Ankapobe: Mitady lalao hafa ilay orita alemana Paul

Paul the octopus

Eto ilay orita Paul dia naminany ny fandresen'i Alemaina tamin'ny lalao teo aloha nanoloana an'i Arzantina.

Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay, ka ao anatin'izao mondial mampirediredy izao, dia misy orita alemana tanora antsoina hoe Paul izay mitoetra ao anaty dobo fitaratra ao amin'ny SeaLife any Oberhausen, Alemaina nahamarina hatrany ny faminaniany tamin'izay ekipa tafavoaka mandresy isaky ny fihaonana. Tsy nivaona tamin'izany koa ny androany [omaly 07 jolay]: Espaina no nofidian'i Paul manoloana an'i Alemaina, noporofoiny indray fa diso izay manohitra ny safidiny:

VAOVAO FARANY: Marina ny an'ilay orita: resin'i Espaina 1-0 i Alemaina teo amin'ny ankatoky ny famaranana mondial; izay irosoany amin'ny famaranana hifanandrinany amin'i Hôlandy

Androany moa dia heniky ny takoritsika, tsikera ary fampirisihana an'i Paul ny tontolon'ny sioka antserasera (twitter), raha mihamalaza any amin'ny faritra sasany (toa an'i Angletera) ny “oritan'ny toe-tsaina”. Tany India i mojorojo no manana limerick [sakafo misy orita no fahazoako azy] hozaraina:

Twas an octopus named Paul, who picked winners at football. Chose the team in red, so they cut off his head, & served him with some Emmental

Nisy hono orita antsoina hoe Paul, izay mpamoaka amin'ny tanany izay nandresy tamin'ny baolina fandaka. Nifidy ny ekipa miakanjo mena, ka dia notapahiny ny lohany ka naroso hohanina miaraka amin'ny Emmental

Nialoha ny fahavitan'ny lalao dia nisy ny mpisioka an-tserasera no nanahy ny fiarovana an'i Paul tany Alemaina angamba. Ningerongerona ilay Holandey DJ Tiesto:

if Germany loses they will make fried calamari out of Paul the octopus! haha

Raha resy eo i Alemaina dia hataony endy orita ao i Paul! haha

Nanome voninahitra an'i Paul kosa ny hafa, tahaka an'i narizza sady mipetraka any Paris no monina any Jakarta :

next time I go to sushi bar I will salute all the octopus, including tako sashimi and chuka lidako.

Amin'ny manaraka rehefa mankany amin'ny toeram-pisotroana japoney aho [bar sushi] dia hiarahaba ny orita rehetra, ka anatin'izany ny tako sasimi sy ny chula lidako [sakafo japoney miaty orita?].

Ny hafa kosa dia tena misalasala tanteraka amin'ny zavabitan'i Paul. Nizara ny fanamarihany maneso ilay mipetraka any Dubai duguzzle amin'ity vaovao mahafalin'ny maro rantsana ity:

Paul the octopus just said it's going to be hot in Dubai tomorrow.

Vao niteny i Paul orita fa hafana ny andro eto Dubai rahampitso

Mety ho manana ny hampiasana ity zavamananaina valo tanana ity ilay mipetraka any Kenya uncleTeeJay, fa mbola amin'ny tetikasa mampidi-doza ihany koa:

That octopus should be sought for referendum results. It may do us some good before cooked

Tokony hotadiavina amin'ny valim-pitsapankevi-bahoaka koa ity orita ity. Mba misy ny ilàna azy aloha mialoha ny handrahoana azy.

Dia andrasana indray izany izay havoakan'i Paul amin'ny lalao famaranana…ka hojerena na ho lasa takoyaki [orita atao sakafo] izy amin'ny farany na tsia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.