Tantara mikasika ny Tantara
Manintona mpankafy vaovao manerana izao tontolo izao hatrany ny lalao nasionalin'i Kyrgyzstan, kok-boru
Tamin'ny Lalao Manerantany Nomad (WNG-ang) voalohany nampiantranoin'i Kyrgyzstan tamin'ny taona 2014 no nipoiran'ny kihon-dalana nampalaza ny kok-boru any ivelan'i Azia Afovoany.
Denyse Plummer, ilay mpanjakavavy tsy nampoizin'ny calypso ao Trinidad & Tobago, mamela lovam-pitiavana, fiderana ary fitiavan-tanindrazana
"Nopotehany ny sakana ary nosokafany ny làlana ho an'ireo vehivavy mpanao calypso, tamin'ny fanehoana fa ny herin'ny feon'ny olona iray dia mihoatra lavitra noho ny maha-lah sy vavy ary ny tantara niaviana."
Any Ozbekistana, sady tsangambato ho an'ny fanaingoana anatiny ihany koa ireo trano tranombakoky ny literatiora
Ao Ozbekistana, ny tranon'ireo mpanoratra malaza ihany koa dia tsangambaton'ny maritrano anatiny nentim-paharazana Ozbeky, izay azo tsidihana ary manainga fanahy ireo Ozbeky rehefa hanaingo ny tranon'izy ireo.
Nahoana isika no mbola manafina ny tantaran'ny teknôlôjia?
Efa rakotry ny vovoka ankehitriny ny milina nanova ny teknolojiantsika
Andian-tantara vaovao amin'ny TV ao Taiwan, mikitika ny resaka saropady momba ny foko, ary tona ao amin'ny Netflix
Andiana tantara iray amin'ny fahitalavitra ao Taiwan mitondra ny lohateny hoe "Port of Lies", nalefa ihany koa ankehitriny tamin'ny Netflix, no niatrika ny iray tamin'ireo olana tena saropady indrindra ao Taiwan amin'izao fotoana izao : ny foko.
Palestiniàna miady ho an'ny tranon'izy ireo ao Jerosalema Atsinanana
Araraotin'ireo fikambanana mpanjanaka Israeliana, tohanan'ny Fanjakana, ny fampiasàna ilay lalàna fanavakavahana mba hakàna tsy an-drariny ny tranon'ireo Palestiniana, mampiasa fomba lazaina ho ara-dalàna hahafahana manàla an-keriny ireo fianakaviana amin'ny trano fonenany.
Fahatsiarovana ny fandripaham-bahoaka Bosniaka ao Tuzla: ‘Tsy mitafy fankahalana izahay, fa tsy hanadino velively’
“Lasa tamin'ny fandripaham-bahoaka ny olon-drehetra ary avy eo misy milaza fa tsy nisy mihitsy ny fandripahana. Tena maharary sy mangirifiry izany. Toy ny tsy nanana na iza na iza aho,” hoy ny sisam-patin'i Srebrenica antsoina hoe Nura Begović.
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna #05
Ato anatin'ny fizaràna ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, asongadinay ireto telo ireto: "vieux père, voilà ton fils", "bled", ary fehezanteny safiotra iray rosiàna-frantsay malaza.
Mitodika amin'ireo dinôzôrony i Môngôlia mba hisarihana bebe kokoa an'ireo mpizahatany
Amin'ireo karazana dinôzôro 400 hita hatreto, 80 no avy any Atsimon'i Môngôlia, izay niaina nandritra ny vanim-potoana Crétacé tamin'ny vanim-potoana Mesôzôika.
Ny fomba namadihan'ny ady tany Okraina ny lelako
Taorian'ny fananiham-bohitra Rosiana tamin'ny 24 Febroary 2022, nanontany tena aho hoe inona no tokony hataoko amin'ny ampahan'ny atidohako izay mbola niteny foana ny fiteny Rosiana isanandro.