Mahazo fiampangana heloka bevava ny Belarosiana mody

Pikantsary avy amin'ny fantsona fampielezan-kevitra Belarosia tao amin'ny YouTube momba ny antsafa nifanaovana tamin'i Tatiana Sobol, izay nody avy any ivelany ary miandry fitsarana. Fampiasana ara-drariny.

Araka ny fikambanan'ny mpiaro ny zon'olombelona Viasna, olona 207 farafahakeliny no voatazona rehefa avy niampita ny sisintanin'i Belarosia tamin'ny taona 2023. Anisan'izany ny olom-pirenen'i Okraina, Litoania, ary Rosia, ankilan'ny Belarosiana. Saika voaheloka handoa onitra sy higadra 24 ora avokoa ireo voafonja. Ny 18 tamin’izy ireo, fara fahakeliny, no voaheloka noho ny heloka bevava, ka ny 12 tamin’ireo nalefa tany amin’ny toeram-pigadrana. Nangonin'ny Viasna tao amin'ny tranokalany ny zarahay rehetra fantatra momba ny fanenjehana ireo olona niverina tany Belarosia avy any ivelany.

Antom-panenjehana ny mety ahitana sary tamin'ny hetsi-panoherana tamin'ny taona 2020, ny fanomezana, fanehoan-kevitra tao amin'ny media sosialy, fampitàna “extremista”, sary misy marika fotsy-mena-fotsy, izay hita amin'ny finday sy tambajotra sosialy, ary na dia sary avy amin'ny hetsika firaisankina any ivelany aza. Hitan'ny mpitandro ny filaminana amin'ny tambajotra sosialy izany mandritra ny fisavana an-telefônina any amin'ny sisintany, hoy ireo mpiaro ny zon'olombelona.

Vakio bebe kokoa: Raha tsy misy ny fahafahana manavao ny pasipaoron'izy ireo any ivelany, ao anaty limby ny Belarosiana any an-tsesitany [mg]

Araka ny tatitry ny Viasna, malaza fa matetika no voatazona ny olona rehefa niverina avy any Litoania, saingy atao any amin'ireo tobin-tsisitany fisavana rehetra miasa ny fanamarinana sy ny fanagadrana, anisan'izany ny sisintany mifanolotra amin'i Rosia. Manaisotra olona amin'ny fiara fitateram-bahoaka ny mpitandro ny filaminana, mihaona amin'izy ireo eny amin'ny fiantsonan'ny fiara fitateram-bahoaka na gara, na tonga any an-tranony rehefa tafaverina.

Vakio bebe kokoa: Fomba fanasaziana ny mpanohitra any Belarosia an'i Lukashenka

Araka ny songadin‘i Viasna nanambara fananganana vaomiera hiara-hiasa amin'ireo Belarosiana mpifindramonina ny mpitarika Belarosiana tsy refesi-mandidy Alyaksander Lukashenka tamin'ny herintaona izay hampahafantatra ireo maniry hody any Belarosia ny fahafahana miverina tsy mifonja. Heverina izany fa handinika tsirairay  ireo mpangataka ny vaomiera mba hisorohana ireo “extremista sy mpampihorohoro” tsy hiditra ao Belarosia. Nampitsahatra ny asany ny vaomiera tamin'ny faran'ny taona 2023.

Nisy programa iray hafa, antsoina hoe “Ny lalana mody” natsangan'ny mpitandro ny filaminana Belarosiana tamin'ny faran'ny taona 2021, araka ny tatitry ny Viasna. Nolazaina fa “hamela ireo izay nitsoaka tsy hisy fiantraikany.” Na izany aza, nisy fepetra napetraka ho an'ny Belarosiana, izay ahafahan'izy ireo manao izany. Niasa hatramin'ny faran'ny taona 2022 ity programa ity.

Vakio bebe kokoa: ‘Miaina ao anaty horohoro tsy tapaka ny olona ao Belarosia, matahotra rafitra iray izay afaka mamely na iza na iza

Saingy milaza ireo mpiaro ny zon'olombelona avy ao Viasna fa mahafantatra tranga telo farafahakeliny, fa na dia eo aza ny “fifanarahana”, dia nanokatra raharahan-keloka bevava tamin'ireo olona nino manampahefana ka niverina tany Belarosia ny tompon'andraikitra.

Ohatra, nanararaotra ny fandaharana “Lalana Mody” ny mpitantana ny efi-piresahana an-jotran'ny hetsika, Tatyana Kurilina. Saingy, voaheloka efa-taona sy tapany ho any an-tanim-boanjo (colonie) izy tamin’ny farany, araka ny andininy 12 ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny heloka bevava.

Tamin'ny Novambra 2023, voaheloka herintaona ho any an-tanimboanjo noho ny faniratsirana an'i Lukashenko i Igor Nemirovich, 30 taona, izay niverina tany Belarosia tamin'ny alalan'ny antso “vaomieram-podiana”, araka ny tatitry ny Viasna.

Ary tamin'ny Desambra 2023 ireo propagandista namoaka antsafa nifanaovana tamin'i Tatyana Sobol, izay voalaza fa niverina tany Belarosia tamin'ny alalan'ny “vaomiera” ihany koa. Voatery niresaka momba ny faharatsian'ny fiainany tany ivelany ilay vehivavy sy ny fomba nandraisany anjara tamin'ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2020 “noho ny fitaomana”. Miandry fitsarana any Belarosia ankehitriny i Sobol.

Mamoaka zarahay amin'ny antsipiriany momba ireo tranga tsirairay izay olona nody tany Belarosia nalefa tany am-ponja koa ny Viasna, hita ao amin'ny tranokalany izany. Voaheloka higadra an-taonany maro ny olona noho ny fandefasana hafatra amin'ny chat na nanandrana nanome 16 dolara dolara ho an'ireo Belarosiana miady ho an'i Okraina (tsy mbola vita akory ny fifampiraharahana).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.