Tontolo Arabo: Eritreritra momba ny lalao famaranana ny Fiadiana Tompon-daka Eran-tany

Marina indray ny safidin'ilay horita mpaminany Paul ary naharesy ny Espana tamin'ny lalao famaranana ny Fiadiana ny Tompon-daka erantany, izay nifarana tany Afrika Atsimo minitra vitsy lasa izay. Tany amin'ny tontolo Arabo dia nizara hevitra vitsivitsy momba ilay lalao famaranana sy ny fifaninanana manontolo ireo mpampiasa Twitter.

Nifanandrina tamin'i Hôlandy i Espaina tamin'ny lalao famaranana izay nitohy tamin'ny fanampim-potoana izay vao nahafaty ny baolina nenti-nandresy i Andres Iniesta.

Ho an'ilay mpampiasa Twitter iray, maneho fandrosoana goavana ny fiafaràn'ny Fiadiana Tompon-daka Eran-tany. Mi-tweet amin'ny sora-baventy i Mansour Fekry :

TSY MISY VUVUZELA INTSONY

Nampiakatr'afo ny sasany ny fampiasàna Vuvuzela, ka nampisarakevitra ny mpanatrika sy ny mpijery manerantany avy amin'ny fahitalavitra.

Nampitombo ny tontona ilokàna ilay Isiraeliana Carmel Vaisman raha nanambara izy talohan'ny lalao hoe:

Ireo mpilalao amin'ny famaranana dia ireo firenena hanaovako lahatsoratra fanadihadiana. Ndeha hakarina ny loka: izay maharesy izao hariva izao no halaiko!

Nanamarika ny fiandohan'ireo vaovao tsara ny baolina nitondra fandresena matin'i Iniesta ary ravoravo ni-tweet i Carmel:

Efa fantatro mihitsy! Lahatsoratra fanadihadiana ho any Barcelona izany. Misaotra anao ry Iniesta.

Avy any Emirà Arabo Mitambatra, mi-tweet i Sultan Al Qassemi :

Mankasitraka an'i Afrika Atsimo nahatanteraka Fiadiana Tompon-daka eran-tany feno filaminana sy voakarakara tsara. Tsy hadisoan'izy ireo akory izay ho  saika nanorisory hatrany.

Mihoraka i Farukh Bashir avy any Bahrain, taitaitra :

Naharesy Espaaaaaaaaaina!!!

Ilay Palestiniana Rasheed Bedusi dia mizara ireo nofinofy ho an'ny Tontolo Arabo:

مبروك فوز اسبانيا اتوقع فوز مستحق وعقبال يكون عندنا بطل عالم عربي
Arahabaina Espana nahazo fandresena mendrika ho azy ary manantena aho fa hisy Arabo tompondaka indray andro any

Nahazo ny anjara resaka momba azy koa ilay horita Paul. Ilay mpampiasa Twitter Saodiana Saleh Alshebil dia manontany tena hoe:

Manontany tena aho hoe hoatrinona no mety ho azon'i Paul, ilay horita, raha ao amin'ny ebay?

Ary tao amina resaka momba ilay lehiben'ny fampihorohoroana Osama bin Laden, manontany i Michu10 :

Paul, aiza i osama ?

Mandritra izany dia efa miomana ho an'ny Fiadiana Tompon-daka maneran-tany manaraka sahady ilay tera-tany Kuwaiti, Rashed Alroomi. Manontany izy:

Fiadiana Tompon-daka maneran-tany manaraka moa aiza ry reto a???

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.