Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Aogositra, 2020
RV Newsletter : mandinika ny politika, ny fomba fanao, ary ny zava-misy marina mikasika ireo vaovao disoina ny Digital Citizen Summit
Ny taratasim-pifandraisan'ny Rising Voices dia manome rohy mitondra ho amin'ireo fahafahana sy loharanom-pahalalàna mifandraika amin'ny fampiatiana nomerika, anisan'izany ny fahafahana miditra sy mampifanaraka ireo fitaovana nomerika, hatramin'ireo fomba isankarazany azon'ny vondrompiarahamonina atao mba handraisany anjara feno amin'ny fiainana anaty tambajotra.
Sary avy ao Kiobà mandritra ny fihibohana
Tantarain'ireo Kiobàna amin'ny alàlan'ny sary ny fihibohana nataony.
Haïti, mitombo ny fiampangàna ny governemantan'i Jovenel Moïse ho mifandray tendro amin'ireo mpanomana heloka bevava
"[...] andian-tafika mpandeha an-tongotra tsy mivadi-belirano no ijeren'ny governemantan'i Moïse azy ireo, izay mamoritra ny tsy fandriampahalemana, manakenda ireo feo mpanohitra ary manamafy ny fanohanana ara-pôlitika manerana ny renivohitra."
Ahoana ny nivadihan'ny ‘Black Lives Matter’ ho fankahalana ao amin'ny media sosialy shinoa
Fandikanteny shinoa malaza amin'ny teny fanevan'ny fanoherana fanavakavaham-bolonkoditra no mahavariana fa mampiely tenin'ny mpanavakava-bolonkoditra.
Fantaro ireo artista manao amboradara ny hetsika Belarus
Avy any amin'ny toerana lavidavitra ao Prague, manome voninahitra ny fihetsiketsehana izay mitranga any amin'ny tanindrazany mitantara azy amin'ny amboradara nentim-paharazana ilay Belarosiana artista Rufina Bazlova.
Ny tantara mahatsiravin'ny fanarahamaso faobe sy fitsikilovana ao Roandà
Entin'i Roandà manamarina ny fanarahamaso henjana ataony amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny fampanginana ireo tsy mitovy hevitra aminy, ary ny habibiana atao amin'ny mpanohitra ny resaka firaisankinam-pirenena, ny fiarovana
Mifandray amin'ny alalan'ny fanentanana antserasera hanoherana ny fifanarahan'i Shina sy Iran ny Iraniana sy ny Hongkongers
Na dia misy aza ny sakana ara-pitenenana sy aar-kolontsaina dia mitovy fijery ny mpikatroka avy ao Hong Kong ansy avy ao Iran raha eo amin'ny resaka fitsipahana ny tolotra fifanarahana maharitra 25 taona omen'i Shina amin'i Iran.
Mpanao fihetsiketsehana “Manila Pride” mamaly bontana sy mitantara ny fijaliana iaretana rehefa ahiboky ny polisy
"Midrikina isika manohitra ny sedra rehetra. Fanoherana ny androm-piainantsika. Eto isika handrava ireo rafitra mpamoritra, hanova ny zavatra tsy azontsika ekena." hoy i Carla Nicoyco, Filipiana mpikatroka avy amin'nyvondrompiarahamonina LGBTQ+.