
Lanonam-panokafana ny taom-pilalaovana Baseball ao Koshien, Aogositra 2016. Dikasary avy amin'ny YouTube.
Nanomboka tamin'ny 8 aogositra lasa teo ny fanombohan'ny fiadiana ny ho tompondakan'ny baseball andro mafana isan-taona ao Japana.
Iray amin'ny lanonana lehibe indrindra ao anatin'ny taona, miraikitra eo amin'ny fahitalavitra mandritra ny roa herinandro ilalaovana ny fifaninanana ao anatin'ny vanim-potoana manevokevoka ny mason'ny Japoney avy amin'ny sokajin-taona rehetra.
Lanonana ara-kolontsaina lehibe ahitana ireo ekipa manana mpitehana manokana ity fifaninanana Koshien ity.
Mahatratra hatramin'ny 800.000 ireo mpankasitraka manatrika ny fifaninanana.
前橋育英お疲れ様でした。タオル回し凄かったです。(^^)来年の甲子園は本家ライオン軍団が更にぐるぐる回します。pic.twitter.com/zW0km8AnlD
— gogo (@go_50_50_go) August 11, 2016
Arahabaina ny ekipan'ny Lisea Maebashi Ikuei… nampangatsiatsiaka ny rehetra ry zareo tamin'ny fanofahofana ny lamba famaohana. (^^) Amin'ny herintaona mba anjaran'ny sekoly ao Sendai indray no mandefa ekipa mpitehaka ao Koshien.
Isan-taona, ekipa 49 no mifaninana ao anatin'ny lanonana, nahazo anarana avy amin'ny kianjabe iray ao amin'ny tanàna itatr'i Kobe anatontosana araka ny mahazatra ity lanonana ity.
Samy mandefa ekipa iray mankany Koshien isan-taona ny prefektiora miisa 47 misy ao Japana, fa i Tokyo sy Hokkaido kosa no mandefa ekipa anankiroa.
Raha manakaiky ny 4.000 ny isan'ny lisea manerana an'i Japana, dia ireo tena vitsy dia vitsy ihany no mahazo ny “tapakila volamena” sy ny tombondahiny handingana ny kianjan'i Koshien—nofinofin'ny mpilalaon'ny mpianatry ny lisea rehetra.
Avo dia avo ny fihetsehampo miaraka amin'ny firehareham-paritra mandritra ny fifanandrinana mitohy hahazoana anjara masoandro karohina fatratra hilalaovana amin'ny fifaninanana:
第98回全国高校野球選手権大会
3874校から49校に絞られました。本大会は8月7日に開幕。熱闘甲子園は8月8日スタートです!https://t.co/FY3OmgQ1OX#高校野球 #熱闘― 熱闘甲子園 (@nettoh_koshien) 2016年7月31日
49 sisa tavela amin'ny sekoly miisa 3874 nandray anjara. Manomboka amin'ny 8 aogositra ny fifaninanana!
Izany no mitranga satria ho an'ny ankamaroan'ny sekoly, Koshien sy ny Senbatsu –fifaninanam-pirenena baseball amin'ny lohataona — ihany no fifaninanana manana ny lanjany.
甲子園練習 履正社シートバッティング
を見ながaら入場する東邦
2016.8.4 甲子園球場 pic.twitter.com/0qTuAAb4di— たすく+47 (@47_tasuku) August 6, 2016
Mpilalaon'ny lisea avy amin'i Nagoya mijery ny Akademian'i Riseisha eo am-panazarana fikapohana amin'ny kibay.
Hoan'ny mpankasitraka, tantara mampitaintainan'ny na mandresy na mody ny antson'i Koshien.
Tamin'ny 11 aogositra no nahitana ny lalao nahavalalanina indrindra tamin'ity taona ity hatreto, raha nampiseho ny talentany tamin'ny fitorahana baolina tany amin'ny tapatapaky ny fihazakazahana fahasivy ilay mpitoraka baolina (ny no-hitter [tsy voadona], na ny “lalao tonga lafatra” malaza amin'ny baseball dia rehefa mifarana tsy nanome toraka ho an'ny ekipa mpifanandrina nandritra ny fifampitana hazakazaka sivy ny mpitoraka baolina iray. Izany no iray amin'ireo zavabita lehibe indrindra ataon'ny mpitoraka baolina iray).
Na izany aza, niafara tamin'ny faharesena mampitaintaina tao anatin'ny minitra farany tamin'ny fihazakazahana fahasivy sady farany ilay mpitoraka baolina sy ny ekipany noho ny tsy fahombiazan'ny toraka “tsy voataty”.
https://t.co/hJSSJAXnHW
高校野球富山第一対中越、中越の今村投手までは九回1死まで被安打0。最後はサヨナラ負けでしたが、見事な投球でした。(達)#高校野球 #中越高校 pic.twitter.com/toGArYnizO
― 朝日新聞 映像報道部 (@asahi_photo) 2016年8月11日
Nahavita no-hitter ilay mpilalao liseana Chuetsu mandrapisan'ny olona iray tao amin'ny faran'ny faha-9. Maty noho ny tsy fahatatazana baolina ilay no-hitter, saingy azo antoka fa toraka tena tsara iny.
Miditra an-kianja mitondra ao amin'izy ireo ny fahaiza-miaraka eo amin'ny mpiray ekipa tsy anaty lisitra ny mpilalao, sy ny fahatsiarovana ireo ekipa resiny lasa nody tamin'ny lalana ho any Koshien.
Ao amin'ity firenena adala baseball it, ara-bakiteny, Koshien no toerana mahatanteraka ny nofinofy.