
Medaily volamena voalohany indrindra tamin'ny lalao Olaimpika azon'i Singapaoro. Sary tao amin'ny pejy ofisialy Facebook-n'ilay tompodakan'ny lomano Joseph Isaac Schooling.
Mbola tsy tapitra ny lalao Olympika saingy maromaro ireo firenena Aziatika Atsimo-Atsinanana efa mankalaza sahady fandresena manatantara ho an'izy ireo amin'ity taona ity.
Nahazo laza manerantany teo noho eo ilay mpilomano Singapaoreana Joseph Schooling rehefa nandresy ilay tompondaka Olaimpika Michael Phelps avy ao Etazonia sy Chad le Clos avy ao Afrika Atsimo tamin'ny fifaninanana lomano 100m (papillon) tamin'ny Rio 2016.
Miavaka ny fandresen'i Schooling satria nanome medaily volamena voalohany indrindra ho an'i Singapaoro izy.
IT'S OFFICIAL: #SIN has its first-ever #Olympics champion in Joseph Isaac Schooling https://t.co/kbxECeEGGw pic.twitter.com/OJjAc8UiVP
— Channel NewsAsia (@ChannelNewsAsia) August 13, 2016
OFISIALY: Manana ny tompondaka Olaimpika voalohany i Singapaoro, dia i Joseph Isaac Schooling
Nanasongadina ireo mpankafy fanatanjahatena fa nandresy an'i Phelps, mpanao fanatanjahatena nankafiziny hitany voalohany valo taona lasa izay i Schooling.
Singapore's Joseph Schooling meeting Michael Phelps in 2008 & Schooling beating Phelps for gold last night pic.twitter.com/ErlhxlN0Vx
— Darren Rovell (@darrenrovell) August 13, 2016
Nifanena tamin'i Michael Phelps i Joseph Schooling avy ao Singapaoro tamin'ny taona 2008 ary nandresy an'i Phelp izy (Shooling) omaly alina tamin'ny fandrombahana medaily volamena
Mandritra izany fotoana izany, natolotr'i Sopita Tanasan avy ao Thailandy izay nandresy tamin'ny fibatàna fonjamby sokajy 48 kg sokajy vehivavy ny volamena voalohany tao Rio ho an'i Azia Atsimo Atsinanana.
Noraisin'ireo namana mpiray tanindrazana tamim-pifaliana avy ao amin'ny faritanin'i Chumphon ny fandreseny, nampanantena mihitsy aza ny manampahefana tao fa hanokatra ny lalana mankany an-tanànany ho fanomezam-boninahitra ny fandreseny.
Team Thailand scores gold!Sopita Tanasan crushes it for the Kingdom, winning 1st weightlifting gold medal. Congrats! pic.twitter.com/xajPOejWYq
— Glyn T. Davies (@GlynTDavies) August 7, 2016
Nahazo volamena ny Ekipan'i Thailandy! Azon'i Sopita Tanasan ho an'ny Fanjakana izany, nahazo ny medaily voalohany amin'ny fibatàna fonjamby. Arahabaina!
Azon'i Sukanya Srisurat izay nanamontsana zavabita tamin'ny lalao olaimpika tamin'ny 110 kg amin'ny fibatàna fonjamby sokajy 58 kg ny medaily volamena faharoa an'i Thailandy.
sukanya srisurat sets a new Olympic record in the snatch (110kg) and wins gold in the women's 58kg weight class pic.twitter.com/qZ4LLDA4LU
— Amy P (@spicylychee) August 8, 2016
Nametraka zavabita vaovao tamin'ny lalao olaimpika tamin'ny fibatàna fonjamby (110 kg) sy nahazo volamena tamin'ny sokajy milanja 58 kg ho an'ny vehivavy i sukanyua srisurat
Mitoetra ho fahatsiarovana ihany koa ny fandresen'i Hoang Xuan Vinh tamin'ny tifitra basy poleta sokajy 10m satria nanome medaily volamena Olaimpika voalohany indrindra ho an'i Vietnam.
Nilaza ireo mpaneho hevitra ara-panatanjahatena fa miavaka ny fandresen'i Vinh satria tsy mahita lavitra izy ary nanatontosa izany tamin'ny fikendrena taratasy ary tsy ampy koa ny bala noho ny fetra ara-pamatsiam-bola.
Vietnam just won its first ever Olympic medal with Hoàng Xuan Vinh taking the men's 10m air pistol https://t.co/vGVI50ElMg
— Jerome Taylor (@JeromeTaylor) August 7, 2016
Vao avy nahazo medaily Olaimpika voalohany indrindra tamin'ny alalan'i Hoang Xuan Vinh nandray anjara tamin'ny taranja tifitra basy 10m sokajy lehilahy i Vietnam
Araka ny nampoizina, nanjary lohahevitra malaza tao Vietnam ny vaovaon'ny fandresen'i Vinh :
Vietnam won their first ever gold this morning, then made Hoang Xuan Vinh the biggest search trend back home. pic.twitter.com/IqYaIHHBcJ
— Google (@google) August 7, 2016
Nahazo ny volamena voalohany indrindra i Vietnam androany maraina, ka nahatonga an'i Hoang Xuan Vinh ho lohahevitra be mpikaroka indrindra
Faly i Singapaoro sy Vietnam rehefa nahazo medaily volamena ihany tamin'ny lalao olaimpika. Efa nahazo volamena roa i Thailandy tamin'ity taona ity.
Mbola tsy nahazo fandresena hahazoana volamena i Filipina saingy nahazo ny medaily Olaimpikany voalohany tao anatin'ny roapolo taona raha nahazo medaily volafotsy tamin'ny sokajy 53 kg vehivavy ilay Filipiana mpibata fonjamby Hidilyn F. Diaz.