· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Desambra, 2018

Tamin'ny fifaninanana lahatsary sy lahatsary amin'ny finday ho an'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra manerantany

Fifaninanana telo samihafa no nisokatra ho an'ireo bilaogera an-dahatsary manerana izao tontolo izao tamin'io taona 2008 io, natao manokana ho an'ny olontsotra manoratra isan'androa na amin'ny sokajy ho azy ireo. Iray ho an'ny sarimihetsika amin'ny finday, iray ho an'ny fampiroboroboana toe-javatra tianao arovana ary ny farany dia fitaterana vaovao amin'ny alàlan'ny lahatsary an-tserasera.

Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić

  27 Desambra 2018

Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna Iraisam-pirenena (ICC), Luis Moreno-Ocampo hanenjika ny Filoha Sodaney Omar al-Bashir, niroso tamin'ny fampitahana an'ireo raharaha roa ireo ny blaogera sasantsasany.

Sina: Ny Fanorenana Repoblika

  21 Desambra 2018

Ho fankalazana ny faha-60 taona niorenan'ny Repoblikam-Bahoaka ao Sina ny 1 Oktobra, halefa rahampitso 17 Septambra ny sarimihetsika ''Ny Fanorenana Repoblika''. Niteraka resabe mafana tao amin'ny Aterineto ilay sarimihetsika - tsy noho ilay sarimihetsika manokana, fa noho ny fiavian'ireo mpanakanto