Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Aogositra, 2016
Kintan'ny Fanatanjahantena Tiorka Tratra ao Anatin'ny Ady Ifanaovan'i Erdogan sy i Gulen
Na ilay mpilalao baolina fandaka Hakan Sukur na ilay mpilalao kintan'ny basketball ao amin'ny NBA Enes Kanter dia samy diso ankolafy ao anatin'ny fisarahana ara-politika mandrovitra an'i Torkia amin'izao fotoana izao.
Alefa Mivantana Amin'ny Media Nomerika Ao Meksika Ny Rio 2016, Fatiantoka Ho an'ny Fahitalavitra Misokatra
Afaka hanaraka ny Lalao Olaimpika 2016 ao Rio amin'ny media nomerika i Meksika sy Amerika Latina-- zava-baovao ho an'ny faritra ary fatiantoka ho an'ny Fahitalavitra mandeha amin'ny fantsona manokana.
Ankoatra Ilay Mpilomano Singapaoreana Nandresy An'i Michael Phelps, Fantaro Ireo Aziatika Atsimo-Atsinanana Hafa Nahazo Medaily Volamena Tamin'ny Lalao Olaimpika
Sambany nahazo medaily volamena tamin'ny lalao Olaimpika ao Rio i Singapaoro sy Vietnam, efa nahazo volamena roa kosa i Thailandy raha mbola volafotsy ny an'i Filipina.
Nanaitra Ireo Mpampiasa Aterineto ny Fandraisan'i Timor Atsinanana Anjara Anatin'ny Lalao Olaimpika any Rio
Ity no fahatelo amin'ny fandraisan'i Timor Atsinana anjara anatin'ny Lalao Olaimpika, tao aorian'i Athènes (2004) sy i Laondra (2012).
Nanomboka ao Japana ny Rentirentin'ny Lalao Baseball Fanao Isan-taona Amin'ny Vanim-potoana Mafana
Nanomboka tamin'ny 8 aogositra lasa teo ny fanombohan'ny fiadiana ny ho tompondakan'ny baseball andro mafana isan-taona ao Japana. Iray amin'ny lanonana lehibe indrindra ao anatin'ny taona, miraikitra eo amin'ny fahitalavitra mandritra ny roa herinandro ilalaovana ny fifaninanana ao anatin'ny vanim-potoana manevokevoka ny mason'ny Japoney avy amin'ny sokajin-taona rehetra.
Manangoly Loatra? Tsy Ampy Anarana? Manasongadina Vehivavy Atleta ao India Ny Dokambarotra Nike
"Mampiseho ny tsy fahafantarana ireo mpanao fanatanjahantena vehivavy na atleta eto amin'ity firenena ity ilay dokambarotra Nike ."
Fanavakavaham-Bolonkoditra No Saika Nandaozan'ilay Nahazo Ny Medaly Volamena Voalohan'i Brezila Tamin'ny Lalao Olaimpika 2016 Ny Taranja Judo
"Nolazain-dry zareo fa tsy natao ho ahy ny judo, fotoana nahamenatra ny fianakaviako izany. Ankehitriny aho tompondaka amin'ny lalao olaimpika eto amin'ny tanindrazako".
Japana: Fanombohana Matanjaka Any Amin'ireo Lalao Olaimpika 2016 Ao Rio
Fanombohana matanjaka no nentin'ireo lehilahy sy vehivavy Japoney nandritra ny faran'ny herinandro voalohany tamin'ireo Lalao Olaimpikan'i Rio.
Anche Cabral, Ilay Vehivavy Timorey Voalohany Mandray Anjara Amin'ny Lalao Cross-Country Olaimpika Ao Rio de Janeiro
Anche Cabral no ho vehivavy timorey voalohany hanao hazakazaka am-bisikileta hisolo tena an'i Timor Atsinanana amin'ny dingana cross-country Lalao Olaimpika ao Rio de Janeiro.