Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Avrily, 2016
Kerry Galhos, Ho “Serena Williams” Ao Timor-Atsinanana ?
Tanora mpilalao avy ao Timor-Atsinanana i Kerry Galhos, manana hoavy mahavelom-bolo eo amin'ny tontolon'ny lalao tennis. Nandao ny fireneny mba hanatanteraka ny nofinofiny ilay mpilalao, ny ho lasa mpilalao matianina.
Miady Ho Fiarovana Ny Honko Lalainy Ny Fokonolon'i Cancun, Meksika
"Miezaka ny hanavotra ilay alan-konko ny olona, indrindra fa ny tanora. Nandainga taminay ny governemanta. Fahafaham-baraka ny fahasimbana navelan'izy ireo."
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Laharam-pahamehana, Misy Vonona?
Mitondra anao any Shina, Meksika, Jamaika, Makedonia sy Oganda izahay amin'ity herinandro ity, miresaka tamin'i Prudence Nyamishana izahay mikasika ny antony mahatonga ny Ogandey tezitra amin'ny laharam-pahamehan'ny governemanta.
Kamerone 5 Mpanao Gazety Mpikirakira Angon-drakitra, Manao ny Tombana Ankapobeny Momba ireo Governemanta 33 -n'i Paul Biya
Tetikasa iray momba ny Asa Fanaovanana Gazety Mikirakira Angondrakitra nandritra ireo governemanta samihafan'i Paul Biya tao Kamerona.
Lolofotsy Avy Any Nepal Mizara Hafatra Fanantenana Sy Fiovàna Sosialy Manerana Ny Tany
Matetika dia ireo mpanamory ara-barotra no miteny hoe , "Misaotra anao niaraka nisidina taminay." Fa na rahoviana na rahoviana aho no mifanena amin'izy ireny, izaho no miteny, "Misaotra anao niaraka nisidina tamiko!"
Eduardo Galeano (1940-2015) Mpanoratra Ny Tantaram-piainan'i Amerika Latina
Fanaovam-beloma farany an'ilay Orogaiana Eduardo Galeano, izay mijanona ho taridàlana ho an'ny hery ankavia ao amin'ny tanibe ny bokiny "Ireo lalàn-drà misokatr'i Amerika Latina", hatramin'ny taona 1970.
#TwitterisDead (Maty Ny Twitter): Izany No Ahian'ireo Mpanohitra Taorian'ny Nandraisan'ilay Orinasa Ny Manamboninahitra Fahiny Tao Amin'ny Tafika Shinoa Hiasa Ao
"Loza henjana mitatao amin'ireo Shinoa mitolona hisian'ny fahalalahana maneho hevitra io."
Graffiti 27 Manodidina An'i São Paulo Tsara Ho Fantatrareo
Raha hita sary ao amin'ny boky taridalan'ny fitetezan-tany iraisampirenena ny sary nataon-tanana an-drindrina ao afovoan-tanàna, dia tsy fantatry ny maro, eny fa na izay monina amin'ity tanàna lehibe indrindra ao Amerika Latinina ity kosa, ireo sary nataon-tanana an-drindrina miranty eny amin'ny sisintsisin'ny tanàna.
Tsy Maintsy Mianatra Momba Ireo Paortigey Mpanoratra Ve Ireo Breziliana Mpianatra ?
Malahelo ireo sasany fa ho esorina ao anaty fandaharam-pianarana ireo paortiogey mpanoratra, ireo hafa maniry ny literatiora afrikana sy amerikana-latina ho atao lohalaharana.
Manampy ireo Mpitsikera Mba Ho Salama Sy Ho Mpankatò Ny Toby ‘Fanitsiana Toe-tsaina’ An'ny Miaramila
Raha tokony hahazo serfifikà, dia tsy maintsy manasonia taratasy fifanekena (MOU) milaza fa hampitsahatra izay hetsika ara-politika rehetra manohitra ny fitondram-panjakana ireo mpiofana.