Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Mey, 2023
Faritra avaratra atsinanan'i Niger, lasa fialofana ho an'ireo mpitsoa-ponenana mandositra ny fanafihana mitam-piadiana ao Sahel.
Tsy dia mizaka loatra ny fifandonana mitam-piadiana ao Sahel, mpiara-miombona antoka ho azy amin'ireo Tandrefana voaroaka avy ao Mali sy Borkina Faso i Nizera.
Yoweri Museveni namoaka lalàna famoretana mahatonga ny vondrompiarahamonina LGBTQI+ ogandey ho tandindonin-doza goavana
Mananontanona ny vondrompiarahamonina LGBTQ+ ankehitriny ny fampidirana am-ponja sy ny fanamelohana ho faty, taorian'ny namoahana lalàna iray manavakavaka manenjika azy ireo ao Ogandà
“Tsy misy afa-tsy amin'ny fiteny rosiàna ny literatiora ao amin'ny faritra Azia Afovoany”: antsafa niarahana tamin'i Ramil Niyazov-Adyldzhyan, ouïghour mpanoratra amin'ny fiteny rosiàna
Raha any Shina no mipetraka ny ankamaroan'ireo Ouïghours, dia misy marobe koa ireo zanaka am-pielezana mipetraka any Azia Afovoany, indrindra fa ao Kazakhstan, toerana ahafahan-dry zareo maneho hevitra an-kalalahana
Taiwan tsy navela hanatrika ny fivorian'ny OMS: Antsafa niarahana tamin'i Chen Hsin-Hsin, solontenan'i Taiwan
Raha manao ny fihaonambe erantany fanaony ho an'ny fahasalamana erantany (AMS) ny Organisation mondiale de la Santé (OMS), Taïwan kosa mbola mitohy miaina ny fandàvana ny fanatrehany ireo adihevitra fanalahidy momba ny fahasalamam-bahoaka erantany
Mihapotika ny demaokrasian'i Hong Kong, miha-voatosi-bohon-tanana ny olompireneny ao Taiwan
Raha miharatsy hatrany ny demaokrasia sy ny fahalalahana ao Hong Kong, nampitombo ny isan'ny sakana amin'ny famoahana fahafaha-monina fotoana maharitra ho an'ny Hongkongers i Taiwan.
Jamaika ‘mankalaza’ ny faha-75-n'ny Windrush, tena tokony ho izay ve?
"Ny rafozambaviko sy ny rafozandahiko, tamim-panantenana be, dia nandeha nankany amin'ny Fanjakana Mitambatra, firenena iray tsy dia tsara fandray loatra, mba hanampy hameno ny bangan'ny tsy fahampian'ny hery mpamokatra mora vidy ho fanorenana indray ilay firenena taorian'ny ady... tena fiainany azy manokana "
Efa hitako (‘déjà vu’) ity vokatry ny Eurovision ity, hoy ilay Môldavy mpihira
Samy efa nandray anjara tamin'ny Eurovision 2012 na ny mpandresy, ilay Soedoà mpihira Loreen, na i Pasha Parfeni avy ao Môldavia. Ary nandresy tamin'ny fifaninanana ihany koa i Loreen tamin'ny taona 2012.
Tatitry ny Unfreedom Monitor : Filipina
Efa anaty tatitra iray izao ny valim-pikarohan'ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika ao Filipina. Vakio ny tsonga iray dia trohy ny pdf manontolo momba izany.
Nomen'ny Fitsarana Tampony baiko ny fanjakana ao Nepal hampanara-dalàna ny fanambadian'ny samy lehilahy na ny samy vehivavy
Tamin'ny 2 Mey 2023, natao ho ara-dalàna tamin'ny baikon'ny Fitsarana Tampony tao Nepal ihany ny farany ny fanambadian'ny samy lahy na ny samy vavy taorian'ny fifandirana momba ilay lalàna nandritra ny taona maro.
Nahoana no zava-dehibe ny fifidianana ao Paragoay
Nahoana ny fifidianana any '-guay' (tsy ao anatiny i Orogoay) no zava-dehibe any Amerika Latina sy any ivelany.