· Janoary, 2009

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Janoary, 2009

Madagasikara: Fahapotehana tsy roa aman-tany

  31 Janoary 2009

( Zandary eny an-tanàna, sary Mehmoud Karim) ) Taorian'ny rotaka nandritra ny roa andro sy ny fahafatesan'olona heverina ho 80 manerana ny firenena, ny fandrobana toeram-pivarotana ampolony dia milamindamin-dratsy ny firenena ankehitriny. Mivezivezy manerana an'Antananarivo ny miaramila ary samy miantso fitoniana ny roa tonta ankehitriny. Miantso hanaovana an'Antananarivo ho “tanàna...

Madagasikara: Niato ny fifampiraharahana, niitatra ny korontana

  27 Janoary 2009

Mba nisy masoandro nihiratra kely ihany ny hisian'ny famahana ny olana ara-tsosialy teto Madagasikara. Samy nilaza ny roa tonta avy amin'ny fitondrana sy ny fanoherana fa hisy ny fihaonana omaly. Niato anefa izany fihaonana izany rehefa tsy nifanaraka tamin'ny fepetra mialoha ny roa tonta. Mandritra izany fotoana izany dia mbola...

Madagasikara: fitadiavam-bolan'ankizy

  27 Janoary 2009

Green Boy sarin'i Patrick Lahatsary roa roa avy aty Madagasikara no maneho antsika ny fikaratahan'ny ankizy mikarokaroka sy mamoron-javatra ary fahasahiana kely mba hihoirany eo amin'ny fiainana. Voalohany amin'izany i Toky izay mampiasa kapoaka sy fitaovana hafa efa nampiasaina hanaovana fiara kapoaka, ny iray hafa indray mampiseho an'i Green Boy,...

Madagasikara: Fahapotehina noho ny rivodoza Fanele sy Eric

  22 Janoary 2009

Vao tsy ela akory izay dia noteren'ny rivomahery Eric sy ny rivodoza Fanele andaniny sy ankilany i Madagasikara. Manahy ny ho fiantraikan'ny loza voajanahary tahaka izao ny mpamaham-bolongana eto Madagasikara raha fantatra ihany fa tena nampididoza manokana ny vanim-potoanan'ny rivodoza tamin'ny herintaona. Na dia mihahenjana aza ny toe-draharaha politika dia maro avy...

Angola:Mananontanona ny Ebola, nakatona ny sisintany

  21 Janoary 2009

Vokatry ny fipariahan'ny otrik'aretina Ebola any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Congo indray, ny governemanta Angoley dia nanapa-kevitra ny hanidy ny sisin-tany manasaraka ny tany roa tonta ,mba hisakana ilay otrik'aretina mahafaty tsy hiditra any amin'ny faritr'i Angola. izany no nahatonga ny hetsika fifindra-monina nahazatra teo anelanelan'i Luanda Norte (faritany avaratra-atsinanan'ny firenena)...

Gresy: fanoherana ny fitondrana fitaovam-piadiana ho an'Isiraely

  19 Janoary 2009

@izao ady misy any Gaza izao dia nitroatra ny mitoraka blaogy grika noho ny vaovao nivoaka t@ ity volana ity nilaza fa nisy fitondrana fitaovam-piadiana maro dia maro avy any etazonia ho any isiraely nandalo tao @ seranan-tsambo tanan'olon-tsotra grika ao Astakos. Nampiasa twitter ry zareo hanaovany famotorana sy hanerena...

Palestina: Mifampiresaka amin'ny Gaza

  19 Janoary 2009

Araka ny toe-javatra mahazatra ary koa na dia eo aza ny taha ambony amin’ny fahaiza-manoratra, dia mipetraka eo anelanelan’ny 13 sy 15 ny isan-jaton'ny fahafaha-mampiasa ny aterineto any Palestina (tafiditra ao anatin’izany Cisjordania sy Gaza ). Na dia eo aza ny fanafihana manatona an’I Gaza dia hita kosa fa mihena...

Tondra-drano any Fiji : “Safotra ny tanàna”

  16 Janoary 2009

Nanomboka avy ny orana tany Fiji ny alarobia 7 janoary ary tsy nijanona izany raha tsy tafahoatra ny herinandro. Izay no izy – ary tsy mbola milamina izahay — olona valo no maty (olona telo no tsy hita popoka), manakaiky ny 10 000 ny olona rava trano omena fialofana ary...