Mametraka fanontaniana ny kaonty Flickr an'ny filohan'i Rwanda, Paul Kagame hoe : Afaka mamerina ny maripamantarana azy hita maso ve i Afrika ?

 

One of the most viewed photos in President Kagame's Flickr account

Iray tamin'ireo sary be mpijery indrindra teo amin'ny kaonty Flickr an'ny Filoha Paul Kagame : Fihaonambe YouthConnekt 2022 an'i Afrika, Kigali, 13 Oktobra 2022 (CC BY-NC-ND 2.0)

Tsy matetika no ahitana filoham-pirenena iray mazoto mizara sy manasongadina ireo sary ôfisialin'ny asam-panjakana amina kalitao avo sy matianina, avy eo an-toerana na iraisam-pirenena, ao anatina tranonkala iray fanatobiana sary. Vao mainka mahalana ihany koa aza ho an'ny filoha iray ny mametraka sary ho an'ny fampiasaina malalaka, tsy ara-barotra eo ambany lisansa Creative Commons. Tena izay indrindra anefa no nataon'ny Filoham-pirenena ao Roandà, Paul Kagame, hatramin'ny nidirany tao amin'ny Flickr tamin'ny 2009. Na toa ny ekipan'ny seraserany aza no tena nanao izany, ny fisian'ny anarany sy ny endriny eo amin'ilay vovonana dia efa azo anaovana fanadihadiana tsara amin'ny fomba fiasa mety hahafahan'ilay tanibe mamerina ny fitantaràny hita maso.

Hatramin'ny 2009, nahazo mpanaraka 2 600 ny kaonty Flickr-n'ny Filoha Kagame ary misy sary maherin'ny 59 000 izay olona 119,2 tapitrisa no nijery izany hatreto. Ampiasàna ny lisansa Creative Commons daholo ireo sariny rehetra ireo ary manana Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic license. Midika izany fa azo atao ny manao dika mitovy sy mizara indray ilay fitaovana na amin'ny lafika inona na inona, sy amin'ny endrika rehetra, rehefa tsy mirona amin'ny ara-barotra izany, amin'ny fitanisàna ny loharano sy ny rohy mankany amin'ilay fahazoandàlana.

Ny sasany amin'ireo sariny malaza indrindra ao anatin'ilay tranonkala fampiantranoana sary sy itambarana  vondrom-piarahamonina dia mampiseho azy miaraka amin'ireo mpitondra firenena eran-tany hafa, toa an'ny Barack Obama, filoham-pirenena Amerikana teo aloha sy Ramatoa Vadiny Michelle Obama, ny Ministry ny Varotra ivelany sy ny Fampandrosoana ao Hôlandy, Lilianne Ploumen, ny Mpanjakavavy Elizabeth II, ary ny Kapitenin'ny Arsenal teo aloha Tony Adams. Na dia fitaovana raitra aza izany ho amin'ny fifandraisany amin'ny besinimaro amin'ny maha-mpitondra azy, dia lasa loharano ihany koa ho an'ireo mpampahalàla vaovao, tsy ao Roandà fotsiny, fa ho an'ireo mpanoratra toa ahy ihany koa.

Ny maha-zava-dehibe ny ireo sary azo raisina

Tafalatsaka tsy nahy tamin'ny kaontiny aho. Tamin'ny voalohany, nanoratra momba ny olana ara-diplômatikan'ny Jeneraly Muhoozi tao Ogandà aho. Ny fanindroany dia vao haingana, fony navoakako ny lahatsoratra iray mikasika ny Filoha Tanzaniana Samia Suluhu. Hatreo, amin'izay tantara nosoratako mikasika ny faritra Afrika Atsinanana dia nanjary loharano tsy azo dinganina izy, ho ahy na ho an'ireo mpandray anjara hafa amin'ny GV.

Iray amin'ireo fanamby goavana indrindra amin'ny asan'ireo tonian-dahatsoratra sy mpanoratra ato amin'ny Global voices (GV) ny fitadiavana ireo sary tena mety ary mampiasa Creative Commons, izay tsy hoe mifanaraka fotsiny ihany fa koa ireo izay manampy bebe kokoa amin'ny fitantarana tantara iray miavaka. Amin'ny maha-fikambanana media tsy mitady tombony azy, ny GV dia miankina tanteraka amin’ireo sary ampiasàna ny Creative Commons, izay nalain'ny mpandray anjara, na ireo izay nanaovana fangatahana na nomena fahazoandalana mazava.

Ireo fikambanana tsy mitady tombony tahaka ny Global Voices (sy ireo media hafa), ary koa ireo fikambanana mpanao asa soa, ny vondrona mpanao adisisika, ireo andrim-pampianarana, ireo masoivohom-panjakana, ireo mpanabe sy ireo olon-tsotra, dia matetika mampiasa sary eo ambanin'ny fahazoandalana Creative Commons mba hampahafantarana ny antom-pisian'izy ireo, hanabeazana ny vahoaka na hamoahana votoaty ho an'ny bilaogy sy media sosialy.

Tafalatsaka hatrany ao an-tsofin'ny marenina ny tohankevitra mikasika ny Creative Commons ho an'ireo Afrikana mpakasary. Ho an'ny ankabeazany, ny sarin'izy ireo dia natao hampiditra vola ho azy ireo, araka izay nolazain'ny mpakasary iray tamiko. Ary izay no tena filàna maika eo noho eo ho azy ireo ao anatin'ny tsena iray tsy mamela mivalo, izay toerana matetika ifaninanan-dry zareo amin'ireo mpakasary iraisam-pirenena manana fitaovana tsara kokoa sy mifandray kokoa miasa amin'ireo masoivoho tahaka ny AFP, AP, Getty Images sy ny Reuters.

Ny loza amin'ny sary tokana

Tao anatin'ny lahateny TED, ilay Nizeriana mpanoratra malaza, Chimamanda Ngozi Adichie, dia nanazava ny antsoiny hoe “ny loza ateraky ny tantara tokana”. Nohazavainy ny fomba ahafahan'ny tantara miantraika amin'ny maripamantarana, mamolavola hevi-draikitra sy manokatra làlana mankany amin'ny fitserana. Ary ahoana ireo sary ? Inona no loza ateraky ny sary tokana ?

Ireo zirafy goavambe manao dingan-dava any anaty ahitra mandrobona na mikiky hazo akasià. Masaï mpiady mitsambikina. Ireo ankizy tsy ampy taona, mosarena, milanja fitaovam-piadiana na mitazona lovia jobok'aty. Ireo fotsy hoditra mpizahatany manao safari miaraka amin'ireo zebra sy liona atao lafiky ny sary. Ireo trano feta eny antsefantsefan-tany eny. Ireny no sary mateti-pitranga eo amin'ny milina fikarohana rehefa tendrena ny teny hoe “Afrika”. Mitovy foana amin'ireo (na karazana avy amin'izy ireo) no ampiasain'ny media iraisam-pirenena ho an'ny vaovaon'izy ireo, izay matetika andikàna amin'ny fomba diso an'i Afrika ho toy ny bolongam-bato tokana ka ny mponina ao aminy dia ravan'ny mosary saingy ny hakantony kosa dia mampitolagaga, fa tsy hoe Fanjakana 56 tsy mitovy sy misy fahasamihafana.

Hitan'ny tatitra iray navoakan'ny Africa No Filter tamin'ny taona 2021 fa ny fiankinan-doha be loatra amin'ny masoivohom-baovao iraisam-pirenena no antony lehibe mahatonga ireo mpampita vaovao afrikàna manohy ny fitantarana manimba ataony an'i Afrika. Na ny median'ilay kaontinanta aza no nanaovana ny fanadihadiana dia tsy misy hafa amin'izany ny amin'ny haino aman-jery iraisam-pirenena. Raha toa ka misy aza, matetika tena ratsy koa.

Amin'izao fotoana izao ny media dia miantehitra betsaka kokoa amin'ny tahirin-tsary na amin'ireo masoivohom-baovao, tsy toy ny taloha. Atosiky ny fepetra fampihenana ny vidiny noho ny tontolon'ny haino aman-jery miatrika fiofoana be, ny ankamaroany dia na nanampy, na tena nanafoana tanteraka mihitsy ny sarin-dry zareo manokana. Raha oharina amin'ny sandan'ny fanomezantoky ny mpiasa mba handrakotra ny faritra ara-jeografika rehetra ilaina, miampy ireo tombontsoa ara-tsosialy ho an'ny mpiasa mifanaraka aminy na ny fandoavana ny saran'ny fàham-baovao iray, ny tahirin-tsary no lasa fomba tena mahomby ho an'ireo media mba hahazoana haingana sy mora ireo sary tsara kalitao, indrindra fa ho an'ireo lahatsoratra tsy maika na hatao lafika. Ary eo no mipetraka ny olana.

Manjary lasa tompon'antoka amin'ny fitazonana ireny hevi-draikitra ireny ireo tranonkala Web sy ireo masoivoho fametrahana tahirin-tsary. ho fandrakofana an'ireo hetsika na ny vaovao, ireo masoivoho tahaka ny AP, Getty Images, ary ny Reuters dia manana mpakasary manerantany.
Amin'ny alalan'ny fanomezana ireo sary maimaim-poana mampiseho ny fiainana andavanandron'ny mpitondra ao
Afrika, nofafàn'ny Filohan'i Roandà ireo fomba fijery miangatra mikasika ilay tanibe sy ireo mpitondra ao aminy izay matetika faritana ho toy ny tsy mahay, mpanao kolikoly sy tia fahefana. Mbola manan-danja kokoa, takiany ny maripamantarana hita maso ho an'i Roandà – firenena iray mbola alokalofan'ny avelon'ny fandripahana olona faobe tamin'ny 1994. Ho an'ireo firenena izay miady mafy amin'ny loza ateraky ny sary tokana, mendrika ny ho alain-tàhaka ny ohatr'i Kagame.

Tia an'i Afrika i Wiki

Tamin'ny 2014, rehefa nanomboka ny Wiki Loves Africa  ilay Frantsay injeniera, Florence Devouard, sy  Isla Haddow-Flood, ilay Zimbaboeana manampahaizana mikasika ny serasera sy varotra, dia nisy ny tsy fahampiana sary naneho an'i Afrika teo amin'ny Wikimedia Commons. Hatreo, io fifaninanana fakàna sary andraisan'ny daholobe anjara isantaona io, izay nanome ireo olona manerana an'i Afrika ny fahafahany nandray anjara tamin'ireo media (sary, lahatsary ary feo) momba ny tontolon'izy ho ampiasaina eo amin'ny Wikipédia, dia efa namoaka sary maherin'ny 72 000.

Piti-drano kely anaty ranomasimbe izany raha oharina amin'ny halavany sy ny fidadasiky ny katalaogin'ireo tranonkala toy ny Getty.

Raha toa isika miditra ao anatin'ny vanim-potoana AI vaovao miaraka amin'ny famoahana ny Dall-e sy ny ChatGPT ary ireo maro hafa mbola ho avy, amin'ny fomba ahoana no hahafahan'ireo Afrikana mampianatra amin'ny fampiasàna ny maso ireo lasitra fianarana lalina mba hahatakarana antsika bebe kokoa ? Mety ho fanoitra lehibe ve ny fananana sary marobe ao amin'ny Creative Commons ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.