
Atleta Japoney iray tsy fantatra anarana tao amin'ny Tananàn'ireo Atleta. Sary an'ny Kaomity Olaimpika Meksikàna. Fanomezan-dalana: CC BY-NC-ND 2.0
Tsara fanombohana i Japana any amin'ireo lalao olaimpika 2016 ao Rio de Janeiro, ary ny andro fahatelon'ireo lalao dia efa nahazo medaly volamena fara-fahakeliny iray sy medaly alimo efatra. Azo tamin'ny Judo, fibatàna fonjamby ary lomano ny medaly alimo efatra, ary nambaran'i Hagino Kosuke fa ny medaly volamena azon'i Japana tamin'ny hazakazaka 400 metatra olon-tokana lehilahy no voalohany tamn'ireo Lalao .
金メダル第1号は萩野公介選手。期待が集まる中、日本新記録による見事な金メダルでした。幼いころから切磋琢磨してきた瀬戸大也選手も銅メダルを獲得し、日本勢2人が表彰台に上がりました。#がんばれニッポン #競泳 #Rio2016 pic.twitter.com/HmQeobcv6Z
— 日本オリンピック委員会(JOC) (@Japan_Olympic) August 7, 2016
Nobatain'i Hagino Kosuke ny medaly volamena voalohany ho an'i Japàna [tamin'ireo lalaon'ny lohataonan'i Rio]. Nifaninana teo anivon'ireo fanantenana avo, nahavita i Hagino. Tamin'ny fanazarantena mafy sy fifantohana tamin'ny nofinofiny hiatrika lalao olaimpika hatramin'ny fahazazany, norombahan'i Seto Daiya ihany koa ny medaly alimo tamin'ny lomano. Niakatra ny lampihazo ireo mpilalao Japoney. [- Kaonty Twitter Ofisialin'ny Komity Olaimpika Japoney.]
Fanohizana ny fakàn'i Japana medaly amin'ny Lalao olaimpika vao haingana, nibata medaly alimo teo amin'ny sehatry ny judo vehivavy 48 kg i Kondo Ami.
初めてのオリンピック
結果は悔しさが残るものになりました
一瞬だけ銅メダル取れてホッとした
そんな自分が情けないです
もっともっと努力して強くなります
沢山の応援本当にありがとうございました pic.twitter.com/XQzIspFMsJ— 近藤亜美 (@amtk_0509) August 7, 2016
Ity no lalao olaimpika voalohany ho ahy. Raha mbola nalahelo aho, tsy mba nahazo medaly volamena, sentom-po lalina no tsapako tao anatiko tao teo ampandraisana ny medaly alimo […] Hotohizako ny fanazarantena mba ho mafy kokoa ary ho mafy hatrany. Misaotra indrindra amin'ny fanohanana rehetra izay azoko hatramin'ny anio.
Vehivavy iray mpikambana amin'ny tarika olaimpikan'i Japana no nanampy tamin'ny fakàna medaly iray tany ampiandohan'ireo Lalao tao Rio. Fifaninanana ho an'ny sokajy vehivavy 48 kg, nahazo ny medaly alimo i Miyake Hiromi
銅メダルを獲得した重量挙げ女子48kg級、三宅宏実選手の気迫のこもった試技をご覧ください!#オリンピックhttps://t.co/MgkKBvXhB6
— gorin.jp (@gorinjp) August 7, 2016
Azon'i Miyake Hiromi ny medaly alimo teo amin'ny sokajy zazavavy 48 kg. Jereo eto ao anatin'ny rohy ny fandreseny.
Nahazo ny medaly fahadimy ho an'i Japàna i Takato Naohisa, nandrombaka ny medaly alimo tamin'ny judo ho an'ny sokajy lehilahy 60 kg.
Naohisa Takato (Japan/Bronze Medal) x Orkhan Safarov (Azerbaijan) More countries to visit pic.twitter.com/MwQwfjZ7yc
— вєαυ giℓℓiαм (@BeauGilliam) August 6, 2016
Naohisa Takato (Japana/Medaly Alimo) x Orkhan Safarov (Azerbaijan) Firenena maro mba ho tsidihina pic.twitter.com/MwQwfjZ7yc
Ireo fanentanana avo mbola haka ireo Medaly misimisy ho an'i Japana
Ity faran'ny herinandro voalohany amin'ireo lalao olaimpika ao Rio ity dia andrandraina ho fanombohana fotsiny ihany amin'ny fakàn'i Japàna medaly olaimpika. Antenaina hanao tsara, mandritra ireo herinandro roa ho avy, ireo tarika mpilomano vehivavy sy lehilahin'i Japana.
Eny tokoa, nanamotsana ny zavabita tsara indrindra tamin'ny lomano mifampitohy ireo vehivavy Japoney nandritra ny fifanintsanana isan-tarika :
内田美希選手、池江璃花子選手、山口美咲選手、松本弥生選手が出場した競泳女子400mリレー予選。
3分36秒74という従来の記録を1秒以上も縮めるタイムを出し、日本記録を更新しました。https://t.co/CHl1hNYxZa#オリンピック— gorin.jp (@gorinjp) August 7, 2016
Uchida Miki, Ikeh Rikako, Yamaguchi Misaki, ary Matsumoto Yayoi dia nipoitra tamin'ireo tafakatra ho amin'ny 400 m mifampitohy, sokajy vehivavy […] Nomontsanin'izy ireo tamin'ny iray segondra mahery monja ny zavabita tsara indrindra any Japana [tamin'ity faran'ny herinandro ity tao Rio].
Azo an-tsaina tsara fa nientanentana ny tarika. Nandefa bitsika i Swimmer Yamaguchi Misaki fa:
8年ぶりのオリンピック決勝
リレーで始まり、リレーで終わる。
最高の仲間と泳げて幸せです
失格なく最高の泳ぎができますよーに pic.twitter.com/WQC11pMgho— 山口美咲 (@miiiyaaa_y3m) August 6, 2016
Voalohany tao anatin'ny valo taona no nahatongavanay teo amin'ny lalao famaranana olaimpika […] Faly be aho afaka miaraka milomano amin'ny tarika tsara indrindra [eto amin'izao tontolo izao]. Tamin'ny fanonezana ny rehetra avy aminay mba tsy ho resy, ary hofarananay amin'ny fiakarana eo ambony lampihazo.
Tamin'ny fifaninanana tao amin'ny vondrona A, henjana ihany koa ny fanombohana nataon'ireo tarika -Vehivavy Japoney mpilalao basikety Olaimpika.
【DAY2】アテネオリンピック以来12年ぶりの出場となったバスケットボール女子は、ベラルーシとの接戦を制して白星発進。栗原三佳選手がチーム最多の20得点を挙げました。#がんばれニッポン #バスケ #Rio2016 pic.twitter.com/7PS5igd3Gk
— 日本オリンピック委員会(JOC) (@Japan_Olympic) August 7, 2016
(Andro faha-2) Efa ho 12 taona izay hatramin'i Atena, no niatrika farany lalao Olaimpika ny tarika vehivavy Japoney mpilalao basikety. Taorian'ny nandrombahana fandresena tamin'i Bielorosia, tafakatra ho amin'ny fihodinana manaraka ny tarika vehivavy Japoney […]
Ireo Faharesena Aloha Loatra Nahafanina Ireo Japoney Mpilalao Olaimpika Sasantsasany
Tojo tsy fahombiazana ireo fanantenan'ny mpilalao Olaimpika Japoney hafa, na niatrika ny faharendrehan'ireo nofinofy Olaimpikany. Marihina manokana amin'izany ilay Japoney Ota Yuki, kintan'ny ‘escrime’ nifaninana tamin'izay nantenaina ho ny lalao Olaimpikany farany mialohan'ny handehanany hisotro ronono, voatery niàla nandritry ny faran'ny herinandro voalohan'ny Lalao:
太田雄貴、初戦敗退で引退意向「これで未練なく」 – フェンシング : 日刊スポーツ https://t.co/Eqjg2TWT9Q#リオ2016 #リオ五輪 #フェンシング #太田雄貴
— 日刊スポーツ (@nikkansports) August 7, 2016
Resy ary voatery niala i Fencer Ota Yuki tamin'ny fihodinana voalohan'ny ‘escrime’ sokajy Lehilahy. “Tsy misy nenina ho ahy,” hoy izy.
Resin'i Nizeria ihany koa ireo Japoney lehilahy mpilalao baolina kitra tamin'ny lalao Olaimpika voalohany nataony, saingy mbola manana vintana ny hanohy ny tarika, raha toa ka mahavita mandresy amin'ny lalao manaraka izy ireo:
Here are the highlights from Nigeria x Japan's match. No one wanted to play defense. pic.twitter.com/hhmK70SI15
— The New Ultras (@TheNewUltras) August 5, 2016
Ireto ireo hevitra misongadina avy amin'ny lalao nifanandrinan'i Nizeria tamin'i Japana. Tsy misy te-hilalao fiarovantena ny rehetra
Inona no Nanjo ireo Vehivavy Mpilalao Baolina Kitra?
Angamba ny hadisoam-panantenana goavana indrindra ho an'ireo Japoney mpankafy dia izay nitranga talohan'ny nanombohan'ireo Lalaon'i Rio. Tsy nahavita niakatra akory ho amin'ireo Lalao Olaimpika ny ekipa nasionaly vehivavy japoney mpanao baolina kitra, fantatra tsara amin'ny hoe “Nadeshiko Japan,” tonga teo amin'ny laharana faharoa tamin'ny Fiadiana Tompondaka Erantanin'ny taona 2015.
Ny tsy fisian'ny fiakarana an-tsehatra dia niteraka kiana sy fandinihantena ho an'ireo Japoney mpankfay baolina kitra:
Sawa speaks and she is not happy: https://t.co/oge5MGb9EC #AFCWOQ pic.twitter.com/Zk2prvWj20
— Ann Odong (@AnnOdong) March 3, 2016
Miteny i Sawa sady tsy faly: : https://t.co/oge5MGb9EC #AFCWOQ pic.twitter.com/Zk2prvWj20