Manangoly Loatra? Tsy Ampy Anarana? Manasongadina Vehivavy Atleta ao India Ny Dokambarotra Nike

Screenshot from Nike Advertisement Da Da Ding, which features Indian women athletes.

Pikantsary avy amin'ny dokambarotra Nike  “Da Da Ding”, mampiseho ny vehivavy atleta Indiana .

Niatrika tsikera avy amin'ny mpisera sasany tao India noho ny tsy fampahafantarana na iza na iza afa-tsy Padukone tamin'ny anarany sy tamin'ny fandokandokana ny endriky ny vehivavy mahery Indiana ny dokambarotra vao haingana nataon'ny orinasa Amerikana lohany amin'ny fanaovana fitafiana amin'ny fanatanjahantena Nike izay manasongadina ilay mpilalao badminton Deepika Padukone lasa mpilalao sarimihetsika ao Bollywood sy ireo mpanao fanatanjahantena hafa .

Mampiseho ireo mpanao fanatanjahantena Indiana maro milalao ny taranjany tsirairay avy sady mikendry ny hampiroborobo ny taranja atletisma ho an'ny vehivavy ilay lahatsary mitondra ny lohateny hoe “Da Da Ding”. Ary tahaka izany ihany koa ny asehon'ny tononkira ao amin'ny lahatsary . Nanazava manokana  momba ilay hevitra tao amin'ny pejiny Facebook izay nizarany ilay doka i Padukone :

And so I want to say to every girl and every boy and every woman and every man…play a sport…because it changed my life…and it will change yours too!

Sport has taught me how to survive! It has taught me how to fight! It has made me unstoppable!

Ary noho izany aho dia te-hilaza amin'ny zazavavy rehetra sy ny zazalahy rehetra sy ny vehivavy rehetra ary ny lehilahy rehetra … hanao fanatanjahan-tena iray… satria nanova ny fiainako izany… ary hanova ny anao ihany koa!

Nampianatra ahy ny fomba hivelomana ny fanatanjahantena! Nampianatra ahy hiatrik'ady! Ary nanao ahy handroso hatrany!

Nahazo mpijery 3,6 tapitrisa sy ekeko ary zara an'arivony ny lahatsary nozarain'i Padukone.

 

Tsy faly ny olona sasany na dia izany aza satria i Padukone ihany no nasongadina tao amin'ilay doka ary tsy nampahafantarina tao akory ny anaran'ireo mpanao fanatanjahantena hafa. Nilaza ireo tsikera fa manohy ny tsy fahafantarana ireo vehivavy atleta ao India izany :

Mampiseho ny tsy fahafantarana ireo mpanao fanatanjahantena vehivavy na atleta eto amin'ity firenena ity ilay dokambarotra Nike .

Azoko antoka fa tsy mahafantatra akory ny anaran'ireo vehivavy atleta 5 izay naseho tao amin'ny dokambarotra ny olona izay nijery ny lahatsary #DaDaDing an'ny Nike. Kya fayda ?

“Kya fayda ? ” adika hoe ” Inona ilay hevitra ? “

Tiako raha nataon'ny Nike tsy nisy an'i Deepika ilay dokambarotra momba ny mpanao fanatanjahantena vehivavy. Mety ho matotra bebe kokoa ilay izy. Kanefa raha izany iza no hijery azy io!

Nilaza ny fomba fijeriny tao amin'ny tranonkalam-baovao tsy miankina Scroll.in i Jaideep Vaidya  fa nahamenatra ny nanaovan'ny Nike ilay fomba fiasa:

Nike itself does not name or feature any of the women from the ad on its website apart from Padukone, and leaves it to the media to publish the names from its press release or by themselves.

[…]

A pity, then, that despite breaking new ground in a country where brand-building hasn't really focused on women athletes, the ad drew attention to itself rather than the people it featured.

Nike mihitsy no tsy nampahafantatra na nanasongadina ireo vehivavy hafa tsy i Padukone ao amin'ny dokambarotra tao amin'ny tranonkalany, ary namela izany ho an'ny fampitam-baovao mba hamoaka ireo anarana avy amin'ny fanambarana an-gazety na amin'ny alalan'ny tenan'izy ireo.

[…]

Nampalahelo noho izany fa na dia teo aza ny famakiana lalam-baovao ao amin'ny firenena izay tsy ifantohan'ireo marika lehibe loatra amin'ny vehivavy atleta dia nisarika ny saina kokoa ny tenany fa tsy ireo olona nasehony ilay dokambarotra .

Niaiky araka ny tatitra ny mpitondratenin'ny Nike iray fa mety tsy hahafantatra ireo atleta ao amin'ny doka ny ankamaroan'ny mpijery.

Ny hafa kosa niaro ny orinasa :

Raha tsy misy fantatrao ireo atleta ao amin'ny dokambarotra Nike, dia avy aminao izany. Fa tsy avy amin'ny Nike, na avy amin'ilay doka, na D pad . 😂😂

Ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy eo amin'ny fiarahamonina Indiana no antony voatanisa matetika ao ambadiky ny fitsarana an-tendrony ireo mpanao fanatanjahantena vehivavy. Azo lazaina fa noho ny rafitra mijoro ao anatin'ny fanavakavahana ny tsy fahampian'ny fanentanana ireo vehivavy atleta mahomby ao India. Nanamafy izany vao haingana ihany koa ilay kintan'ny lalao tenisy Sania Mirza mitana ny laharana voalohany  maneran-tany amin'ny lalao tenisy vehivavy olon-droa.

‘Da Da Ding: Ireo vehivavy hafa’

Tsy ireo vehivavy atleta mahomby ihany no vehivavy hodiana tsy fantatra ao India. Niteny ankolaka ny dokambarotra Nike mitondra ny lohateny hoe ” Da Da Ding: Ireo vehivavy sasany  “ ny fantsona YouTube iray antsoina hoe Epic Spiritual  sady nampifandray ny lahatsary avy amin'ny dokambarotra Nike tamin'ny lahatsary mampiseho ireo vehivavy mpiasa mahantra ao India.

Mampiseho ilay lahatsary  izay nahasarika  mpijery maherin'ny 85.000  tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity fa “manao izany tsy mikiraro” ireo vehivavy miasa mafy  avy any amin'ny toerana kely fidiram-bola ao India – fitsikerana mazava ho an'ny teny faneva Nike “Just Do It”- tsy misy kiraro manaitaitra na lafo vidy. Naneho hevitra ry zareo ao amin'ny Scroll.in hoe:

[…] the other Indian women are profiled – the thousands who are part of the labour force, engaged in activities like farming or construction (their share in both is around 50 per cent) or just household activities that require carrying water over large distances day in and day out.

[…] Voafaritra ireo vehivavy Indiana hafa – olona an'arivony anivon'ny hery fiasana, miasa amin'ny fambolena na ny fanorenana ( manodidina ny 50 isanjato ny anjaran'izy ireo amin'izany) na asa an-tokantrano fotsiny izay mitaky fatsakana rano any amin'ny toeran-davitra isan'andro isan'andro .

Namaly tamin-kafanampo an'ilay lahatsary maka tahaka ireo mpisera Twitter sasany :

Efa nataoko!!!
Manohina ny fo ilay dokambarotra @nike ôrizinaly https://t.co/wpGQCTYcia

Dihy mahafinaritra ao amin'ny dokambarotra Nike da da Ding ! https://t.co/45sZKlXwUQ

Novaina ho an'ny vehivavy nangina nandritra ny an-jatony taonany maro ny dokambarotra fanentanana Nike Da Da Ding ” ataovy fotsiny izany” https://t.co/4XJsFIurUA

Mbola hitohy amin'ny fihantsiana ireo mpiteraka adihevitra toy izao hatrany angamba ny fomba fifaneraseran'ny saranga ambony sy ambany, lahy sy ny vavy mifanao ambaratonga tahaka ny ao India.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.