Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Mey, 2018

29 Mey 2018

Martinika : Ireo Andriana Farany Tao Amin'ireo Nosy

...hetsika nateraky ny fisaintsainana manodidina ny ampihimamba ara-toekarena ataon'ny fianakaviana vitsivitsy...Tsy maintsy iomanantsika koa ny fikisahan'io ho amin'ny resaka fanavakavahana volonkoditra sy fankahalàna vahiny izay mazava ho azy fa ho lavina ny filazàna azy amin'izany fomba fiantso izany, samy mahafantatra isika rehetra fa mandeha zotra tokana ny fanavakavahana volonkoditra sy...

Valopolo taona taty aoriana, mbola mifampitsara an-tendrony ny Jordaniana sy ny Palestiniana

Raha niteraka fahatsapana fandriampahalemana eo amin'ny vahoaka roa tonta ny fiaraha-miaina nandritra ny fotoana, dia tsy mbola misy ny firindrana tanteraka. Ny fanambadiana sy ny fanatanjahan-tena no roa amin'ireo sehatra izay mbola ahafahantsika mahita mazava kokoa ireo fihenjanana.

Antilles : Eo an-dalam-pitadiavana ny vahoaka Karaiba

Nanomboka hatramin'ny fiandohan'ny taona 2009, nanontany tamin'ny fomba samihafa ny momba ny mari-panondroana azy ireo, ny lovam-pireneny sy ny zavatra iainany amin'izao fotoana izao ny Indiana Tandrefana .

28 Mey 2018

Ekoadaoro: Ho anisan'ireo zava-mahatalanjona miisa 7 vaovao eto amin'izao tontolo izao ny nosy Galápagos

Nahatafiditra kandidà roa amin'ny fihodinana faharoa hifidianana zava-mahatalanjona miisa fito eto amin'izao tontolo izao tamin'ny fifaninanana antserasera i Ekoadaoro : ny nosy Galápagos (ao amin'ny vondrona B, sokajy "nosy") sy Amazonia (ao amin'ny vondrona F, sokajy "ala, valanjavaboarim-pirenena sy ny valan-javaboary natoraly").

Fitsidihan'ny Papa an'i Etazonia: Fanehoan-kevitra

Mitroatroatra ny tontolon'ny bilaogy sy ny fampitam-baovao tamin'ny fitsidihana maha-Papa voalohany (Benoà 16) tany Etazonia - voalohany noho ny fanararaotana ara-nofo izay nanozongozona ny fototry ny fiangonana Katolika Amerikana enin-taona lasa izay. Niresaka ny olana ny Papa tany Washington D.C.

27 Mey 2018

Damaskosy : Ny fandravana ilay tanàna tranainy

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy) Mirehareha ho tanàna tranainy indrindra manerantany tsy tapaka mponina i Damaskosy. Nanomboka 8000 taona talohan'ny androntsika ny tantaran'i Damaskosy. Mamintina vanimpotoan-tantara avokoa ny zoron'arabe tranainy ao aminy. Ilay tanàna nifahatra nanoloatra ny zava-drehetra, hatramin'ny horohorontany ka hatramin'ny fanafihana tanatin'ny...

22 Mey 2018

Tontolo Arabo: nomena voninahitra tamin'ny alàlan'ny Google Doodle sy Twitter i Ibn Khaldoun

Heverina ho toy ny mpanoratra sady mpahay tantara Arabo lehibe indrindra, teraka tamin'ny taona 1332 tany amin'ilay antsoina ankehitriny hoe Tonizia ilay filôzôfa Ibn Khaldoun. Fantatra amin'ny maha rain'ny tantaran'ny kolontsaina sy ny siansa ara-tsosialy maoderina azy ihany koa izy.

16 Mey 2018

Azia Atsimo: Politika, Hasambarana, Finoana Ary Vorona

Hitantsika amin'ity lahatsoratra manaraka ity ireo vaovao farany indrindra avy amin'ireo blaogy isankarazany mikasika ireo firenena Aziatika Tatsimo.

Horakoraky Ny Blaogy Bangladesh -12

Maro ireo blaogy nihorakoraka mikasika ny zava-misy ao Bangladesh.

Enimpolo taona nisiam-piovana fa mbola velona hatrany ilay tranon-tsarimihetsika novelomin'ny fianakaviana tao Thailandy

"Efa nanara-bolontany ny tsiro tadiavin'ny olona izay miovaova hatrany izahay. Izany no nahatonga anay nanova endrika in-telo ny teathra. Ny fianakaviana no mamelona ny fiharianay ary saika havana avokoa ny ankamaroan'ny mpiasa."