsiana Herinaratra?

  18 Aogositra 2011

Nahenan'ny mponina ao Japana ny fandanian'izy ireo hatramin'ny nampiharana ilay fepetra fitsitsiana herinaratra mba hiatrehana ny tsy fisian'ny angovo. Amin'izao fotoana izao, dia 19 amin'ireo 54 mpamerin-tosika nokleary ao amin'ny foibenkerinaratra no mandeha ka namporisika mafy ireo olom-pirenena ny governemanta-indrindra ho an'ireo izay mipetraka ao antsinan'ny Japana- mba hampihena ny fampiasana...

Madagasikara: Sazy Mitondra Mankamin'ny Fitontonganan'ny Toe-karena Sy Tsy Fanjarian-Tsakafo

  17 Aogositra 2011

Tato anatin'ny taona vitsy dia niaina fitontonganana misoko mangina ny toe-karen'i Madagasikara, izay efa marefo rahateo, miantraika mafy amin'ny fiainan'ireo vahoaka Malagasy an-tapitrisany izany. Miaraka aminà toe-karena voakilasy ho ratsy indrindra eran-tany sy ny fanjarian-tsakafo misoko mangina, mireaka ny antom-pisiana sy ny fiantraikan'ny sazy iraisam-pirenena ny vahoaka Malagasy.

Shily : Voasakan'ny Mpianatra Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Mihoa-pefy

  16 Aogositra 2011

Nihetsika mangataka fanavaozana ny rafi-pampianarana ireo Shiliana mpianatra nanomboka tamin'ny Aprily. Anaty lahatsary tsy ela akory izay, azo atao ny mahita tranga tanaty fihetsiketsehana iray, ka nandritra izany dia nifampiraharaha ry zareo ka nahavita nandresy lahatra andian-jiolahim-boto nisaron-tava handao ny toerana. Maneho ny fanohanan-dry zareo ny mpianatra ireo Shiliana any anaty tambajotra sosialy any, amin'ny alalan'ny fivelesana vilany rehefa amin'ny 9 ora alina.

Maraoka: Vohikala Miaritra Fisomparana DDoS

GV Mpisolovava  15 Aogositra 2011

Niaritra fisomparana "distributed denial-of-service" (DDoS) na "tolotra voatsinjara nolavina" ny vohikalam-pitolomana maraokana Mamfakinch! ny andron'ny alahady 31 jolay 2011, ka nampikatso nandritra ny ora maromaro ny fidirana tao aminy. Efa miverina an-tserasera ankehitriny ny vohikala. Fa inona ny Mamfakinch! ary inona ny antony isomparana azy?

Rosia: Mitantara Ny Kolikoly Ao Amin'ny Sampam-Pampianarana Ny Asa Fanaovan-gazety Ao Mosko Ireo Mpitoraka Bilaogy

Akon  14 Aogositra 2011

Tantarana mpitoraka bilaogy iray izay nahavita namaky bantsilana ny kolikoly ao amin'ny sampam-pampianarana ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny anjerimanontolom-panjakana ao Mosko (MGU) izy ity. Toa tsy mampino sy tsy hisy mihitsy izany, manodidina ny fanadinana fidirana ho ao amin'ilay anjerimanontolo tena matanjaka sy malaza ho tsara indrindra ao Rosia izy ity, na dia hoe mety ho izany ihany koa aza angamba no singa tena itrangan'ny kolikoly indrindra eo amin'ny rafitry ny fampianarana ambony ao amin'ny firenena.