Afrika Atsimo: Ny tontolon'ny media sosialin'ny vuvuzelas

Tsy afa-mahazo  vuvuzelas bebe kokoa ve? Na koa ny mifanohitra amin'izay. Eto dia misy rohina media sosialy voatokana ho an'ny resaka vuvuzela.

RedsWhitesandBlacks dia blaogy mifantoka indrindra amin'ireo vaovao mikasika ny  vuvuzela manerana an'i Afrika Atsimo, Afrika ary izao tontolo izao. Ny lahatsoratra farany ato amin'ity blaogy ity dia rohy mitantara mikasika ny tenin'i Bill Clinton fa mpankafy vuvuzela izy.

Vuvuzela Radio (Vuzuzela FM) dia radio amin'ny aterineto natokana hanaovana ny feon'ny vuvuzela.

Blow Me dia manome fahalalahana an'ireo mpankafy vuvuzela hitsoka vuvuzela amin'ny fomba virtoaly . Afaka mitsidika ny vuvuzela virtoaly eto ianao.

Mitsidiha ny aterineto tahaka ny hoe manatrika ny fiadiana ny tompondaka erantany 2010 amin'ny fotoanan'ny Vuvuzela ianao  . Midira amina adiresy iray amin'ireto ary henoy ny feon'ny vuvuzela!

Ahoana ny momba ny “mamaky baolina sonata ho an'ny vuvuzela”?

Ary raha tena manadala anao ny vuvuzelas, dia tsidiho ny tranonkala ofisialin'ny “EarPlug” [tampin-tsofina ho an]'ny vuvuzela, Vuvuzela Unplugged.

Misy hetsika ataon'ireo tsy mankasitraka ny vuvuzela, izay tarihan'i Ban Vuvuzela, Stop Vuvuzelas ary Anti-Vuvuzela.

Raha mpankafy lalao amin'ny solosaina ianao, dia afaka milalao ny Vuvuzela Hero: Legend of Africa. Afaka ihany koa misintona ny vuvuzela app amin'ny aterineto ho an'ny iPhone sy iPad? Na tsidiho ny bokotra vuvuzela ao amin'ny Youtube.

Vuvuzela ao amin'ny Twitter:
Stop Vuvuzela, The Vuvuzela, Vuvuzelona, Live Vuvuzela, Vuvunee (Dutch), Vuvuneela, VuvuUnplugged, Vuvuzela Radio ary Vuvuzela Horn.

Vuvuzela ao amin'ny Facebook:

Vuvuzela Radio, Virtual Vuvuzela Facebook Gift, The Vuvuzela.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.