· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Novambra, 2018

Mitombo betsaka ireo ampangaina ho nanao ‘heloka bevavan'ny firaisankina’ ao Eoropa, 11 nantsoina hotsaraina tao Belzika noho ny fanampiana mpifindramonina

  15 Novambra 2018

Niseho teo anatrehan'ny fitsarana tao Bruxelles tamin'ny 6 septambra 2018 ny olona miisa 11 izay nosamborina sy nampangaina ho nanao fanondranana olona tamin'ny oktobra 2017, io no fotoam-pitsarana voalohany lazain'ny mpikatroka fa tranga hafa ao Eoropa “mampahameloka ny firaisankina”. Nolazaina ho nanampy mpifindramonina tsy manan-taratasy miisa 95 ireo voampanga, 12 amin'ireo mbola...

Miatrika olana ara-tontolo iainana ny reniranon'i Litani ao Libanona, renirano lehibe indrindra ao amin'ny firenena

Nampiseho ny fikarohan'ny Oniversite Amerikanina ao Beirota fa ny rano nalaina tao Litani nandritra ireo volana fahavaratra maina kokoa dia rano maloto avokoa. Hita fa feno singa-metaly mivangongo be ireo legioma voatondraka tamin'ny rano maloton'ny renirano, izay mety hisy fiantraikany amin'ny hoza-doha ary manakorontana ny fiasan'ny fo sy ny voa.