Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Marsa, 2015
Ireo Zazakely Mahazo Zazakely: Tsy Misy Sekoly Ho An'ireo Vady Tanora Any Nepal
Ny taona lasa teo, latsaky ny 15 taona ireo mpanambady miisa 4.000 tao Nepal. Any amin'ny faritra sasany, ambany toerana ao atsimon'ny firenena, ny antsasany maherin'ireo fanambadiana no nahitàna ankizy vavy latsaky ny 12 taona.
Netizen Report: Taokanto, Firaisana Ara-nofo Ary Ny Habaka Sosialy
Miatrika sivana ao amin'ny Facebook ny mpanao zavakanto ary arangarangan'ny Loholona Amerikana, Ron Wyden, fa indraindray dia tena midika fanaraha-maso mihitsy ny "cybersecurity" (fiarovana ny tontolon'ny habaka).
Talantalana Foana sy Kibo Migororoana: Voazava Ny Tsy Fahampiana Ara-toekarena Ao Venezoela
Na teo aza ny teny fampanantenana hisian'ny taona vaovao, tsy tamin-kafaliana no nanombohan'ny Venezoeliana ny taona 2015, fa niaretany ny mangidy indrindra teo amin'ny tsy fahampiana ara-toekarena tato anatin'ny fahatsiarovany akaiky indrindra
Natsinkafon'ny Media Sosialy Ny Filoha Gambiana Noho Ny Nampiasàny Ny Taratasin'i Obama Ho Toy Ny Fampielezankevitra
Nandefa taratasy fiarahabana ho an'ny vahoaka Gambiana noho ny faha-50 taonan'ny fahaleovantenany ve ny Filoha Obama sa taratasy fankatoavana ny fitondran'ny Filoha Yahya Jammeh? Miankina amin'izay itodihan'ny fanontanianao ny valiny
Mai Ro: Hihira Ny Hiran'i Yadiko
Voatahiry ao anaty raki-kira noraketin'i Fernando Urbina Rangel, mpikaroka sady mpampianatra ny feon'ny rain'i Ever Kuiru. Amin'ity tetikasa nahazo vatsy amin'ny Rising Voices ity, mizara ny sasany amin'ireo hira narakitra antserasera izy.
Mpanao Ady Totohondry Misandratra sy ny Takaitran'ny Adin'Andian-Jatovo ao Lyari, Pakistan
Avy any amin'ny tanàna amorontsirak'i Gwadar ao Balochistan i Talha Baloch. Saingy taorian'ny tsy fisian'ny fivoaran'asa tao dia nifindra tany Lyari, Karachi fanta-daza amin'ny famokarana mpanao ady totohondry mahay dia mahay izy.
#KitaLawan: An'arivony Ireo Tonga Nanatrika Ny Diabe Fitakiana Ny Famotsorana Ny Lehiben'ny Mpanohitra Ao Malezia
Niresaka tamin'ny solombavambahoaka Nurul Izzah Anwar, zoky vavimatoan'i Anwar Ibrahim, lehiben'ny mpanohitra any am-ponja i Global Voices.
Clogher Corner Manandratra Ny Feo Kambojiana Vaovao
Avy ao Phnom Penh, Kambodja, namarana ny lanonana tamin'ny fankasitrahana ireo mpandresy tamin'ny fifaninanana bilaogy ny Tetikasa Empowering Cloghers.
Hampianatra Amin'ny Fiteny Swahili I Tanzania
Tamin'ny Febroary lasa teo, nanavao ny rafitra fanabeazana ao aminy i Tanzania. Isan'ireo fiovàna goavana nataony ny fametrahana ny fiteny swahili ho teny entina mampianatra any an-tsekoly.
Mijoro ny Fiaraha-Mientan'Olo-tsotra Taorian'ny Tondra-drano Teto Madagasikara
Fandraisana an-tanana telo ho fanampiana ireo tra-boina eto Madagasikara