Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2017

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Novambra, 2017

28 Novambra 2017

Ao Anatin'ny Tontolo Midadasik'ilay Sarimihetsika ‘Valerian’ , Misongadina Manokana i Okraina

Ny manokatra ny sehatra ao anatin'ilay sarimihetsika dia fampidirana ahitàna ny tarik'ireo Okrainiàna mpanamory sambondanitra tarihan'ny vehivavy iray mitondra ny sainam-pireneny eo amin'ny tanàn'akanjony

27 Novambra 2017

Taiwan: Ireo Trano Ovni

Misy trano tsy misy mipetraka ao Green Bay ao amin'ny faritr'i Taipei. Nantsoin'ny olona maro ao amin'io faritra io hoe 'trano ovni' izy ireo noho ny bika aman'endriny izy ireo .

16 Novambra 2017

Myanmar : Nandany Ny Androm-piainany Tamin'ny Fanangonana Kapilanà Gramôfôna I Maung Maung

Nanangona kapilanà gramôfôna maherin'ny 100.000 nandritra ny enimpolo taona ilay mpitandro filaminana misotro ronono, mpampianatra ary mpisolovava.

14 Novambra 2017

Singapaoro, “Fampanantenana Poakaty” Ve Ny Fahalalahana Maneho Hevitra? Mitsangam-bolo Ireo Mpikatroka Taorian'ny Nisamboran'ny Polisy Ny Mpanakanto Iray Mpiaka-tsehatra

GV Mpisolovava

Eo ambanin'ny lalàna henjana momba ny filaminam-bahoaka ao Singapaoro, azo tazonina ho tomponandraikitra nandray anjara tamina fivoriana iray tsy ara-dalàna na olona tokana aza.

09 Novambra 2017

Ny Bitsibitsika Afgana : Hankalaza Sa Tsia!

Miresaka momba ny tsingerintaona nirodanan'i Kabul teo am-pelatànan'i Mujahedin ireo bilaogera Afgana . Tsy mitovy hevitra izy ireo na hankalaza izany na tsia. Nahoana no tokony hankalaza io andro io ny vahoaka Afgana? Moa ve nahazo fahafahana, rariny ve izy ireo na ....

08 Novambra 2017

Repoblika Tseky: Hafatra Ho An'i Condoleezza Rice

Nahitana ny taratasy iombonana iray ho an'ny Sekreteram-panjakana Amerikanina Condoleezza Rice teo amin'ny rindrina iray tao Brno, ilay tanàndehibe Tseky faharoa ....

06 Novambra 2017

Paradisa Vaovao Ho An'ny Sarimihetsika Ve I Maraoka ?

Toerana ankafizin'ny mpanatontosa sarimihetsika vahiny efa hatry ny ela i Maraoka. Toy izany ny horonantsary fanta-daza  La Dernière Tentation du Christ na ny Lawrence d'Arabie, sy ny horonantsary vao haingana toy ny Détention secrète na ny La Chute du faucon noir, dia samy nampiasa an'i Maraoka ho endri-tanàna avokoa.

05 Novambra 2017

‘Fetiben'ny Hazavana’ Tao Taunggyi Ao Myanmar, Ankalazaina Amin'ny Fandefasana Balaonina Misy labozia Mirehitra

Topazo maso ireo sarin'ilay fombandrazana malaza -- ary indraindray mampidi-doza.

Libanona: Dika sy Vokany

Ny hoe mahantra ao Libanona dia tsy hoe fotsiny kely ny vola miditra aminao, fa koa tsy afaka mahazo rano madio ianao, tsy afaka mandeha an-tsekoly ary tsy manana hialofana