· Mey, 2008

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Mey, 2008

Nanjaka ny herisetra tao Afrika Atsimo

  29 Mey 2008

Na dia efa lasa andro maromaro aza izay ny nampafana ity raharaha ity dia tsara ihany araka ny fiheverako azy ny mamoaka azy etoana. Nanetsiketsika fatratra ny haino aman-jery ary mazava loatra ny… bolongana ihany koa ny ny herisetra faratampony mianjady amin’ny vahiny any Afrika atsimo. Mpibolongana vitsivitsy ary no lasa saina rah amarina tokoa ny filazan’ny governemanta ireny herisetra ireny ho « fankahalana vahiny » (xenophobe, ary misy ny mitsikera ny haino fampahalalam-baovao ho mampirona loatra ity toe-draharaha ity any amin’izay antony nahatonga ny herisetra.

Nikaragoa : Fanaraha-maso akaiky ny tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola madinika”

  29 Mey 2008

Nandritra ny fandaharana “Esta Semana” [Ity herinandro ity] izay fandaharana fampahalalam-baovao maharitra 60 minitra mpandeha amin'ny fahitalavitra any Nikaragoa, nisy tatitra sy fanadihadiana ny mikasika ny fomba fanao manodidina ny Usura Cero (zanabola aotra) izay tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola kely” hoan'ireo vehivavy izay mpandraharaha “madinika”. Naren Mayorga no mamintina ao amin'ny...

Manokatra fahitalavitra ara-Aterineto natokana hitaterana ny vaovaon'ireo olontsotra mampita vaovao ny vohikala YouTube

  23 Mey 2008

Nihatsotra ny fahazoana tombom-potoana hanapariahana ireo vaovaon'ireo olontsotra mampita vaovao : ny vohikala mpampariaka lahatsary eto amin'ny Aterineto YouTube dia nanokatra fantsona fahitalavitra ara-Aterineto natokana hitaterana azy ireny, ary nampitondrainy ny anarana hoe CitizenNews [vaovaon'ny olontsotra]. Ireo Vlogger [video+blogger mpiblaogy amin'ny alalan'ny lahatsary] dia afaka misoratra anarana ary mampariaka ho hitan'izao tontolo izao...

Shina: Horohorontany nahatratra ny hery 7.8 izay tsapa saiky manerana an'i Shina

  14 Mey 2008

Tokony ho ora roa lasa izay, dia nisy horohorontany izay nahatratra ny hery 7.8 eo amin'ny metatry Richter [7,0-7,9 heverina ho toy ny horohorontany henjana izay mety mahatratra 18 isan-taona maneran-tany, sy ranomasina] izay nandona ny faritra Atsimo Atsinan'i Shina, dia ny faritanin'i Sichuan, izay tao amin'ny fivondronan'ny Wenchuan ny...

Sina: “Miasa dia” ho an'ny tontolo iainana

  13 Mey 2008

Tsy ela akory tamin’ity volana ity, talohan’ny namonoan’ny horohoron-tany iray aina an’arivony, nidina an-dalambe ny olona manodidina ny 400 hatramin’ny 500 tao Chengdu, Shina hanohitra ny fanorenana orinasa iray mikirakira ny resaka pétrochimique, nantsoin’izy ireo hoe ‘Miasa dia’ mba hahazoana alalana haneho fanoherana. Tamin’ny alalan’ny finday, hafatra an-tsoratra sy blaogy...

Arabia Saodita:Nahoana no tsy misy sarimihetsika?

  12 Mey 2008

"Nahoana no tsy misy sarimihetsika aty Arabia Saodita ? " hoy i Hayfa mpitoraka blaogy saodiana [Ar], manolotra ho antsika ny eritreriny mikarika ny hanaovana cineplexes sy fantina sary azo tanterahina tsara hifanaraka amin’ny fomban-drazana sy ny foto-pinoan’ny fireneny.